Ny fahefana Politika

1. LazaRandri ( 05/10/2005 01:58)
"Tsy misy fahefana raha tsy avy amin'Andriamanitra" hoy ireo mpanao politika :) . Ahoana ny fandraisanao ny dikan'izany?

Satana koa dia nomen'Andriamanitra fahefana, saingy iaraha-mahafantatra ny ampiasainy izany fahefana nomena azy izany :twisted:
Nisy ireo nomena fahefana ka nampiasa ny fahefany sy namantsika an'i Kristy teo Kalvaria. :twisted:

Sitrak'Andriamanitra daholo ve izay rehetra manam-pahefana? :)
novalian'i bichette ny 12/10/2005 06:25
2. routa ( 05/10/2005 11:35)
de ahoana ilay hoe fa Izy no mametraka ny mpanjaka sy manala azy ?
3. Lalakely ( 05/10/2005 12:11)
dia ho sanatria ve ho sitrany matoa izy tsy miteny hatramin'izao?
4. goga ( 05/10/2005 12:25)
Tandremo ! Tsy mety mihitsy ny mitsongotsongo ny teny voasoratra ao amin'ny Baiboly lasa mandika vilana isika.
5. LazaRandri ( 05/10/2005 21:50)
"Efa nomena ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany" hoy i Jesoa. Izy no tompon'ny fahefana feno, kanefa koa dia nomeny fahefana daholo isika tsirairay, ary na i Satana koa aza.
Saingy izany akory tsy midika hoe ankasitrahan'Andriamanitra avokoa izay rehetra ataontsika. Noho izany tsy natao fialokalofan'ny fahefana politika sy fanamarinan-tena ny hoe "tsy misy fahefana afa-tsy avy amin'Andriamanitra".
6. Bibilava ( 05/10/2005 22:39)
Noho izany tsy natao fialokalofan'ny fahefana politika sy fanamarinan-tena ny hoe "tsy misy fahefana afa-tsy avy amin'Andriamanitra".
Revolisionna be izany teninao izany klé.Azo ary tokony hatao mihitsy izany ny manao politika koh!

Misy nefa kristianina tsy manao politika mihitsy,fa fahotana hono.Mba mahagaga ihany!

Raha nampiharina taloha io politikanao io dia tsy ho afa-nialokaloka tamin'ny kristianisma ny regime hitlerien.Io Théologie n'ny apôtre Paul io ihany mantsy no mahatonga ny chrétien hiandry donàka fotsiny izay handrodanan'i Kristy ny regime iray.

Rehefa tsy mahandry intsony ny gasy kely tany Dago (2002),dia rafitra ihany hatramin'ny "fifohazana" nanao filaharam-be teny ambava-basy.Tsy natoky an'i Kristy sy ny Fnahy masina izany ry zareo fa naleony izy mihitsy no nisedra ny fahafatesana.

Fa hono ho aho e:nahoana ianao no sady tsy dada no pasy? Nefa ny fahitàko azy dia toy ny olona tonga eto ianao hampianatra fa tsy hianatra?Ny problemako mantsy dia tsy dia tiako ny fomban'ny temoinan'i Jehova tonga aty an-tranoko.(ils savent tout,je ne sais rien-ils ont tout,je n'ai rien-Ils ont tout a me donner,mais ils n'ont rien à recevoir de moi...).
Ny zavatra ohatr'izany amiko dia tsy discussion fa fampianarana,ary raha fampianarana dia mba andraso ny olona haniry ny ho ampianarina.Toy ny misy fiavoavoana ao aminao,aleoko aho no diso raha miteny izany.
(misaotra dadapasy)
7. LazaRandri ( 05/10/2005 23:10)
Fanontaniana manitikitika: mahazo teny Gasy ve i Bibilava? :)
8. sonwin ( 06/10/2005 14:43)
marina ny voalazan'i Bibilava:)
9. jentilisa ( 10/10/2005 13:09)
resaka temoin ve izy ity sa resaka politika e?
10. sonwin ( 10/10/2005 14:05)
tsy hay intsony
11. sonwin ( 10/10/2005 14:06)
tsy hay intsony
12. jentilisa ( 12/10/2005 05:11)
Misy ilay teny manao hoe Andriamanitra no tokony ho ekena mioatra noho ny olona. Koa raha mifanohitra amin'izay sitrapon'Andriamanitra ny ataon'ny olona indrindra fa ny mpitondra dia tokony ho fantatry ny kristiana ny zavatra tokony hataony, noho io teny hoe Andriamanitra no tokony ekena mihoatra noho ny olona io.
13. xxx ( 12/10/2005 05:41)
le fisainana efa vosasa taminy hoe:
- aleo alan'andrina toy izay alam-bahoka.
- la voix du peuple c'est la voix de dieu, na manompo sampy aza ny peuple.
14. bichette ( 12/10/2005 06:25)
jentilisa ié
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2373