ny harenan'nyM/scar ho an'ny vahoaka?

1. tsangana ( 18/09/2005 19:11)
Mahagaga fa i M/scar dia manana harena ambanin'ny tany; manana tany lonaka sy mamokatra ary midadasika,harena an-dranomasina, manam-pahaizana........kanefa dia mahantra ny vahoaka!!!
novalian'i tsangana ny 11/11/2005 08:15
2. xxx ( 18/09/2005 20:05)
miala tsiny milaza fa ny vahoaka Malagasy dia KAMO, miandry tolorana lava, raha misy izany tany lonaka izany inona , sa inona iandrasana tsy hanabeazam-boho azy ireo???

3. LazaRandri ( 18/09/2005 23:42)
Angamba kosa tsy ny vahoaka Malagasy no kamo e. Betsaka tokoa ny olona mifoha maraina be sy mandeha miasa @ 03:00 sy 04:00 [ankoatran'ny mpamosavy mody :) ]. Ny Eraopeanina aza mbola azo lazaina fa kamo kokoa. Ny any Frantsa izao ohatra niadivana mafy mihitsy ilay 35h/semaine, dia ny fampihenana azy ho 4jours/semaine koa. hahaha!

Ny olana dia voageja ny Malagasy. Voagejan'ny tsy fandriam-pahalemana, ny toe-tsaina tia tena fa tsy miray hina, ny fomban-drazana, ny fanaparam-pahefana, sns...
4. Herimiafina ( 19/09/2005 03:09)
Tandremo fa anisan'ny signe iray ny fahantrana ny hamafin'ny asa. Tsy ny hakamoana loatra fa ny tsy fahampian'ny capacité entina miasa (CAPABILITY).

Ohatra: raha nandany adiny 6 ianao tamin'ny asa iray isan'andro vao afaka mihinankanina ara-dalana sy mamelona ny fianakams amin'ny maha ampy azy.

Taty aoriana ianao, lasa miasa adiny 8 vao mahavita fahafahampo tahaka an'io teo aloha io.

Dia atadidio fa miha-mahantra ianao.

Dia torak'izany, tsy ny asatany no tsy ampy fa ny tany hambolena no mitaky asa bebe kokoa noho ny taloha vao mahavelona, ka rariny raha tsy mety hanao izany intsony ny olona.

Tsy misy izany NAUFRAGÉ VOLONTAIRE izany fa samy mitady ny hanavotana ny tenany daholo ny olona.
5. LazaRandri ( 19/09/2005 04:01)
tsangana:

Mahagaga fa i M/scar dia manana harena ambanin'ny tany; manana tany lonaka sy mamokatra ary midadasika,harena an-dranomasina, manam-pahaizana........kanefa dia mahantra ny vahoaka!!!

ilay hoe "manam-pahaizana" no mampisalasala ahy ka laviko. Amiko izany manam-pahaizana izany dia izay olona sady manana ilay taratasy mari-pahaizana (diplaoma) no mahay mampiasa azy ihany koa eo amin'ny fiainana.
Noho izany, raha mahay mampiasa ny fahaizana isika Malagasy be rehareha ho mahay, dia tsy tokony ahantra.
6. Herimiafina ( 19/09/2005 04:36)
Tena miombonkevitra amin'i LazaRandri amin'io resaka farany io.

Mila ''action concrete'' i Madagascar, izany hoe asa tena hita mivaingana tsara sy mora realiser-na.

Ny olana matsy dia ny manampahaizana mihintsy no mi-compliquer zavatra loatra.

Mijereva fotsiny fikamabanana manampahaizana na olona samy manana marimpahaizana ambony miresaka ianao, fa ho hitanao fa olana kely tsy misy dikany ohatran'ny hoe ahoana ny manolo zaza dia handaniana ora maromaro.

Satria lany andro mifampitsikera, manao hoe ny hevitro ny marina, sns.

Ny tsy ampy dia ilay hoe: fianarana ny fiainana, ary ny manampahaizana dia efa miheritreritra daholo hoe efa tapi-pahaizana izy dia tsy azo kianina, tsy azo atoro intsony ary tsy manao erreur mihintsy.

''....Le savant dit, moi je ne connais apas l'erreur, l'intélligent replique, moi je la connais, c,est pour mieux l'éviter'' Herimiafina.
7. pika ( 19/09/2005 13:25)
marina izany fa aiza ity ho ety mihetsika
ny tanora sasany indray vao mahazo ny bac dia tsy afaka ny hanohy fianarana intsony noho ny eny @ univer tsy mamely no efa fanavakavahana ny privée indray aiza no ahitana ny écolage efa ho @ million
8. xxx ( 19/09/2005 17:56)
ny toe-tsainantsika malagasy no tokony misy fihovana satria raha mijanona toa izao dia tsy hisy fandrosoana mihintsy isika fa hiandry tolorana lava izao
9. Herimiafina ( 19/09/2005 22:55)
Ka raha hisy hanolotra ve moa tsy raisina foana ry xxx an. Izy ary hanome koa. Saingy mba hajao koa ilay manome, ary ilay manome tokony hanao izany ampitiavana fa tsy cadeau empoisonnée no omena.
10. tsangana ( 20/09/2005 09:41)
Maro no voalaza eto fa anisan'ny antony mampaharitra ny fahantrana dia ny toe-tsaina... angamba misy maha-marina izany,fa saingy ny fahantrana amiko dia vokatry ny zavatra maro mifampiankina sy mirohy.Ny zava-misy eto M/scar dia na inona na inona atao dia tsy misy paika sy tetika lavitr'ezaka fa vonjy tavan'andro daholo.Tsy mbola nisy hatramin'izao projet serieux teto :na politika ,na economique,na social,na culturel......
Ny fahantrana dia ao an-tsaina aloha izay vao ao am-paosy.
11. sipagasy ( 20/09/2005 17:31)
tsangana:

Maro no voalaza eto fa anisan'ny antony mampaharitra ny fahantrana dia ny toe-tsaina... angamba misy maha-marina izany,fa saingy ny fahantrana amiko dia vokatry ny zavatra maro mifampiankina sy mirohy.Ny zava-misy eto M/scar dia na inona na inona atao dia tsy misy paika sy tetika lavitr'ezaka fa vonjy tavan'andro daholo.Tsy mbola nisy hatramin'izao projet serieux teto :na politika ,na economique,na social,na culturel......
Ny fahantrana dia ao an-tsaina aloha izay vao ao am-paosy.

marina ny teninao nefa sarotra ny hanova io toe-tsaina io..........


12. tsangana ( 20/09/2005 19:47)
Ny zava-misy no manefy sy manamboatra ny toe-tsaina.
Raha tsy niova ilay toe-tsaina hatramin'ny andron'ny fanjanahatany dia angamba ny rafitra rhetra mihitsy no tsy nisy fiovana.
13. Herimiafina ( 21/09/2005 06:27)
Tena nanimba zavatra mihintsy iny fanjanahantany iny. Tsy lavina.8)
14. sipagasy ( 23/09/2005 17:41)
indrisy.......
15. Herimiafina ( 23/09/2005 17:42)
Ndao njay mba hanjanaka e.:-D:-D:-D:-D
16. tsangana ( 23/09/2005 20:42)
Misy zavatra mba tiako hisarihana ny fisainantsika:
1-Nahoana no tsy hitantsika ny valinteny hoenti-miatrika ny fahasarotan'ny fiainana fa toa efa manaiky resy isika ary dia miandry fahagagana fotsiny.
2-Aiza ny elites : philosophes,ny mpandinika, ny olona mpisoritra ny lalana,intellectuels,ny mpanoratra.........toa fahanginana no re.
17. Herimiafina ( 23/09/2005 22:49)
Tena ôtsan'ny tsy ampy le intellect fotsiny ry Tsangana fa ny intellect tafita izao de le intellect manaiky ampiasain'ny frantsay an. Le manohana anlé hevitry ny club de paris e. Ze intellect tia tanjazanza de dehors daholo de tsy mena asa dekivy de lasa mande daholo.
18. tsangana ( 24/09/2005 10:20)
Ireo izay lasa any ivelany dia angamba variana amin'ny hasarotan'ny fiainana ka tsy manam-potoana hieritreretana .Ny eto an-toerana dia mafy ady mitady hanin-kohanina isan'andro vaky izao,difotry ny fahantrana.....
19. sipagasy ( 14/10/2005 20:09)
mmhhhh marina daholo izany nefa inona no azo atao???? ny any an-tanindrazana ohatran'ny mandroaka ny te-hody any hoe miverena ianareo??? ahoana ihany iley resaka bureau unique @ resaka demarche rehetra atao rehefa hanokatra zavatra any??? mmhhh toa tsy tafa indray??? dia kivy ny oul dia miverina miaraka @ volany dia izay e!!!! ilay ambaratonga isan-tsokajiny io tena mila arodana mihintsy e! nefa tsy ho vita ao anatin'ny 1 andro izany. Nefa io no tokony ho fongarina tanteraka voalohany aloha.......
20. tsangana ( 11/11/2005 08:15)
Amin'ny fomba ahoana no hizarana ny harenan'i M/scar ka hahitan'ny tsirairay tombon-tsoa.Na farafaharatsiny mba manentana ny olona hiezaka hanao zavatra.Satria raha tsy mahatsapa izy fa azy koa io harena fa ho an'olona vitsivitsy fotsiny ihany dia tsy hisy ny finiavana hanaoa zavatra fa dia hiandry fanjakana lava izao hanome vola!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0077