resaka fanafody

1. zefalah ( 22/09/2005 15:53)
manaona alo e?
saika mba antany hoa za e...lemomba an'lay fanafody gasy zany...ita mantsy tato ato fa somary bedabe iany le fanafody apesai-sika zanak;olombelona.
de le fantanina de ty.
moa ve sika gasy tsy afaka mamorona fanafody ho asika rery,zany hoe tsy manafatra any hivelany tsony
fa tonga de mba zay fanafody vita gasy iany no apesaina e?
sa mbola mila manafatra? nefa sika gasy mahay manao fanafody!!
de tsy ita be iany e...fa aminareo kay? moa ve ny gasy no kamo sa lay fitaovana hikarakana an'zany rehetra zany no tsisy?
sa hoe manakarena be le gasy de manafatra fanafody any hivelany?
2. sipagasy ( 22/09/2005 16:50)
mba henoy ny fandaharana tafa sy dinika mahasoa ao @ rvg dia haheno valiny ianao, fa tsy ny fanafody simika ihany akory ny fanafody mahsitraka , fa any amintsika dia feno karazan-java maniry maro be koa tena mahasalama
3. rurik ( 22/09/2005 16:56)
io indrindra no nanotaniako ery ambony
nihaino aho t@alahady fa nisy tsy henoko tsara ilay hoe zavatra omana ny zaza moa izy zay sa hoe mety ampiasaina alohan'ny hidirana @hatsiaka izao .
sipagasy mba valio kely aky azafady raha mety an. misaotra mialoha
4. sipagasy ( 22/09/2005 19:44)
ny momba ny inona moa izay ry rurik?? hitanao ao @ karajia matetika aho fa aza misalasala manontany e!
5. vale ( 22/09/2005 19:49)
Ohatry ny tena mivôna @ fanontanian'i zefalah anie ny valin-teninao izany Ra-sipagasy é!Raha azoko tsara d ilay manafatra fanafody no tiany tsindriana eto hoe moa manankarena ve ny Malagasy ...
6. zefalah ( 22/09/2005 21:31)
Vale>> mahazo resaka tsara enao.
marina e..tsy otran'ny sipagasy...
sy ny namany:D
7. Herimiafina ( 22/09/2005 22:34)
Hevitra tena mety tokoa ny mi-valoriser ireo karazampanafody misy any antoerana na ireo izay azo atao fanafody.

Anisan'izany ohatra ireny fanafody Masy Ratsimamanga ireny. Tokony ampiana mba hihitatra hatrany.

Misy ihany anie ozinina mpanao fanafody any amintsika e. Fanafody générique ohatra.

Fa ny olona mipetraka de ity (valabla amin'ny zavatra rehetra koa).

Ny fanafody vokatra any Madagascar dia lafo kokoa noho ny fanafody hafarana indraindray.

Dia ity koa, lafo ho antsika ny manamboatra fanafody générique noho ny manafatra dia aleo manafatra mba tsy ho lany vola bebe kokoa.

Ny ankamaroan'ny fanafody tonga any amintsika koa mantsy matetika dons de amidy amin'ireo opératera distributeur e. Izay le atao hoe "monetization".

Fa na de zany aza tsara asiana valera ihany ny KOTOFY, ny TALAPETRAKA, ny VONENINA.

Za zao aty marary vavony de mahatsiaro le tambavy nahasitrana ahy tany Dago zay "Tsikobona" no anarany.
8. sipagasy ( 23/09/2005 14:50)
zefalah:

Vale>> mahazo resaka tsara enao.
marina e..tsy otran'ny sipagasy...
sy ny namany:D



tsy mahazo resaka ahoana moa aho??? ary iza ny ataonao hoe namako miaraka amiko tsy mahazo resaka eto???,, sao ianao no tsy mahazo ny valiny tiako hambara hoe manankarena anie ny tanintsika na @ zavamaniry fanaovana fanafody ka inona ny hanafarana avy any ivelany??,,,,, AMPIASAO ALOHA NY HITA EO AN-TOERANA? TSY HAINAO ANGAHA FA IREO FANAFODY VAHINY AFARANAO IREO KA NY AKORA AMPIASAINA AO ANATINY DIA AVY AO AMINTSIKA DAHOLO NY ANKABEAZANY,,,,,
9. booboo ( 23/09/2005 15:39)
euh...mitovy ny raha tian'i zefalah sy sipagasy lazaina fa ny an'i zefalah nataony miendrika fanontaniana oe maninn no tsy zay no atao fa mbola manafatra dia io novalian'i Herimifiana io lé fanontaniana
10. booboo ( 23/09/2005 15:40)
ary aza mikikiaka moa e :)
11. Herimiafina ( 23/09/2005 19:10)
sipagasy sy zefalah zany anie ka tena amouré be mintsy e. Eo amlé stady manao vazaha mody miady zao nareo ny fahitako azy.:-D:-D:-D:-D

Mora sensibla be amin'ny anakiray ny anakiray.
12. fijo ( 23/09/2005 20:03)
izany ve ry sipagasy? hi hi hi
13. mandrindra ( 26/09/2005 09:21)
herimiafina izany anie manamphaizana manokana amian'ny fitiavana raha izany e !!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0828