Fanandramana divay.

1. Herimiafina ( 04/10/2005 00:00)
Inona no tokony hatao rehefa mi-komandy divay any amin'ny retaurant iray? Andeha isika hifanampy hiara-hianatra eto, ka izaho no mandroso ny hevi-dehibe dia nareo manampyeo fotsiny:

DEGUSTATION: Fampiasana ny 5 sens.
Mandraraka divay kely ao anaty ilay coupe nao ny servera.
1- Jerenao aloha ny lokony, tarafinao amin'ny jiro kely.
2- Manoroka ny fofony ianao, atao indroa izany: vera tsy mihetsika, sy vera nahotsakotsana kely. apprécier-nao ny fofona miala avy ao (voninkazo, na bouquet).
3- Manadrana kely ianao ary haontsakotsan aao anaty vava izany somary maka rivotra kely manarak,izay mihaino tsra ny ato hoe odeur buccale.
4- Izay ianao vao miteny ny servera hoe haka ilay divay na tsia, mety aminao ny gout-ny na tsia.

Matetika mantsy hitako any Dago na ao amin'ny Hilton aza ka gasy no mangataka divay dia tonga dia serviavan-dry zareo tsy misy degustation akory.
Mila mahafantatra ny fomba izany isika ka izay no votoatin'ity takelaka ity.
(mbola hitohy).
répondu par ari.malala le 07/12/2005 11:37
2. cutie ( 04/10/2005 00:13)
za tsy mahita tsony , fa toa efa voalaza reo daholo izy zany :roll:
3. Herimiafina ( 04/10/2005 00:39)
(Tohiny)

Ny vin rouge miaraka amin'ny hena.
Ny vin gris miaraka amin'ny fruit.
Ny vin blanc miaraka amin'ny fruits de mers sy fromage, sns.
Ny vin rosé....
Ny vin doux....
Ny vin mousseux......
Ny champagne.....
Ny Cognac.....(digestif)
Ny Armagnac.....(digestif)
Ny Liqueur.....(digestif)(tohizo).
4. klemntina ( 04/10/2005 05:45)
vin rosé matetika ampiarahana @ brochettes dia sotroina frais tsara
vin cuit atao apero(porto...)
vin blanc tsy miaraka @ fromage vin rouge no alaina
5. xxx ( 04/10/2005 08:32)
ehhh...fomba vazah daholo izany tsy hainay gasy kely fa misaotra mampianatra e! ny anay mantsy de ny toaka gasy na ny betsabetsa no revena any ambanivohitra any. De iza aminareo no efa nihinana betsabetsa vita @ akondro? milay koa izany an, sady manitra be. Tsy misy fombafomba ny degustation fa samy manapaka ravin'akondro atao "cornet" de samy mankafy eo daholo.
6. Lalakely ( 04/10/2005 10:07)
miombon-kevitra amin'i xxx aloha aho amin'ny maha vazaha b an'ireo fomba ireo, kanefa tsara ho hay ihany satria manantena aho fa ts hoany anaty bozaka toy izao foana ny Malagasy. sa amin'izay vao hamorona fomba na hianatra fomba hafa?
7. xxx ( 04/10/2005 10:59)
ny gasy koa angeh ka manana ny fombany rehefa hisotro zavatra maherihery...ohatra hoe ilay manome kely ny razana aloha (fantatry ny rehetra io. Ary tsy fantatro na ny gasy rehetra no manana ity fomba atao hoe "manasa vera" ity fa hitako tany ambanivolo be tany @ faritra atsinanana tany izy io alohan'ny hisotroana toaka rehefa vory ny mpianakavy.
8. Herimiafina ( 04/10/2005 13:13)
Ethique de terroir daholo izany. Na aty andafy aza misy fombafomba toy izany koa. Misy aza ilay araraka ao anaty koveta ny toaka dia sotroina amain'ny tuyau kely dia samy manana tsirairay avy.
Fa alohan'ny hisotroana aloha dia mandrehoka ao anaty koveta ilay Ray amandrenibe ao antanana. hehehehe.:-D

Betsabetsa akondro? Vaovao amiko. Asiana hafatraina koa ve?
9. Herimiafina ( 04/10/2005 14:39)
Za alou mankafy divay e, tiako mihintsy le any Fianar ireny feno vignoble sy fanaovana divay, mpidegusta tany zah fahiny tamin'ny mbola tanora be. hehehehe:-D
10. chipie1 ( 04/10/2005 15:16)
nenà le vin blanc montbazillac no mba tiako:-P
11. Herimiafina ( 04/10/2005 15:20)
Nenah njay le vin rouge Chatô Margot no tena ankafiziko. hehehe
12. cutie ( 04/10/2005 18:49)
ny ahy njay semillon blanc no tena tiko.
chipie1, hojereko io an-jy io raha misy aty :)
13. Herimiafina ( 04/10/2005 20:30)
Fa tsy misy tena mba reviko ôtsan'lé vin d'ananas an'i ry Mac et Frera e. Manitra any zany, le clos malaza zany e. hehehehe:-D
14. cutie ( 05/10/2005 02:54)
iza kou zany mac et frera
15. Herimiafina ( 05/10/2005 05:52)
Bandy metisy sinoa tompona indostria ao Fianarantsoa ao. Tadidinao ny vins des bons Pères taloha, an-dry zareo ny vignoble ankehitriny ary mamokatra divay izay hamidy hatrany amin'ireo nosy manodidina an'i Madagascar ry zareo.

Manana exploitation agricole ferme glady be ao Andoharanomaitso ao Fianar izy, concurent potentiel ny mpanao divay any Dago sy ny manodidina.

Ny rahalahin,ileiry toa efa maire tao Fianar tao raha tsy diso ny information azoko, hehehehe:-D
16. mandrindra ( 05/10/2005 15:50)
Herimiafina:

Inona no tokony hatao rehefa mi-komandy divay any amin'ny retaurant iray? Andeha isika hifanampy hiara-hianatra eto, ka izaho no mandroso ny hevi-dehibe dia nareo manampyeo fotsiny:

DEGUSTATION: Fampiasana ny 5 sens.
Mandraraka divay kely ao anaty ilay coupe nao ny servera.
1- Jerenao aloha ny lokony, tarafinao amin'ny jiro kely.
2- Manoroka ny fofony ianao, atao indroa izany: vera tsy mihetsika, sy vera nahotsakotsana kely. apprécier-nao ny fofona miala avy ao (voninkazo, na bouquet).
3- Manadrana kely ianao ary haontsakotsan aao anaty vava izany somary maka rivotra kely manarak,izay mihaino tsra ny ato hoe odeur buccale.
4- Izay ianao vao miteny ny servera hoe haka ilay divay na tsia, mety aminao ny gout-ny na tsia.

Matetika mantsy hitako any Dago na ao amin'ny Hilton aza ka gasy no mangataka divay dia tonga dia serviavan-dry zareo tsy misy degustation akory.
Mila mahafantatra ny fomba izany isika ka izay no votoatin'ity takelaka ity.
(mbola hitohy).


ILay hoe ahotsana ao antin'ny vera angamaba atoko hoe ahodina manaraka ny molotry ny vera ny divay. Misy antony roa io : ny voalohany dia mba ahafahan'ny fofona mivoaka tsara (na mi se libérer hoy ry zalahy), ny faharaoa dia hijerevana ny fomba firaraky ny tasy kely navelan'ny fanadalovan'ny diavay tamin'ny sisin'ny vera (na larme).
Tsy ahotsana ao ambava koa ny divay fa ampadalovina amin'ny faritra maro amin'ny lela. Misy faritry ny lela mahery kokoa amin'ny fahafantarana ny mamy, ny marikivy sy ny sisa.
17. mandrindra ( 05/10/2005 15:52)
chipie1:

nenà le vin blanc montbazillac no mba tiako:-P

Ny Sauternes sy ny Loupiac ary ny Sainte Croix des Monts koa mitovitovy amin'io Montbazillac io.

18. Herimiafina ( 05/10/2005 16:27)
Favy kou ty mandrindra ity an.

Hono ho aho, inn le gout de liège indray?
19. xxx ( 06/10/2005 08:10)
de tsisy fantatro izany karazan-divay lazainareo zany...fa ilay betsa vita @ akondro tena misy ka! sady manitra be, tsara be ny tsirony. Ny larony hanaovany azy tsy de haiko loatra fa iny faritra atsinanana (Farafangana, Vangaindrano,Antsalova, sns)iny no tena be mpanao azy. Misy karazana akondro tsy fahita any andrenivohitra mihitsy any (karazany maro) hanaovandrizareo azy.
20. mandrindra ( 10/10/2005 12:54)
ny goût de liège dia aoka tsy ho afangaro amin'ny tsirona bosoa, fa tsiro hafakely manakaiky ny bobongolo (moisi) izy io. Mazava ho azy fa misy fofona bobongolo ihany koa ny divay amin'izay.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7454