talenta nomen'Atra

1. hps ( 16/10/2005 18:47)
Anisan'ny endrin-javatra iray nanaitra ny fiangonana nivavahanay androany ny fandraisan-tanana an'i Tahiry Pazzapa sy Santatra coup de pousse izay samy nibata ny fandresena t@ fifaninana nataon'ny RTA sy TVM,marihina fa tao anatin'ny fotoam-pivavah.no nanaovana izany fiarahabana sy fandraisan-tanana nataon'ny Pastora izany sady nanolorana fanomezana azy mianadahy ireo.Mipetraka ny fanontaniana hoe:mba ahoana ny hevitrin'ny 1*1 ny @ izany?aoka anefa hazava fa talenta nomen'Atra azy ireo ilay fahaizana mihira:?:
novalian'i hps ny 25/10/2005 18:29
2. vale ( 16/10/2005 20:58)
hps> tsy de mazava loatra ilay tinao lazaina? ny hoe fiarabaina an-dry zareo nandritra ny fotoam-pivavahana ve no mampisy olana anao?
3. moi ( 17/10/2005 08:11)
Mba noharahabaina ry zareo, amin'izay mba mahatsiaro ny fiangonana ; asa na fisarihana azy tsimoramora izany na efa fomban'ny fiangonanareo !! Sa efa mpivavaka ao ry zareo ?
4. pika ( 17/10/2005 08:17)
tsy afaka ny hanitsy ny lalan'ny ondriny ny fiangonana raha tsy mandray anjara @zay activité heveriny fa mahasarika ny tanora
@zay afaka ny hitaiza azy ireo
oh hoe any ampiangonana misy ny mpanao baolina kitra,.......ny mpandihy,.......
5. estine ( 17/10/2005 08:42)
avy aiza moa ny ankamaroan'ireo mpihira malaza ieo no nipoitra moa tsy avy ao @ choral ve:?: ka io hitany hps no retour à la source .ny mihira de fanomezampahasoavana hoa an'ny olona retra na de za tsy mahay tia aza ara teknika io an:wink:
6. hps ( 18/10/2005 17:27)
tsy hoe akory manana olana ny @ izany aho ry namana fa anisan'ny fihetsika mampite-hidera zany satria zanakin'ny Fiangonana izy dahy ireo,ao ihany koa moa ny maha tanora taizan'ny Fiangonana azy sady mpandray ny fanasan'ny Tompo rahateo,tsy ratsy koa aloha ilay tetika hoe mety hisontonana azy mba hiraika @ famoronana hira fiderana;ny fanomezana nomen'ny Fiangonana rahateo ange ka BAIBOLY eh!amiko indray aloha tokony nanokanana fotoana manokana ny nanaovana izany fa tsy ao anatin'ny fotoam-pivavahana
7. Herimiafina ( 18/10/2005 21:10)
Mahafinaritra rehefa manaiky le olona hoe avy amin'Andriamanitra ny fahaizany fa tsy le dedaka be otsan'i Ra-Aarona ireny hoe heriny manokana ny fahaizany. tssss ^:^
8. marozevo ( 18/10/2005 22:59)
Izahay taloha (1990 - 1993) dia ni-organiser fifaninanana fanatanjahan-tena teo anivon'ireo Fiangonana valo ao amin'ny Distrikan'Itaosy. (Katolika io). Rehefa nandresy ny Ekipanay, matetika izy no mandresy, dia ao am-piangonana no anomezana ny coupe, ary i Mompera lehibe mihitsy no manolotra ny coupe. Voarindra tsara kosa anefa ny fotoana anaovana azy : Alohan'ny tso-drano farany amin'ny fotoam-pivavahana.
Tsy hitanay izay maharatsy izany. Ny mahatsara azy kosa dia tsy lany laniana hatramin'izao.
9. routa ( 19/10/2005 04:34)
loka anie zany e! tsy ratsy zany e! ny vokatra aza atao any ampiangonana ko varotra sy ny fety ko :)
10. jentilisa ( 19/10/2005 07:32)
tao aminay koa aloha efa tao ampiangonana no nanolorana loka fanatanjahan-tena e!
11. eprom ( 19/10/2005 15:03)
Io de mitovy amin'ny hoe ankizy afaka fanadinana ofisialy de raisintanana ao ampiangonana. Tsy azo ampitoviana kosa anefa amin'ny hoe fanomezana loka ( ara-panatanjahantena ohatra) avy amin'ny fifaninanana karakarain'ny fiangonana ( na ny sampana ao aminy) izay mazava ho azy fa ao ampiangonana no anaovana ny fanolorana ny loka. Eto kosa de ivelan'ny fiangonana ny fikarakarana ( toy ny fanadinana ofisialy izany), fa raisintanana ao ampiangonana izay mendrika. Tokony hitandrina ihany ny fiangonana raha ny hevitro satria raha iraisan'ny rehetra ny famporisihina ny zaza hianatra, de mety tsy itovizan'ny mpiray fiangonana kosa ny famporisihana ny ankizy hanao pazapa. Satria ny fandraisantanana ireo mendrika de famporisihina ny tanora hanaraka ny diany.
12. hps ( 21/10/2005 18:12)
Tsara ho fantatra ihany aloha ry namana fa tsy tokony ilay hoe LOKA no aderadera na ilazana ilay fanomezana fa izany LOKA izany anie ka tsy mifandraika @ Fanomezan'Atra eh ary matetika zavatra mifanipaka @ T.A mihitsy ny hoe loka,tsy aiko aloha eh?:roll:
13. pika ( 25/10/2005 08:08)
tsy loka milalao karatra anie ka misy vola iadivana ao e
toy ilay antony nilazan'i jesoa fa tsy natao trano hilokana ny tranoko
fa valisoa ho fankaherezana sy ho famporisihina no mahazava azy
sady tsy aleo ve amporisihina @zany ny tanora toy izay mety lasa ....
14. dadabe ( 25/10/2005 11:29)
hps > aza misalasala ianao fa avy hatrany dia avoahy ny hevitra ,misy hevitra tianao avoka fa saingy tsy tafavokanao,zah anefa sahala @ mahatsinjo ilay izy fa aleo kalou miandry kely .:wink:
15. hps ( 25/10/2005 18:29)
Tsara aloha raha misy hevitra mivaingana any @ i dadabe dia arosoy hiaraha-mandinika eh!sasanangy samy manana ny azy mihitsy aloha zany hoe:Loka sy valisoa zany amiko eh,sady @ izay indray ve any @ Trano natao hakalazana ny anaran'Atra no anolorana izany.ny tsara ho fantatra aloha ilay fanomezana kosa ange ka tsara eh:BAIBOLY afaka hisintonana ireo tanora malaza ireo hiroso @ asa fitoriana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1732