fanampian'A/tra

1. xxx ( 13/10/2005 11:32)
hono ho'a ry reto, ilay A/tra ivavahanao hono rehefa tsy manampy anao mivantana be (ara materialy, ohatra ara-bola, aretina sns) de tsy izy izany (na hoe tsy tsara izany). Izany hoe tsy alehany izay ivavahanao. Ahoana ny hevitrao?
novalian'i daran ny 19/10/2005 08:52
2. bichette ( 13/10/2005 12:13)
din kosa ! dé ra toa ka ilay zavatra nangatahanao iny tsy azonao satria hitan'Atra fa tsy hahasoa anao dé aona ? tsy mitombona mihintsy zany amiko
3. xxx ( 13/10/2005 12:25)
izao mantsy raha manao fampitahana ny fivavahana kristianina sy ny karazana fivavahana hafa (tsy kristianina) de hita hoe ela be ny fangatahana vao azo ho an'ny kristianina (@ ankapobeny io). Fa ny fivavahana hafa, ohatra ireny mampianatra karazana concentration isan-karazany ireny de mahita sy mahazo hery hafa avy hatrany ny adepte. Mahomby izany ho an'ireo ny fivavahana ataony: tsy mamokatra izany ny A/trao hoy ireo fa hialao matoa tsy mahavita manampy anao!
4. kally ( 13/10/2005 13:21)
Ary mba nojerenao ve hoe inona no mba nataonao ka mendrika valiny ankoatry ny nangata-potsiny?
5. xxx ( 13/10/2005 13:39)
ka matoa kosa aho mangataka de miandrandra valiny foana izay fa tsy mangataka zavatra ratsy kosa aloha. ny hoe mendrika homena valiny indray de Izy ihany no afaka hitsara izay fa tsy izaho mihitsy. Fa ny tiako tenenina de hoe iomehezan'ireo karazana fivavahana hafa ny fivavahana kristianina satria tsy maha antoka ny fitazomana harena ohatra, na mampanakarena tampoka sns...
6. Tiah ( 13/10/2005 14:03)
Aleo ranga ze iome iome any fa nga natao itazomana harena na hapanakarena tampoka ny fivavahana kristiana a!sady isika ange ra mivavaka ts vôtery oe ts maints mahazo valiny e d zany ts midika oe ts mamely ny Atra iavavahana fa tokony ahatspa isika fa ts ny sitra-po tsika no atao fa ny Azy fa ny anjara,-tsika fotsn no mangataka fa Izy no mahalala izay mahasoa antsika.Sa aôna ozy nareo?
7. Tiah ( 13/10/2005 14:05)

8. Tiah ( 13/10/2005 14:06)

9. xxx ( 13/10/2005 14:13)
marina fa ny kristianina tsy mahafehy ny fitondra-tena araka ny tokony ho izy. tsy misy olona parfait izany saingy raha mandinika ianareo de ireo karazana fivavahana hafa (boudiste sns) de asehony mihitsy hoe izao ny fifampifehezanay sy ny fombanay de hajainay sy harahinay. Manana pouvoir isankarazany izahay, mahery ilay A/tray satria mikarakara anay....
10. Veloo ( 13/10/2005 14:32)
ny vavaka dia firesahina @ Antra. Ary zavatra tena important be izy io. Raha tianao hivaly ny fivavahanao dia vavaka tena am-po tokoa no ataonao... Nefa kosa mety tsy ho azaonao eo ho eo ny valiny. Fa raha mino tokoa ianao dia mivaly FONA ilay vavaka nataonao
11. routa ( 13/10/2005 15:44)
tandremo koa anefa fa ny devoly koa makatahaka ,
12. Herimiafina ( 14/10/2005 01:48)
De aôna zany ry xxx raha misy olona mivavaka be hoe, ataovy latsahan'ny varatra i ra-Herimiafina, de voatery tsy maintsy hamaly anlé vavaka zany Andriamanitra?
13. majesty ( 14/10/2005 04:47)
xxx:tsotra be izany ka "tsy ny soa ihany no azon-tsika avy amin'Andriamanitra fa ny ratsy koa" noho izany refa matoky azy ianao de avelao izy no hitantana sy itondra ny fiainanao fa izy no mahalala izay ahasoa anao e!:D
14. annie ( 14/10/2005 05:01)
zao aloha e! maninn enao io no miafina fa tsy miseho ho maha enao anao?
Raha misy zavatra angatahanao ka tsy @ finoana dia tsy hamaly anao velively Aa.Matetika mantsy isika olombelona dia tsianjery be le mivavaka fa tsy tena @finoana
15. pika ( 14/10/2005 05:15)
ny vola amankarena nga moa hanaraka anao rehefa maty
mandalo fotsiny ihany izany
tsy misy ray hanome vato mamay ny zanany raha mofo no angatahiny, ary tsy misy RAD hanome moto anao oh raha hita fa hampididoza anao koa izany
na ny fahafatesana aza dia hisaorana an'Atra
na io ianao salama mbola afaka miserasera io aza dia be lavitra noh izay harena omen'Atra anao
ary i Kristy irery no naharesy ny fahafatesana izay hatahoran'ny olona hafa izay lazainao fa mivavaka mahazo harena
ary ny harena azo @ireny fivavahana ireny koa anie ka azo @hatsembohin'ny olona e sy ny fametsifetsena e
16. bichette ( 14/10/2005 07:22)
tandremo fa ny "hery hafa" rehefa angatahana zavatra dia lafo be foana ny fidiny ary any aoriana any vidina lafo fona, misy fiatraikany ratsy foana
17. chipie1 ( 14/10/2005 07:43)
inn akia ilay "hery hafa " miafina ve ?::lol:
18. xxx ( 14/10/2005 08:06)
Herimiafina:

De aôna zany ry xxx raha misy olona mivavaka be hoe, ataovy latsahan'ny varatra i ra-Herimiafina, de voatery tsy maintsy hamaly anlé vavaka zany Andriamanitra?

mivavaka @ zavatra hafa (ankoatry ny finoana Kristianina)kosa angamba na atao koa hoe manompo zavatra hafa no manao izany fangatahana izany ka!
Misy mahalasa saina ahy kely ity: misy mahasamy hafa azy be ve ireto teny ireto: mivavaka (ampiasaina matetika eo @ finoana Kristianina)sy ny hoe manompo(ohatra fanompoana eny @ doany Andriamisara)?
19. bichette ( 14/10/2005 08:09)
chipie < ié
xxx > mivavaka sy manompo samiphafa amiko. Mivavaka - prier, manompo adorer, se fier, se mettre au service de ....
azo atao manko ny mivavaka fotsiny fa tsy manompo
20. xxx ( 14/10/2005 08:46)
bichette:

chipie < ié
xxx > mivavaka sy manompo samiphafa amiko. Mivavaka - prier, manompo adorer, se fier, se mettre au service de ....
azo atao manko ny mivavaka fotsiny fa tsy manompo

mivavaka sy manompo angamba no tokony ho izy...sa tsy izany?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.263