rta sy ny islamizasiona!

1. stephan ( 26/09/2005 14:23)
Zavatra tsikaritro tamin'ny prime pazzapa farany teo no ambarako! lazaina manko fa resaka momba ny fivahinianana no loha-hevitra tamin'io. Nieritreritra aho izany hoe rehefa resaka fivahinianana masina izany dia resaka hiram-pivavahana ity zavatra ity. Inona no tsikaritra? Akanjo Silamo avokoa no nanaovana tamin'io andro io. Ny hira dia feon-kira arabo mifandray amin'ny an'ny silamo...mampieritreritra! ny silamo ve no sponsa sa ny mpiandraikitra ao amin'ny rta no mitady hanao islamizasiona?
Firy no mba hira mifandraindraika amin'ny an'ny kristiana? tsy nisy na dia iray aza sa izaho ve no diso fahazo loha-hevitra?
novalian'i nanourand ny 10/11/2005 22:01
2. sonwin ( 26/09/2005 14:34)
fa raha manao islamizasiona izy dia inona ny olana?fa angaha ny kristianina ihany no tokony hahazo laka?Tsara zany amiko mba anehona fa tsy kristianina daholo akory ny gasy fa misy hafa koa ao manana ny finoany sy maha-izy azy.
3. jentilisa ( 26/09/2005 14:52)
Tsy misy ny olana raha silamo no ampanaoviny ny akanjo angamba fa raha kristiana kosa dia fitaka!
4. tomgas ( 26/09/2005 18:56)
raha za ndray loa dia ataoko hoe , zay reviny ihany io!! zay tia, dia manaraka, zay tsy tia dia, m...miala8)
Fa hono hoa Madagasikara nga moa tsy miombona "laicité"(miala tsiny @ lay teny):?:
5. pitchou ( 26/09/2005 23:44)
mba te hanao new look fotsiny izy t@ iny e!
6. Rajim ( 27/09/2005 05:02)
Mampieritreritra ihany alou e! saingy tsy de mampaninona loatra fa samy manana ny culture'ny io, sady ny gasy koa anie tsy mialonjafy e!
7. LazaRandri ( 27/09/2005 05:12)
Tsy nahita sady tsy nandre ny antsipirihiny aho ka tsy afaka hiady hevitra.

Tsy tongatonga ho azy izany fa tetik'ady efa maty paika hatry ny ela. Vao miantomboka izy any Madagasikara, fa efa lasa alavitra any amin'ny firenen-kafa. Ny faritany sy fanjakana sasany any Etazonia sy Kanada izao efa mampihatra ny tribonaly silamo...dia anjarantsika ny mandinika ny tohiny...


8. pika ( 27/09/2005 05:29)
mba mikaroka izay hafinaritra ny maso, sofina, ...izy tsy hitako izay olana @zany
sady averiko ihany fa rehefa tsy azoazonao dia aza mijery e
9. pika ( 27/09/2005 05:33)
raha nihaino tsara koa ianao dia VOYAGE ny loha hevitra inona moa no idiran'ny fivahinana masina amin'izany ????????
nahoana ary ny t@ TVM no tsy betsaka mpitsikera satria tsy dia namely izany
io tonga @lay hoe na manao ny tsara na ny tsy mety dia henjehina foana tsy misy hamakiany loha izany fa vao maika aza mampalaza ny RTA sy ny PAZZAPA
10. stephan ( 27/09/2005 08:24)
Tsotra ny antony hanoratako! tsy mandehandeha foana ireny fa tena ireny mihitsy ny fiaingany hatramin'izay tany amin'ny firenena hafa rehetra...zavatra efa hitako io ka toy ny vara-datsaka tamiko ny nahita azy. Ho avy indray raha tsy misy ny fanairana fa tsy mahazo ity asa ity na iry asa iry raha tsy silamo dia ho hitako eo izay menomenonareo...Teto Madagasikara anie tamin'ny andron-dradama II efa nanao sahala amin'ireny saingy nisy nahatsikaritra ny tetika hany ka nivoaka ny didim-panjakana fa ny fiakanjo dia tandrefana (Eoropeana). Mody miainga amin'ny mahafinaritra ny maso aloha...

pika> Nahoana ary no akanjo silamo fitafy mivavaka no nanaovan-dry zareo? indrindra fa ny an'ny vehivavy?
11. soafara ( 27/09/2005 09:50)
Tsy misy idiran'ny fivavahana silamo sy kristianina amin'izany, voyage no resahina, ny nahadisoa azy dia saika fitafy oriental daholo no nataony ka nahatonga anareo kely saina hieritreritra izany, sady tsy nanana fotoana firy hianarana hira hafa angamba izy; Ary aza be critique loatra fa rehefa tsy tia dia avadiho ny télé, mazava !
12. ari.malala ( 27/09/2005 11:07)
angamba tsy d lasa kosa le mifanao taimbava b we refa tsy hijery d avadio ny tele ê! :) aleo ihany mifanaja na tsy mitovy aza ny hevitra fa ny hevitra no miady, sa tsy zany? :)

mandray an-tendrony b loatra kosa indray ianao ry stephan raha hoe islamizasiona no resahina, satria voyage no lohahevitra, fa tsy nisy resaka fivahinianana masina teo. Momba ny fiakanjo i ndray, inona moa no fitaka @ resaka fiakanjo? tsy hitako! za zao raha hanao fitafy avy any DIego na fitafy sakalava v d hamitaka an'iza aho nefa izay no tiako? tsy niteniteny foana anie izay namorona an'ilay fiteny hoe tsy ny akanjo no maha mopera ê! fa na hanao akanjona silamo foana aza izy ireo nefa manaja sy mitana ny maha kristianina azy, inona moa no olana? tsy ny akanjo angamba no jeren'ny Tompo fa ny fonao mino, tia sy manaiky Azy.

13. ravakamalala ( 27/09/2005 13:24)
Ebto mora ry soafara fa ny lalao mbola ho ela a!
14. pika ( 28/09/2005 05:29)
stephan a aza mitsara olona ety ivelany ianao
tsy hoe raha manao ankanjo lava be foana akory dia olomasina izany aza manandrantena fa mety ny vehivavy janga sy ny repoblikanina aza hoy i Jesoa no tonga alohanareo any hoy izy t@ Jiosy
ary raha resaka pazzapa indray no resahina dia hoe VOYAGE mety ho fandehanana lavitra noho ny asa, na fifindramonina, na fizahantany...fa tsy resaka fivavahana
15. jentilisa ( 28/09/2005 05:36)
Fa nifaninona tany ho any tokoa moa i soafara sy i stephane e? nisy zavatra nifanaovana angaha?
16. ari.malala ( 29/09/2005 11:05)
hafa b le fantanina
17. estine ( 05/10/2005 13:52)
milamy nareo e 8)
18. palince ( 05/10/2005 14:31)
de maninona koa anefa ra silamo e, za tsy silamo fa aza miseho milay e:evil:
19. moi ( 06/10/2005 05:50)
Tsy dia inoako aloha ilay islamizasiona, fa ny RTA aza tsy manana fandaharana Silamo toy ny TVM. Fa tsara ihany ilay fanairana fa misy tsy mahatsikaritra an'izany isika ; ary nisy fitafy tsy silamo kosa tao e ! Aleo atao hoe mba nisy dihy karàna e!
20. bozimanga ( 20/10/2005 12:15)
misy maha marina azy ny hevitrao fa raha voyage no theme naninona no tsy fiakanjo tandrefana ohatra stria smy voyage fa samy manana ny andraisany azy eh
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0887