moa ve raha efa voadio ianao dia afaka manao izay tiana atao

1. rearea ( 21/09/2005 22:49)
betsaka ireo mpivavaka no tena mampiseho @ mpiara monina hoe tena mino sy manaja an'Andriamanitra nefa ny toetrany andavan'andro @ olona akaiky azy tsy mifanaraka @izany. Misy mantsy ireo mihevitra fa raha voadio izy dia afaka manao izay ataony. Ka araka ny hevitrao inona ny mety. Ny mankany ampiangonana lava sy miseho hoe masina @ mpiaramonina nefa mpanota be ao ambadika sa tsy mankany ampiangonana fa mihezaka ny ho marina hatrany?
novalian'i cutie ny 04/10/2005 12:26
2. cutie ( 21/09/2005 23:08)
aleoko tsy mankany am-piangonana.
sady tsy voatery we refa any am-piangonana ihany akory no atao we mivavaka.
3. LazaRandri ( 21/09/2005 23:13)
rearea:
moa ve raha efa voadio ianao dia afaka manao izay tiana atao?


1) Efa madio ve dia andeha hioso-potaka indray?
2) Heveriko fa raha mandray ny Tompo amin'ny fo, dia tsy "izay tiana atao" no ao an-tsaina voalohany fa ny sitrapon'Andriamanitra.

rearea:
Ka araka ny hevitrao inona ny mety. Ny mankany ampiangonana lava sy miseho hoe masina @ mpiaramonina nefa mpanota be ao ambadika sa tsy mankany ampiangonana fa mihezaka ny ho marina hatrany?
Samy tsy misy mety ireo amiko. Ilay voalohany mpihatsaravelatsihy moa ilay faharoa miantehitra amin'ny herin'ny tenany samy irery.
Raiso ho anao manokana aloha ilay famonjena dia avy eo ifampizarao amin'ny hafa (na any am-piasana, na any am-piangonana, na any an-trano, na any am-pianarana...)
4. cutie ( 21/09/2005 23:30)
lazaRandri, ary raha tsy maintsy mifidy enao , de in @ reo no fidinao ???
5. LazaRandri ( 21/09/2005 23:33)
hahaha! fa ahoana aho no tsimaintsy hifidy amin'ireo ry Cutie? Tsy ireo ihany no azo isafidianana fa ny mpanome hevitra angamba no tsy nahita afa-tsy ireo.
6. cutie ( 21/09/2005 23:45)
ka reo ny lohahevitra alou kou .
Mba fidio we :D
7. LazaRandri ( 21/09/2005 23:51)
hahaha! aza mampihomehy moa ry Cutie a! Raha misy manolotra lohahevitra ve ohatra hoe....
inona ny tsara hohanina, tain'alika sa taikisoa? Dia tsimaintsy amin'ireo i Cutie no misafidy ny tsara hohanina kanefa fantatr'i Cutie fa misy ny bonbon vandro sy ny bononoka? :)
8. cutie ( 21/09/2005 23:55)
:D, an-3
fa tsy zany anie le lohahevitra eto , fa mba raiso @ io alou le izy , fa aza avadika zavatra hafa.
9. LazaRandri ( 22/09/2005 00:08)
Cutie,
io efa nambarako io fa samy tsy mety ireo. Aza terena ho mety rehefa tsy mety.
Tamin'ny nanao fanadinana taloha tadidio fa rehefa manao MCQ dia misy koa ny hoe "none of the above" :)
10. xxx ( 22/09/2005 05:26)
Ny kristianina akory tsy hoe anjely e, ny maha-mpanota no andehanana any am-piangonana hangatahana ny famindra-pon'A|tra. Ny mety dia ny mankany am-piangonana ary mihezaka ho tsara na ao aza ny fahotana. Dia aoka isika hijery ny tenantsika fa tsy ny hafa foana. Tsara ny mankany am-piangonana mankalaza ny andron'ny Tompo fa tsy mijery ny hafa fotsiny dia mitokona tsy mandeha. Lalanan'ny Eglizy ny mankalaza ny andron'ny Tompo.
11. naritsimba ( 22/09/2005 06:26)
Am-bava homana am-po mieritra e
12. zozefa ( 22/09/2005 08:05)
manamafy ilay voalazan'i LazaRandri ny teny hoe

IIPetera 2:22 "Efa mihatra aminy ny ohabolana marina hoe: "Ny amboa miverina indray amin'ny loany" (Oha. 26. 11), ary: Ny kisoavavy efa nisasa dia mihosim-potaka indray."

fa raha ny ivelany fotsiny no madio, toy ny kisoa voalaza io de tsy hisy fiovana mihitsy azo andrasina aminy.
fa raha tena voadion'ny ran'i Jesoa marina ilay oll de mety ho possible izy lavo, mety lavo lavitra nohon'ny tsy voadio aza, fa ny Tompo tsy hamela azy hijanona ao anatin'ny izany fahalavoana izany fa manana ny fahefana hanal azy ao Izy,

fa aleko mahita oll tsy miangona nefa manao ny sitrapon'Andriamanitra noho izay mahita oll mankany ampiangonana nefa tsy manao ny sitrapon'Andriamanitra
13. zakony ( 22/09/2005 09:30)
n'iza n'iza, na mpivavaka toa inona dia tsimaintsy manota ihany. Aoka tsy enjehina noho izany ireo olona mivavaka fa ny tenanao ihany jerena
14. pika ( 22/09/2005 09:45)
ny mankany ary moa izany no mbola ataony nefa mahazo fampianarana maika fa ny tsy mankany??????
sady aza fatra mpitsikera ny hafa fa ny tenanao, ny tenantsika aloha hametrahana fanontaniana 1
15. zozefa ( 22/09/2005 10:54)
pika:
ny mankany ary moa izany no mbola ataony nefa mahazo fampianarana maika fa ny tsy mankany??????


ka ny sasany anie ny andehanany any ampiangonana tsy hidera an'Andriamanitra velively e! misy fahazarana fotsiny makany, misy hideradera fotsiny mankany,... fa misy koa ny tena hidera an'Andriamanitra mihitsy,
fa raha za no mifidy de aleko mijery oll manao ny sitrapon'Andriamanitra nefa mijanona ao antrano, toy izay mijery oll mandeha miangona nefa tsy izany velively no antondiany any, f'angaha moa haka fampianarana no alehany any raha ohatra izy te hampiseho ny fananany fotsiny no antondiany?

pika:
sady aza fatra mpitsikera ny hafa fa ny tenanao, ny tenantsika aloha hametrahana fanontaniana 1


inona moa no asain'ny Tompo atao rehefa mahita rahalahy ratsy fitondratena
anarina izy,
ary rehefa tsy mety??

IKorintiana 5:11 Fa ny nanoratako taminareo dia ny mba tsy hiharoharoanareo aminy, raha misy atao hoe rahalahy, nefa mpijangajanga, na mpierina, na mpanompo sampy, na mpanaratsy, na mpimamo, na mpanao an-keriny, dia aza miara-mihinana akory amin'ny toy izany hianareo.
16. cutie ( 22/09/2005 14:52)
Lazarandri, none of the above zany e,
mahitahita kou enao zany , nefa eo tsy misy an'zany :-D
Aoka zay fa manadala fotsiny za :-D
17. Veloo ( 22/09/2005 16:49)
o ry reto a tsy misy olona madio zany eto an-tany olona panota doly isika, aza izay ataon'ny olona hafa no tsy hanakekezano an'Andriamanitra.
Ny zavatra atao tsika dia ni mihezaka mba hanaraka sy hanakaiky an'Andriamanitra bebe kokoa. Bien sur miaraka amin'ny fivavahana zany.:wink:
18. xxx ( 22/09/2005 17:08)
ka ny tena mankaleo anie ry reto dia ireto olona miseho azy ho pivavaka nefa tena ratsy toetra eh, hany ka marina mihintsy le hoe aleo tsy mifanerasera @ izy ireo fa maharikoriko. nefa aza adino ko fa andriamanitra manerana ny tontolo ka na ho any ampiangonana na tsy ho any dia hitany sy henony foana.
19. Veloo ( 22/09/2005 19:47)
xxx a ,
tys fantatrao angaha ny but an'ilay satana, izay eo akaikin'Andriamanitra na mihezaka ny eo akaikin'andriamanitra no tena hakakaizan'ilay satana. Angaha izy tsy faly mihitsy rehefa tsy misy manakaiky an'Antra. Ka eritrereto ihany a, tsy misy olona tsy manota eto ary samy manana ny fahalemeny doly isika an :-*
20. xxx ( 22/09/2005 20:00)
o ry veloo tsy azon'ialahy angamba le izy, ny mifanerasera amin'ireo voahozongozin'ny satana no tsy tsara atao, mpanota daholo ny olona rehetra fa aleoko ny ahy mahita olona tsy mivavaka nefa tsara toetra toy izay olona miseho ho mpivavaka nefa tsy azo iraisamonina.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.1823