ahoana ity loza voajanahary lava ity e?

1. xxx ( 13/10/2005 08:45)
iza ianareo no efa namaky ilay boky hoe "le réscapé de l'enfer?" tena nahaliana ahy izy io ary raha tena marina tokoa de mahalasa saina ihany. Fa ny fanontaniana de hoe "sitrak'A/tra tokoa ve ny fisian'ireny cataclysme naturel ireny?
novalian'i balite06 ny 28/11/2005 12:45
2. ari.malala ( 13/10/2005 08:50)
za efa namaky an'io boky io, raha mitovy ny zavatra novakiantsika d resaka momba fivavahana izy io ê! tsy nisy fiantraikan mivantana tamiko aloha ilay izy satria marim-pototra ny finoako :) d ho valin'ny fanontanianao d hoy aho aminao hoe eny satria ny zavatra rehetra dia nataon'Andriamanitra ho @ fotoanany avokoa.
3. bichette ( 13/10/2005 08:59)
xxx > ny hoe sitrak'Atra na tsia, amiko manokana dia secondaire izany fa ny primordial amiko dia ny hoe : "famantarana avokoa ny fahakaikezan'ny fihavian'ny Tompo ve izao zavatra miseho izao" (matio 24).
sitrapon'i Tompo ve ? sarotra be izany ary sarotra ny mamaly izany satria hatramin'ny taloha dia efa notenenina isika fa hisy izao. efa tao anaty plan
Ny olona teto ambonin'ny tany tamin'ny andron'ny Noé talohan'ny koa anie izao talohan'ny nahadifota azy nanontany tena hoe "sitrapon'Atra ve izao ranonorana be izao"
4. xxx ( 13/10/2005 09:06)
za aloha efa ela ihany no namaky io boky io fa témoignage nataona prêtre iray tao Afrika tao izy io nandeha tany @ dimension hafa misy ny fanjakan'i Satana. Miresaka momba ny fanaovana sorona indrindra ny olona (tena mahatsiravina be) mba ahazahoana hery hanaovana zava-dratsy hatrany. Ny tena manitikitika ahy de izao (fa tsy resaka ara-pinoana akory): sao dia mila sorona olona be dia be kosa ary Satana sy ny tariny mba ahazahoana hery (pouvoir) be be kokoa hamotehana ny tany?
5. xxx ( 13/10/2005 09:15)
ari.malala:

za efa namaky an'io boky io, raha mitovy ny zavatra novakiantsika d resaka momba fivavahana izy io ê! tsy nisy fiantraikan mivantana tamiko aloha ilay izy satria marim-pototra ny finoako :) d ho valin'ny fanontanianao d hoy aho aminao hoe eny satria ny zavatra rehetra dia nataon'Andriamanitra ho @ fotoanany avokoa.

tsy miombo-kevitra aminao indray aho satria A/tra tsy mpamono olona ary tsy sitrany akory ny ahafatesan'ny ratsy fanahy! Fa misy antony hafa kosa angamba matoa ireny miseho...ANGAMBA Satàna no lohan'izao tontolo izao

6. bichette ( 13/10/2005 09:23)
xxx > mahatsiravina be. hatramin'ny taloha koa na tany Canana aza rehefa tena poritra ny vahoaka dia ny lahimatoa no natao sorona ho an'ny andriamanitra sampy "BAAL" kanefa Atra anie tsy tia an'izany e ! tsy sitrapon'Atra ny manao sorona ny olombelona, nangatahiny i Abrahama hanao sorona an'i Isaka HIJEREVANY HOE HATRAIZA NY FINOANI ABRAHAMA SY NY FITIAVANY dia nataony A l'EXTREME. ary Atra tsy mbola nangataka olona hatao sorona. Satana ihany no sahy manao izany. Din ! tsy tiko
7. bichette ( 13/10/2005 09:35)
xxx > marina
tsy miombo-kevitra aminao indray aho satria A/tra tsy mpamono olona ary tsy sitrany akory ny ahafatesan'ny ratsy fanahy! Fa misy antony hafa kosa angamba matoa ireny miseho


dia inona izany no eritreretinao ny amin'ny sodoma sy gomoro ? ny tamin'ny andron'ny Noa ? sarotra io, isika tsy Atra hitsara ny zavamisy. Atra no namotika dia hitsara anAtra zany isika hoe "tena tsy lasa ny ataonao, mpamono olona" :?::?::?: rehefa miteny Atra hoe "nisy horohorotany, hisy ady etsy si eroa sns" rehefa izany no tian'Atra sy ny ambarany dia zay zany. jereo i Noa, moa nimenomenona ve izy hoe "din ! iza koa no hanao sambo ? dia ripaka ve ny olondrehetra ambonin'ny tany ? tena tsy ekeko zany Atra o , fa ianao ve mba misy fo Atra?" (hi hi hi) tsy nanao an'izany izy fa na dia mety tena nalahelo aza i Noa dia nilefitra satria Atra mahay nahary izao tontolo izao mahalala ny ataony

tsy masika za an !
8. xxx ( 13/10/2005 09:35)
toa mahomby tokoa io fanaovana sorona io rehefa misy zavatra tiana ho atao. Asa ianareo raha mahalàla fa hay vao haingana ihany no tsy nisy intsony ny fanaovana sorona olona (atao hoe "lafika") any @ faritra Soalala (faritra andrefana) eto Mada. Nefa raha tsaroanareo de t@ andron'i Deba de misy fety be foana tany Soalala. Fomabn-drazana any @ io faritra io ny manao "lafika" ka raha tsy diso aho de nanomboka tany ho any @ taona 1990 tany ho any vao nitsahatra io fomba io...
9. bichette ( 13/10/2005 09:37)
xxx > manin manao xxx enao
10. xxx ( 13/10/2005 09:45)
bichette:

xxx > marina
tsy miombo-kevitra aminao indray aho satria A/tra tsy mpamono olona ary tsy sitrany akory ny ahafatesan'ny ratsy fanahy! Fa misy antony hafa kosa angamba matoa ireny miseho


dia inona izany no eritreretinao ny amin'ny sodoma sy gomoro ? ny tamin'ny andron'ny Noa ? sarotra io, isika tsy Atra hitsara ny zavamisy. Atra no namotika dia hitsara anAtra zany isika hoe "tena tsy lasa ny ataonao, mpamono olona" :?::?::?: rehefa miteny Atra hoe "nisy horohorotany, hisy ady etsy si eroa sns" rehefa izany no tian'Atra sy ny ambarany dia zay zany. jereo i Noa, moa nimenomenona ve izy hoe "din ! iza koa no hanao sambo ? dia ripaka ve ny olondrehetra ambonin'ny tany ? tena tsy ekeko zany Atra o , fa ianao ve mba misy fo Atra?" (hi hi hi) tsy nanao an'izany izy fa na dia mety tena nalahelo aza i Noa dia nilefitra satria Atra mahay nahary izao tontolo izao mahalala ny ataony

tsy masika za an !



Raha tsy diso aho de Noah sy Lota angeh mbola niady varotra t@ A/tra e! hoe raha misy folo marina ao de aza vonoina ny olona. Tsy nisy olo-marina intsony zany na t@ andron'i Noah (afa tsy izy 8 mianaka) sy t@ andron'i Lota(Sôdoma sy Gômora). Normal be raha maty ireo olona ireo satria mihoampampana ny faharatsian'ny olona rehetra (100%)
11. bichette ( 13/10/2005 09:51)
xxx> niady varotra i marina izany ary voasoratra anaty baiboly fa ni tiako lazaina dia hoe rehefa zay ny fanapahankevitra mafy ataon'Atra dia zay. Azo atao ny miady varotra, ny mifona sns fa ny teny farany dia Azy ary ny antony dia Izy irery no mahalala azy
:wink::wink:
12. xxx ( 13/10/2005 10:56)
Satàna ary ve manana fahefàna hampisy cataclysme? ahoana ny hevitrareo?
13. bichette ( 13/10/2005 12:15)
:{ mihoatra ny fisainan'i olombelona io e
14. xxx ( 13/10/2005 12:32)
raha kristianina de samy mahalala daholo hoe fetsy lavitra Satàna... fa ity koa misy mahalasa saina kely hoe afaka mahalala ny ao am-pò tsy miloaka ve ny devoly?
15. lalatax ( 13/10/2005 13:49)
Zà manana io boky rescapé de l'enfer io.De vao aingana ndray zà no namerina namaky io boky io. Izy io nge le resaka magie2 te-hanankarena sy te-ho sambatra ty e! De tsy maintsy manome takalony an'devoly, de zay le sorona takiany fôna.Ngà everinareo ho mora2 izy io?! Otran'le oe fahafatesana no tambin'ny ota.Fa zà aloa tena mino an'le tantara lazainy ao e.
Sady zao ry reto a: tsy de mahagaga lôtra raha mivadika ny globe fa efa miaratsy zao andro zao ka ny andro azo anaovantsoa sisa no araraotina. Sa aôna?! Andro farany oy ny olona zay
16. xxx ( 13/10/2005 13:55)
xxx:

iza ianareo no efa namaky ilay boky hoe "le réscapé de l'enfer?" tena nahaliana ahy izy io ary raha tena marina tokoa de mahalasa saina ihany. Fa ny fanontaniana de hoe "sitrak'A/tra tokoa ve ny fisian'ireny cataclysme naturel ireny?


Marin'io de vakio koa nge ny apokalipsy iray manontolo da ho itanareo fa mety efa mamaraparana an'ty monde ty ngamba Andriamanitra koh!
Sa aôna no hvtrareo? fa ny ahy de zany no zvtra tsapaka voalohany refa nandinika.
17. xxx ( 13/10/2005 14:03)
lalatax>sao de izaho ary no tsy mahatadidy tsara ny ao anatin'io boky io fa ny tena votoatiny de hoe: nisy namono ny rahalahin'ilay mpitantara de nandany ny androny nikaroka izay meloka izy. nandeha tatsy sy taroa nanao izay fomba ahafantarany ny namono ny rahalahiny de taty ahoriana nifanena t@ pretra italiana iray ka hoy io: hoentiko ianao hampisehoako ny tena marina hoe iza no namono ny rahalahinao. De nanomboka teo ny fifaneraserany sy ny fampiasany magie isan-karazany sy ny fandehanany tany @ dimension hafa. raha tsorina izany de io pretra italiana io no nampianatra azy ny fifandraisana @ hery hafa izay mbola tsy fantany. Fa raha tena marina tokoa ny voalaza ao anatin'io boky io de izay mihitsy no mahatonga izao loza rehetra etsy sy eroa izao
18. ari.malala ( 13/10/2005 14:57)
ny tena marina momba io boky o d fanaratsiana ranoiray ny finoana sy ny fivavahana Katôlika e!
19. sonwin ( 13/10/2005 15:53)
- boky le rescapé de l'enfer> angano noforonina mba hitaritana olona
- ny loza voajanahary,trangan-javatra efa nisy hatrizay nahariana izao ntontolo izao ireny fa tsy vao izao akory,resaka natiora fotsiny amin'izao.Raha misy orana avy be ohatra tsy Atra na ny devoly no nanao azy fa vokatry ny tranga maro samihafa eo amin'ny ntontolo.
20. routa ( 13/10/2005 16:10)
amiko aloha ny tranganjavatra tahak'ireny efa fanairana e! aiza ve ka orana , orohoro-tany ka! aretina na ny sakafo hanina avy efa mila tsy azo hanina ny hafanana raha tsy zany mangatsika be .aleo asiana fandinihan-tena isan-andro fa raha zaho aloha de mba manontany tena tokoa hoe ahoana aho mba vita homana ve fa de marina le ten'ny namana ery ambony hoe efa voalaza mialoha ireny zany hoe fanairana e!hoan'izay mino e!ny fisianiJESOSY sy ny miandry azye!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.447