Vady tsy avela mandefa vola any dago

21. xxx ( 05/10/2005 18:42)
raha ny hevitro indray aloha vao avy tany dago aho zao 1 mois fotsiny aho no nijanona tany fa efa leo be aho, sady lany ny volako no mangataka doly zao olona rehetra izao ny sasany indray midongy ny hipetraka aty,zaho aloha ra ny fanampiana olona any dago no lazaina de efa nanao be aho,efa miady mivady mintsy ato an-trano fa tsy rarahako zany ianao ve aty efa tsy dia misy adidy atao sala ny ao tanà dia mba zany no mba anjara adidinao dia ataovy any fa tsy mahafatiantoka,sur tout fanafody lafo velona mba andefaso zareo, nefa ny fiainandry zareo any tsy misy fiovana fa ny eo ihany ny eo,fa ny olona any de mampalahelo isika aty aza tsy mba ory sakafo zany fa ry zareo any ra vao tsy mivarotra na tsy haiko reny asa tanana ireny de tsy misy ohanina mitsy ao an-trano,zao aloha de tsy te hiverina any indray ra tsy ela be aleo mandefa fanampiana fa mijaly ireo havantsika any.
22. miserana ( 05/10/2005 19:10)
ny vola tokoa dia azo alefa raha mbola misy ambom-bava ary koa misy antony hita fa mety ilaina sy mahasoa ny rehetra. Ny aty marina ange raha manao economie kely ianao dia efa volabe izay any Dago koa inona moa re ny olana raha mba afaka manampy ny any antanana e.
23. xxx ( 05/10/2005 19:23)
ry randriana kou dia manao firesaka olona matikambo , tsy hitako ze itenenana tati sy sakafo mauvaise qualité , rehefa zay no tiany akory hatao ...
24. ravakamalala ( 05/10/2005 19:33)
Maninn marina lé tati sy sakafo mauvaise qualité ? 8O
25. Herimiafina ( 06/10/2005 02:14)
Inn zany tati zany?
26. lilbon ( 06/10/2005 05:40)
nareo koa mampme e!
aiza no misy fiainana mora ???
na any an-dafy na aty samy sarotra angamba no filaza azy e!
saingy samy hafa fotsiny !
qualité sakafo sy fiainana ve ? arakaraky le mode de vie fotsiny ,misy qualité tsara koa aty dago aty an !
fa izy fotsiny tsy misy label .
any mikarama 3000 na 4000 euros fa dejeuner 1 moa ôtrinn 5euros ve ny kely indrindra
aty indray 2M karama fa dejeuner 8 000 moyenne .
ataovy ny rapport !,?mitovy foana :*:*
27. sasa ( 06/10/2005 07:45)
lilbon fa na izany aza anie lesy le aty dago koa anie rehefa hoe manana havana any an-dafy izay ka mizesta e, tsy mahalala tsy misy mintsy fa menatra ny manodidina d manao izay fomba rehetra hazoana vola am le havana nefa ny ankizy any andafy kou anie mba sahirana ihany e, asa aloha e. raha ny marina le aty Dago tokony mba hiezaka, raha mandefa vola ny havany avy any andafy tokony tsy holaniana amin'ny tsy misy dikany le vola fa mba miezaka mitady zavatra hampitomboina sy hampiasana azy fa tsy faly mandany fotsiny, ny any andafy indray rehefa mandefa vola d tokony mba hijery tsara fa manjary very ho azy fotsiny ny vola. Sady misy ny ankizy aty tsy miasa mintsy rehefa hoe: ny zokinay any an-dafy e, ny tonton anay any an-dafy, d miandry fanampiana fotsiny sisa.
Marina aloha fa tsy hanenenana le mandefa vola aty satria hoe sahirana aty nefa izany aza mba diniho tsara ihany kou fa misy tena mandany vola am tsy misy dikany fotsiny.
28. vale ( 06/10/2005 08:12)
izaho manokana aloha mbola tsy nahita "cas" ohatr'izany é! Fa @ maha-vhv ny tena dia maharary kely ihany satria noho ny fahatahorana an'ilay vhv handefa vola dia tsy omena vola mihintsy izy!!!Dia ilay lhl mihintsy izany no mandeha manao ny "courses"sns...Mahavatra kosa izy koa !Raha izaho no teo @ toeran'ilay vhv dia mba lasa miasa koa aho!Izay ihany ny fanafodiny!
29. vegas ( 06/10/2005 08:18)
zany tsy mandefa vola zany mbola eo ihany, fa misy aza tsy mahazo miantso telefonina any akory. Tsy aleo ve misaraka sa aona ozy nareo? Efa trop zany amiko.
30. vahiny2004 ( 06/10/2005 08:20)
resaka sarotra be ny vola e :
- raha ny fitiavana ny ray aman-dreny sy ny vali-babena dia mba tokony hatao ihany ilay izy

- araky ny lalàna dia tokony hanampy ny ray aman-dreny ny zanany raha toa sahirana izy (mihaino tsara daholo ve ireo izay misoratra rehefa mamaky ny lalàna ny Ben'ny tanàna rehefa misoratra ?)
...

fa misy koa ny mpanararaotra , arak'io voalazan'i sasa io : mitango vola eo an-jaridaina rizareo any an-dafy dia mangataka fotsiny ny any Dago dia mahazo e .

Vahaolana ihany koa ity : raha miasa ramatoa dia mety hafa ny fandehany
31. xxx ( 06/10/2005 08:46)
nareo wa aza refa any de aza mieritreritra foana we mianjy vola avy any zahay aty ! tssss
:twisted::twisted::twisted:
32. xxx ( 06/10/2005 10:38)
eny wa ry xxx. zako azany zao hain'i dadanay sy neninay we efa miasa ato @ univ - de nefa ry zareo mbola manontany ihany we misakafo tsara enao any - inn no laokanao - ampy ny vola ... izy rehetra e, nefa anie ny fiainanay tao an-trano tany Dago dia tena tsy ... tsy ampy e!
tsy miandry vola (daholo) ny oll any - fa izay vita no atao.
33. fasaly ( 06/10/2005 15:28)
libon kosa aky e! ny croissanr iray ao amy colbert aza zao no 6000fmg ny iray kou!kikooooooo!
34. fasaly ( 06/10/2005 15:30)
vegas:
bien sur! d'efa nisaraka ela tokoa mou zany efa jobilimpisarahana mintsyaza angamba:twisted:
35. ravakamalala ( 06/10/2005 22:07)
za kou aloha hanaraka ny dian i Fasaly sy vegas raha izaho no tratran izany e!

Tsy mampaninn ahy ny hoe andeha hiasa aho andefasako vola any Dago ho any havako, fa raha ny vadiko kosa no manana fisainana hoe tsy te hahalala ny havako, nefa zareo sahirana dia hoy aho e : Ndao fa lalana rakoto ka malalaka ny varavarana a!

tsy dia ny volany loatra no ilaiko fa ilay fisainana no tsy laitrako e!
36. lilbon ( 07/10/2005 07:21)
fasaly>ka tsy ao amy colbert rery no misy croissant anie e
eo amy shoprite de efa 3000fmg ny iray
de eo analakely misy le 500fmg hihihi
de in11 mbo^atao gasyfomo hihihi
37. vale ( 07/10/2005 08:32)
hay koa misy an'izany hoe tsy mahazo miantso any Dago? Eee, raha izay koa dia vao mainka loza! Sarahana izy no fanafodiny ! Marina é!Efa tsy fitiavana ilay fianaknavian'ilay vhv mihintsy kay ny azy! Mba tsy mety kosa izany é!
38. fasaly ( 07/10/2005 15:06)
libon:
hihihi ka ao anie matsiro be e! hihihihi:wink:
menakely kou mlay be ka tiko be, na mofogasy na manonaka hummmmmilela-tanana mintsy raha izay injay alony de tena .....
39. Herimiafina ( 07/10/2005 19:39)
Efa hoe inn hoa zany tati zany? hehehehehe:-D
40. fijo ( 07/10/2005 20:40)
amiko i radriana sy sasa ary yonika dia,mahafehy tsara ny resaka momba io fandefasana vola avy aty io.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3599