i Goga sy Magoga

1. LazaRandri ( 04/10/2005 04:54)
Ahoana ny hevitrao momba ny adin'i Goga sy i Magoga, sy ireo firenena miaraka aminy voalaza ao amin'i Ezekiela 38 sy Ezekiela 39?

Iza i Goga, iza i Magoga dia iza ireo firenena ho entiny hanafika an'Israely?
novalian'i lapino ny 20/11/2005 15:11
2. xxx ( 04/10/2005 08:42)
Ny oha-teny hita ao anatin'ny baiboly de milaza daholo ny ady ifanaovan'i Satàna sy A/tra. Ny ady misy eo @ tsara sy ny ratsy fa tandremo Fa Satàna manana fahefàna goavana be! Avelan'A/tra koa izy hanampatra ny heriny faramparany fa de samia misaintsaina e.
3. routa ( 04/10/2005 11:42)
otrany teny efa henoko hiany io anarana io fa ny hoe iza tsy haiko raha tsy diso aho any @apokalipsy any nefa ahitsionareo aho raha diso ary mba te ahalala koa na ny tenanay aza
4. LazaRandri ( 05/10/2005 01:32)
Routa,
Ezekiela 38 sy Ezekiela 39 no resahina eto
5. routa ( 05/10/2005 11:33)
ayy! andraso hoe mba hojereko
6. jentilisa ( 05/10/2005 12:57)
Anarana tsy dia fantatra loatra midika hoe vahiny tsy fantatra na tsy nahafantatra an'Andriamanitra!
7. LazaRandri ( 06/10/2005 06:13)
i Goga hono olona mpitondra an'i Magoga (Russia), ireto ny firenena tarihiny hanafika an'Israely: Turkey, Sudan, Iran, Egypt, Ethiopia, sy firenena arabo hafa.

Iza no mahalala ny fahamarinany na ny fahadisoany?
8. routa ( 07/10/2005 14:29)
kay !raha tsy nazavaina tsy haiko tokoa
9. jentilisa ( 10/10/2005 13:19)
Goga sy magoga samy misy teny hoe goga mazava loatra. Ny teny hoe Goim amin'ny teny hebreo anefa midika hoe jentilisa (hafa firenena) ireo. Izany hoe ny apetraky ny jiosy ho karazana fahavalo na olona tsy madio moa izany e!
10. lapino ( 20/11/2005 15:11)
goga = Goim :?:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.257