ZAZAKELY LAVA VOLO

1. rongatry ( 01/10/2005 12:02)
Mahasalama sa tsia ny zazakely 8 taona ny volony lava be hatrany @ valahany ?
Mba valio raha misy dokotera na hafa afaka manampy, sao dia tokony ho tapahina ilay volony ; lazain'olona fa hoe tsy mampitombo azy hono.
Misaotra.
novalian'i rebosa ny 07/10/2005 11:24
2. xxx ( 01/10/2005 13:42)
de tena efa tsy mahita lazaina tokoa ve no de manao resa-be otr izao ,,? tssss,
3. rongatry ( 01/10/2005 13:59)
Matoa manontany azafady dia mila ampiana, toy ny olona rehetra mba mila fifandraisana, tsy mahatsiaro tena manao resabe sanatria.
Tsy nampoiziko ianao ra-XXX no hamaly toy izao, nataoko fa olo-manam-panajana. Misaotra ihany @ lay tsikera e !
4. xxx ( 01/10/2005 15:05)
izao aloha no mba fantatro e, raha manify loatra ny volon'ny zaza de tokony ho tapahina matetika @ izay mihamatevina. mety ho tsy mampitombo tokoa aloha satria mi-gêner ny fiainany ilay volo lavabe. mavesatra angeh io manao volo lava io, ary na olon-dehibe aza de tsy mahazàka manao volo lava be. Hita izany rehefa mafàna ny andro sy rehefa misy maharary iny.
5. Herimiafina ( 01/10/2005 15:15)
Tokony hotapahina ny volon'ny zaza sao dai mafana loatra ny lohany rehefa fahavaratra ka mety hampifanintona azy izany.

6. xxx ( 01/10/2005 15:27)
raha vao misotro kafé tsy mety ho voan'ny fanintona izany mihitsy, tena marina io an!
7. lanto ( 01/10/2005 15:42)
rongatry> ny xxx tsy olona tokana fa ianao aza dia mety ho xxx rehefa tsy mampiseho pseudo :)
8. fanaina ( 01/10/2005 16:18)
ringatry>tapaho ihany re fa aza hatao fohy kely laotra koa fa hataovy @ alavany ho sahaza azy fotsony!!
9. rongatry ( 01/10/2005 16:36)
Misaotra daholo e !
Tsy maintsy ho tapahina ihany zany ilay volo.
Io Rongatry io dia tena anarako fa aza manao an'izany Ra-XXX an !
10. scorpion ( 01/10/2005 19:51)
ambany soroka somary mihoatra kely antonona ho azy.Raha lava loatra dia hitarika areti-maso afaka taona vitsy.
11. majakely ( 02/10/2005 13:44)
pfff! mandainga koa ireto!
12. bichette ( 03/10/2005 06:52)
raha hatraminy halavany kosa atsy mety fa au moins eo amin'ny taille. Misy marina ihany ka ! lasan'ny volo ny vitamine
13. chipie1 ( 03/10/2005 07:30)
ka tsotra sa ngitangita lé volo ? raha mibofaka be kosa ratsy taré ka !
14. Herimiafina ( 03/10/2005 23:42)
Misy fotoanany ny fanaovana lavavolo ary misy toerana fa tsy taotao etsy sy eroa na mandavantaona.
15. bichette ( 04/10/2005 09:12)
raha tomady tsra ilay zaza tsy mitako ny olana fa amiko aloha aleo tapahana au moins eo aminn'y valahana satria lasa ohatran'ny "kalanoro" indray raha lava volo loatra ny zaza
16. Veloo ( 04/10/2005 14:02)
bichette a ie marina io mety lasan'ny volo doly ny vitamine... raha any dago dia tapaho kely fa raha any an-dafy ilay zaza tsssssss aza tapahina ry reto a betsaka ny vitamine azony ho hanina knou.... tsara ery anie izany zaza kely lava volo zany e... mety misy mahita ny vazaha dia ataon'ny lasa "modele" ilay zaza an ..... ampisehoy ihany ny beaute ny gasy kle :wink:
17. majakely ( 04/10/2005 14:20)
eny waaa!
18. mignone ( 04/10/2005 14:50)
fanga refa lava volo dia mahafatifaty e ?:wink:
19. Herimiafina ( 04/10/2005 14:59)
Tsy mila mampiasa servieta sy papé zenika tsony ary servete de tabla. hehehehehehe:-D:-D:-D
20. bichette ( 04/10/2005 15:51)
ka raha lava be ohatran'ny halavany ve ........ tsara aloha fa samy manana ny toebatany koa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2633