Jesoa sy ny fomban-drazana

21. hps ( 18/10/2005 18:15)
rehefa mihevitra ianao fa Jesosy no razanao dia izay fampianarany arahina,na koa efa nanokana ny tenanao ho Azy,fa aza mandala izany fomban-drazana izany intsony;fa raha ny fomban-drazanao no hitanao fa mety dia asakasakao izay,oh:rehefa mangatsiaka ny razanao izay efa tsy manan-kambara intsony dia fonosy izy de basy
22. cutie ( 18/10/2005 18:49)
LazaRandri [ Valio ] 17-10-2005 15:07:27
Lohateny : Re : Jesoa sy ny fomban-drazana
Mahafinaritra fa toa samy handalina ny Baiboly jiaby isika raha izao no mitohy, sa ahoana ry Cutie?

Fanazavana an'io ao amin'ny Matio 15:1-2 ho an'izay manana Life Aplication Bible.
Mba azonareo zaraina ve?

mijery anareo mandalina fotsiny za ka, hitondra ho aiza moa io fandalinana baiboly io ??
PS: zarao eto fotsiny ny vokany refa avy eo . lol
23. marozevo ( 18/10/2005 22:55)
Mandalina baiboly isika > hoy ianareo. Tsarovy anefa fa loza be io raha tsy misy mpitantana isika amin'izany fandalinana izany. Tsaroanareo ve ilay olona nataon'i Filipo Batisa (Ao amin'ny Asan'ny Apostoly). Ilay Etiopianina ? Namaky baiboly izy, ary niezaka hahazo, saingy tsy nisy nazava taminy raha tsy tonga i Filipo Diakona, nanazava izany taminy. Tadiavin'i dadabe indray aloha io réference io anh.
Dia toy izany koa isika : Aza miana-kendry mandalina baiboly samirery izany fa miezaha mandalina aizany amin'ny fomba mahomby miaraka amin'ny manam-pahaizana momba ny Baiboly. Io no mahavoa ny Temoins de Jehowah... Ara-bakiteny ny azy no betsaka, mba tsy hilazana hoe izy rehetra mihitsy.
24. LazaRandri ( 18/10/2005 23:47)
marozevo,
Ilaina tokoa ny mifankahery. Fa izao no tsy aritro: ny Fanahy Masina kosa ve dia tsy omenao anjara toerana fa atakalonao ireo antsoinao hoe "manam-pahaizana momba ny Baiboly"? :)
Somary mampahatsiahy ahy ny mpanora-dalana sy ny sanhedrin ilay resakao :)
25. routa ( 19/10/2005 04:31)
ka iza ary le manam-pahaizana sady mahomby e?
26. jentilisa ( 19/10/2005 07:25)
ILay fomban-drazana na voatolotry ny razana lazaina anie ka hoe vitavitan'ny fomba fotsiny na tsy madio akory aza mivoaka avy eo e. Madio anaty fa rombaka anaty. Milaza izany fa tsy mety ny mihatsaravelatsihy. Fahadiovana sa fanao fotsiny no atao?
Tsarovy ihany koa: ny soratra mahafaty fa ny Fanahy no mahavelona.
27. sonwin ( 19/10/2005 20:35)
Mila fandanjalanjana ny fanarahana na tsia ny fomban-drazana satria misy harentsaina sy kolotsaina tsy mifanohitra velively amin'ny maha-kristianina:ohatra ho an'ny malagasy: famorana,fitandroana ny fihavanana,vodiondry,fanajana ny zokiolona,fahatsiarovana ny nahitana masoandro, etc...ianareo kristianina indrindra no mailaka ery rehefa mamangy manjo miteny hoe:araka ny fomban-drazana izay tsy hita ny maharatsy azy...
Entina sahala amin'ny mifika fary io, ny mamy atelina fa ny faikany izay tsy mahasoa ariana.
28. cutie ( 19/10/2005 21:46)
sonwin, efa zatra mifika fary nga :-D
29. marozevo ( 20/10/2005 00:12)
Lazarandri > Tena marina ny anao ka ! Tsy hita moa fa na eo aza ny fahasahiranana dia ny mihinam-bary aza misy laoka ( latsaka manko e). Ny Fanahy Masina tokoa no manazava, ary ny manam-pahaizana mitantana. Ny Fanahy Masina no naniraka an'i Filipo fa i Filipo no niasa araka ny fanilovan'ny fanahy.
Chapeau LazaRandri.
30. sonwin ( 23/10/2005 20:39)
cutie> efa zatra mifika mamy ka :)
31. cutie ( 23/10/2005 20:47)
hay tia mamy lol
32. Herimiafina ( 24/10/2005 03:43)
Mila faritana le atao hoe fombandrazana fa vasta be loatra sady ambigue.8)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0076