Inona no mety antony amitahan ny lehilahy ny vadiny?

1. Dixie ( 02/10/2005 20:41)
Hono ho aho ry zalahy: dia hoe tena malemy ve ny nofo sa dia mety fanahy iniana indraidray?
2. pika ( 03/10/2005 05:02)
mety ho fanahiniana indraindray
za zao mahita vehivavy kizitina,mpivazavaza eny imason'olona, ..... nefa tsy mahakarakara vady koa, sarotra tiavina , ilay lhl aza no mahandro sy mampiritrano... toa maniraka ny vadiny hitady hafa
3. xxx ( 03/10/2005 08:28)
Io arakaraky ny lhl tsi11. Misy marina ihany koa nefa ny voalazan'i pika oe misy ndraindray le ataon'le vady no mampahatonga anle lhl hitady any ankafa.
Fa za klou mahita oe malemy ohatran'ny fitenin'Dixie azy ny lhl sasantsasany e!
Satria misy ny lhl raha vao mahita film X na misy zavtr hafahfa kel fotsiny d efa T zany le bandy. Tonga d vel oazy eo ny azy e!
Hi hi hi Hors sujet b v za?
4. fasaly ( 03/10/2005 08:29)
misy zavatra mank ao tsy hita amilay partenera de mila mitady iny any ivelany izy de izay no antony no fahitàko azy, amiko alou....
5. rongatry ( 03/10/2005 09:10)
Misy ny MANK tokoa e, ny olombelona tsy ho àary tonga lafatra : tsy ho ananan'ilay vehivavy vady daholo ny hatsarana rehetra, ny fahalemen'ny tsi-1-1 koa etsy andaniny ; fa rehefa mba mameno an'io any an-kafa elisany dia ataovy mandalo fa aza apetaka lakôly, fa manimba zavatra be, indrindra refa misy zaza.
"tsy hoe tiako izy ka nofidiako, fa nofidiako izy ka tiako" hoy i Ainga e !
6. pika ( 03/10/2005 09:48)
ny tena fitiavana no banga ka mahatonga izany koa
mety hoe tsy tena fitiavana no nanambadiany an'ilay vadiny
ny matetika mitranga mantsy dia toa voaterin'ny fianankaviana ny lhl matetika ny hoe atero ny vodiondry fa mahamenatr'olona, sy ny hoe ataovy ny mariazy fa isika kristianina nefa ilay fitiavana tsy mbola tsara sedra akory
dia rehefa misy blème kely dia azon'ny fankampanahy malemy ny nofo hoy ianareo
7. vahiny2004 ( 03/10/2005 14:45)
fahelemen'ny nofo angamba : tsy ary ho hita ao @ vehivavy 1 daholo ny toetra tsara rehetra , nefa vehivavy iray ihany no vadinao
8. fasaly ( 03/10/2005 17:48)
tsy ny vehivavy ihany fa eo amy lehilahy kou ka!
9. Dixie ( 03/10/2005 17:49)
Raha izany izany no izy dia hoe tena mety tia ny vadiny ihany zany ny lehilahy jomaka 1 fa dia hoe sendra nisolafaka kely fotsiny e?! Dia ra misy vvy manao toy izany koa ve zany dia sahala ny andraisana azy!
10. Herimiafina ( 03/10/2005 23:29)
Miasa be loatra le testosterone e.
Isaky ny adiny iray ny cycle raha ela indrindra de reconstitué njay ny armée de rezerva de lasa indray zao.

Karakter male segondera daôlo zany, izay no ilana anlé manambady fa manjary lasa manimba zanak'olona fotsiny. :-D:-D:-D:-D
11. vahiny2004 ( 04/10/2005 09:50)
Herimiafina >>> marina izany nefa tokony tsy hadinonareo lehilahy fa "olona" nareo , dia tokony afaka mahay mifehy tena fa tsy mitovy @ ilay mandeha tongotra 4 irony
12. vivi ( 04/10/2005 10:44)
io koa anie tsy voatery ny lhl rehetra anie ,fa voamafy zay tsy mahatandrina ny tenany koa raha izany!!,
13. xxx ( 04/10/2005 11:05)
tsy fahafehezana saina ihany no mahatonga an'io
14. Herimiafina ( 05/10/2005 06:05)
Eo ny tsy fahafehezana saina fa eo koa ilay fakampanahy e.

Ny fijangajangana dia ataon'olondroa fa tsy le bandy fotsiny. (na le bandy manambady na le sipa manaiky miaraka aminy).

Ny alika hono mifatotra fa asakasak'ireo izay mbola voakaikitra ihany io.

Izay le fakampanahy, tsy ny olona no mande mitady fakampanahy fa le fakampanahy no manantona.

Avereno ny "moraly" taloha dia hilamina io. Halalahana daholo mantsy izao zavatra rehetra izao ankehitriny hany ka omena justification daholo zao ratsy rehetra izao.

15. estine ( 05/10/2005 13:55)
fanahiniana na dia eo aza ny fakampanahy izay hialokalofantsika lela fona.ra tena tina le vady tsy ampirafesina 'zany mitsy .8)8O
16. Herimiafina ( 05/10/2005 14:01)
Indrisy mantsy fa milaza tia vady daholo izao lehilahy mampirafy rehetra izao ry estine, torak'izany koa ny vehivavy mampirafy.

Ary raha sendra tratra izy ireny dia izy ireny indrindra no tsy manaiky sarahana avy eo ary mibaradaka mandoalika amin'ny tany mihintsy.
17. fasaly ( 05/10/2005 17:36)
ka lay fampirafesana kou nge njainjay manamafy orina lay tokantrano ny mpivady e! vao maika mi sakrosy refa misy an'izay
18. Herimiafina ( 06/10/2005 01:58)
Midika ve zany hoe, fasaly zany tena tia mampirafy be mahintsiny?
19. Dixie ( 06/10/2005 17:30)
Dia tena zaza tia kilalao foana izany ireto bandy ireto fa dia ny kilalao fotsiny no miova an! Tokony hampihomehy ary izany sa tokony ampitomany?!
20. menakely ( 07/10/2005 11:59)
salut,
Fasaly ah,taloha angamba zany fa tsy @ zao intsony,
tsy mipasy aty @ko zany fampirafesana zany, ary zany no atony tokony mba hiasany vehivavy rehetra mba hanana ny maha izy azy fa tsy mila manambitamby lava na mangatandava na milelaka faladia lava.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6616