Manondraka vonikazo.

1. Nananie ( 27/09/2005 10:29)
Mba nividy voninkazo @ pot za zany, dia mba tiko ho fantatra hoe inona no tokony atao mba hikolokoloina azy? Nisy niteny ahy we tsy mila tondrahana isan'andro fa manjary lo.
novalian'i pika ny 10/10/2005 10:04
2. poline ( 27/09/2005 10:35)
slt! miankina amin'ny hoe karazana voninkazo inona ilay novidinao, plante verte ve sa ilay afaka mamony? Tena tsy mila tondraka isan'andro tokoa mantsy ireny ny ankabeazany.
3. Nananie ( 27/09/2005 10:51)
Plante verte. Raviny fotsiny ilay izy. Ireny hafaka mandady @ rindrina ireny. dia isakin'in no tondrahana raha izany. Efa roa andro aho mantsy nanondraka azy foana satria ritra foana le vilia ao ambaniny.
4. Fanja1 ( 27/09/2005 11:09)
nanania refa mafana be de mila tondrahana isaky ny hariva , refa harivariva iny an, de refa hiver de 1 fois/semaine
5. poline ( 27/09/2005 13:14)
mety ilay volazan'i Fanja1 io fa araho tsara, dia mahavanona ary e!
6. mignone ( 27/09/2005 14:55)
nenà refa hitako oe maina maina de avy za manondraka !
7. Nananie ( 28/09/2005 13:19)
Misaotra betsaka ô!
8. Herimiafina ( 04/10/2005 04:16)
Ny fanondrahana voninkazo dia misy fotoana roa, na maraina alohan'ny amin'ny 9 na hariva aorian'ny amin'ny efatra raha any europa any. Ny antony dia tsy azo tondrahana ny voninkazo rehefa atoandro raha sanatriavina mafana na maina be (mihena ny hamandoan'ny rivotra) satria misokatra ny stomates ka very daholo indray ny rano efa nangoniny dia lasa malazo izy.

Ny tokony hataon'i Nananie dia équilibre-o tsara ilay tany nampiasaina:
1/3 tany tsotra.
1/3 fasipasika.
1/3 terreau na tany mifangaro zezika.

Dia asio lavaka ny vodin'ilay pot misy azy, ny tena ilaina dia havahavaina ny tany mba hitsika tsara ny rano nanondrahana azy, mba tsy hihandrona ka hahalo ny fakany, izay no ilana ilay fasika mba hanome kilavadavaka tsy hita maso handehanan'ny rano sy ny rivotra.
"biner c'est arroser deux fois".

Dia omeo masoandro izy na dia izany aza fa aza ajanona ao ambany aloka fa tsy maniry eo an.:-D
9. pika ( 10/10/2005 10:04)
ny hariva no tena fanondrahana voninkazo
dia aza atao isan'andro
ianao mahita azy na isaky ny 2 na...andro arakaraka
fadio ny manondraka voninkazo @ ilay andro mingaingaina be iny sao mantsy azon'ny fankampanahy ioano
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2272