moa ve raha efa voadio ianao dia afaka manao izay tiana atao

21. Veloo ( 22/09/2005 20:29)
xxx ie ary e:(
22. Herimiafina ( 22/09/2005 23:28)
Tandremo fa isika dia tsy eo ambanin'ny lalana fa eo ambanin'ny fahasoavana. aza asiana lalàna be le izy fa ny lalàana ampetrakao ihany no hahavoa anao avy eo raha tsy voahajanao.

Andriamanitra ihany no mahalala ny mahatsara sy ratsy ny zavatra ataonao.

23. zozefa ( 23/09/2005 06:07)

Herimiafina:
Andriamanitra ihany no mahalala ny mahatsara sy ratsy ny zavatra ataonao


ny tianao ambara angaba no tsy azoko tsara fa raha ny fahazoako azy de hoe isika zany de tsy mahalala mihitsy hoe tsara zany ataokoizany na ratsy ve? de atao inn fotsiny ny teneni raha tsy fanatra @ al@ teniny hoe ratsy ito na tsara?
24. RADOUXE ( 25/09/2005 14:42)
Misy fotona ny zvt retre,ny tena izy alo ry namana de ny makany ampengonana fa mato enao tsy makany de tsy te iova zay enao na mijery ny fadison'ny afa ze makany, tsy fatatsika ny ao ampony tsraray na mano ratsy aza izy mety te iova nge izy ireny e no izany de mila ny rehetra ny Tompo anampy azy.Zany kory tsy midika fa hivavaka marina daoly ny alen'ny oul any ampiangonana fa misy fona ny mpanelingelina no izany ra vita batisa enao de misy fanekena nataon'ny ray aman-dreninao tao de ny ho tonga mpandray ny fanasan'Ny Tompo ka mba mandeana e "andramo ka 'zahao fa tsara Jehova";-)
25. xxx ( 26/09/2005 20:02)
andriamanitra dia eran'izao tontolo zao ka tsy voatery aho hifangaro @ mpanota on se parle en tête a tête.
26. LazaRandri ( 26/09/2005 23:49)
xxx:
andriamanitra dia eran'izao tontolo zao ka tsy voatery aho hifangaro @ mpanota on se parle en tête a tête.


Jesoa tsy mpanota, kanefa tonga naka endrik'olombelona sy nanatona antsika, ary "dia nanetry tena ka nanaiky hatramin'ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin'ny hazo fijaliana." Filipiana 2:8 Dia isika rehetra samy mpanota indray ve no hihevi-tena ho mendrika kokoa noho ny hafa? Aoka isika hifankahery sy hifananatra amim-pitiavana.
27. xxx ( 27/09/2005 10:36)
LazaRandri >>> ka ilay izy anie tsy hoe hifampitsikera fa ilay fanontaniana no mba ezahina valiana e,
satria ny fanontaniana de hoe
Ka araka ny hevitrao inona ny mety. Ny mankany ampiangonana lava sy miseho hoe masina @ mpiaramonina nefa mpanota be ao ambadika sa tsy mankany ampiangonana fa mihezaka ny ho marina hatrany?
28. ari.malala ( 27/09/2005 11:16)
samy ratsy na ilay voalohany na ilay faharoa saingy zao, tsarovfy fa ny famarana namaranao ihany no hamarana ho anao koa rahatrizay, zany hoe aza mitsara olona aza variana mijery hoe iranona mankany ampiangonana fa mbola mpanota sy mampidera fananana, fa ny tenanao aloha jerena d ovay ze hitanao tsy mety @ tenanao. Raha hitanao fa tsy mety ny ataon'ny ao akaikinao d aza manao toa azy fa miezaha hanao ny tsara ho voninahitr'Andriamanitra, ary mivavaha ho an'ieny lazainao fa mpihatsaravelatsihy ireny, nefa aza manamarin-tena eo imason'Andriamanitra fa isika rehetra izao na za manoratra aza d mbola mpanota avokoa, ka samy mila ny famindram-pony.

29. bichette ( 28/09/2005 08:51)
o re oul a ! tsy hoe satria mankany ampiangonana tsy tapaka anie hoe miseho mpivavaka be na hoe masina tsy mandray tany

misy antony maro matoa mankany ampiangonana:

1-
betsaka ireo mpivavaka no tena mampiseho @ mpiara monina hoe tena mino sy manaja an'Andriamanitra nefa ny toetrany andavan'andro @ olona akaiky azy tsy mifanaraka @izany. Misy mantsy ireo mihevitra fa raha voadio izy dia afaka manao izay ataony

na ilay ol mahatsiaro mafy fa tena tsy mendrika, mihaiky ny fahotany fa tena tsy tanteraka, mety hoe tsapany fanafitohina ny mpiarabelona aminy sns dia mandeha miangona izy hibebaka ary hangataka famelana (eo zao dia hisy indray hiteny hoe f'angaha any ampiangonana ihany vao mahazo famindrampo dia hoy aho hoe tsia )Tandremo fa tsy voatery ho marina ny fijery ety ivelany hoe miseho ho masina ireo mpivavaka be na hoe miseho ho zao sy zao ireo mpivavaka satria manngina na tsy mamaly : aiza moa no ahafantarantsika MPITSARA ETY IVELANY na tena tsapany ireo "mpivavaka" fa tsy nety ny nataony ? fa latsaka tanaty fahotana izy ary manenina be fa saingy tsy midradradradra eraky ny tanana hoe diso fotsiny izy ireo ?????, tsy fantantsika na avy nitomany be anie izy tamin'izany fahotana sy tsy nety nataony tamin'ny hafa na tamin'ny fiarhamonina na taminao aza fa tsy asehony ety ivelany fotsiny izany, aiza no ahafantarantsika na hibebaka ny amin'ny fahotany nataony taminao no hifohazany maraina ho any ampiangonana tandremo ny fitsarantsika ny hafa ooo
2- misy nen'ny sasany fahazarana nolovaina tamin'RADreny
3-
Voalaza teo :
Zany kory tsy midika fa hivavaka marina daoly ny alen'ny oul any ampiangonana fa misy fona ny mpanelingelina
marina





30. bichette ( 28/09/2005 08:56)
ohatran'ny masika be angamba aho ary hialako tsiny mialoha fa tsy azoko hoe maninona anefa raha avela manao izay tiany izy ireo e ? maninona raha ny fiainantsika no jerena sy hatsaraina sy filtrer-na izay atao fa tsy mijery ny an'ny hafa ? :-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*
31. xxx ( 29/09/2005 06:57)
bichette >>>
angamba kaosa tsy misy hoe mandrara anizy ireo tsy mankany ampiangonana, fa mamaly fotsiny ani'lay fanontaniana napetrak'i rearea hoe "inn no hevitrao..."
isika tsy nantsoina hitsara, fa nantsoina handray andraikitra raha mahita rahalahy (rahavavy) mandeha @ tsy fahamrinana, ary tsy ampy fotsiny ilay hoe mitondra ambavaka (fa tena ilaina io)raha tena tinao ilay rahalahy (rahavavy)
Matio 18:15-17
Ary raha manota aminao ny rahalahinao dia mankanesa any aminy, ka rehefa mitokana hianareo roa lahy, dia asehoy azy ny fahadisoany. Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao; fa raha tsy mihaino anao kosa izy, dia ento miaraka aminao ny olona iray na roa, mba ho voaorina mafy avokoa ny teny rehetra amin'ny tenin'ny vavolombelona roa na telo . Ary raha tsy mety mihaino ireo izy, dia ambarao amin'ny fiangonana; ary raha tsy mety mihaino ny fiangonana koa izy, dia aoka hataonao ho tahaka ny jentilisa sy ny mpamory hetra izy.

heritrereto anie ry bichette hoe avela hanao izay tiany ny rahalahy (rahavavy) fa tsy mba misy miteny e!heritrereto hoe ao ampiangonana ao feno mpangalabadinolona, mpanao risoriso, mpanompo sampy(mpanao famadihana araka ny heviny fanaon'ny malagasy io), mpanao ankeriny ... nefa isika sy ianao tao ihany, de asa izay ho tenenin'ny Tompotsika raha izany no ho atao?:?
32. bichette ( 29/09/2005 12:15)
xxx ekeko ny voalazanao fa isika tsy tokony HITSARA SY HASIAKA be sy manao vava be raha sendra ka mahita olona manao ny tsy mety nefa hoe ilay olona mivavaka. Io manko no tsy zakako
33. mamzelkely ( 29/09/2005 12:21)
amen...
34. scorpion ( 01/10/2005 19:28)
35. scorpion ( 01/10/2005 19:35)
36. LazaRandri ( 01/10/2005 21:22)
bichette:

xxx ekeko ny voalazanao fa isika tsy tokony HITSARA SY HASIAKA be sy manao vava be raha sendra ka mahita olona manao ny tsy mety nefa hoe ilay olona mivavaka. Io manko no tsy zakako

Bichette a, tsy natao ho "zakainao" izany ka! hahaha! Ento amim-bavaka eo anatrehan'ny Tompo fa tsy zakanao rahateo koa izany.

Sady aza atao mahakivy fa "i Satana koa dia mahay manova ny endriny ho toy ny anjelin'ny fahazavana". Fetsy anie Satana e! Mody tsy manohitra ni finoantsika izy matetika fa tonga dia hita mivandravandra ny asany raha izay. Tetik'ady fanaony ny "misandoka mivavaka", dia mitaona ny mpino tsikelikely hiala amin'ny lala-marina izy avy eo. Vokany dia vitsy sisa ireo sahy mijoro amin'ny maha-kristianina azy ankehitriny, ary na ny Baiboly aza indrisy fa ny "Kristianina" ihany no tena manenjika azy voalohany indrindra...

37. sonwin ( 01/10/2005 21:45)
Indrisy fa dia samy mitsaingoka izay metimety aminy ao ry zareo:(
38. sonwin ( 01/10/2005 21:46)
Indrisy fa dia samy mitsaingoka izay metimety aminy ao ry zareo:(
39. routa ( 04/10/2005 12:08)
tsara ity loha heviytra iray ity ka!
40. cutie ( 04/10/2005 12:26)
za koa mahita we tsara izy ty :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.2286