Papa iray Masina ''s'est fait autoproclamé ''solon'i Petera

1. zama91 ( 16/09/2005 15:15)
Raha jerena fohifohy ny resaka katolika dia voalaza fa printsy Constatin no nanangana voalohany ny papa ray masina tamin'ny IV siecle.Misokatra ho antsika izay mahalala ny ady hevitra
novalian'i scorpion ny 21/10/2005 18:20
2. sonwin ( 16/09/2005 15:23)
Jesoa koa mpanjaka autoproclamé, et il a nommé Pierre....sy ny dimbiny:lol:, mbo koz sendra nandalo ny saiko io fa tssss... efa maro izay resaka Pape teto izay.
3. jentilisa ( 16/09/2005 15:39)
mba te-hiady hevitra papa hatrany e! Etazonia koa zandary autoproclamé, Frantsa koa efa nanao reny malala autoproclamé. Zama91 koa anie ni-s'autoproclamé hoe Zama91 e! tahaka ahy nanao ahy ho Jentilisa nefa firifiry koa ny jentilisa eto ambonin'ny tany?
4. hery ( 16/09/2005 16:09)
zama91> Taiza indray no nakàna an'io source io? Sa ve zah no tsy mahay lesona intsony k'lé
5. xxx ( 16/09/2005 16:25)
Jesoa Kristy no nanendry azy ho papa e: ianao no Piera hoy izy, Piera vato ary eo ambonin'izany vato izany no hanorenako ny fiangonako. Io no tradition nolovaina hatra@ izao. Tadidio tsara fa io foana ny vakiteny vakiana @ andron'ny investuturen'ny Papa iray.
6. xxx ( 16/09/2005 17:55)
tsy misy mandà an'ilay hoe zay ny tradition aloha fa saingy izao hoe tsy nijanona teo @ Piera ve ny fanendrena? za mantsy tsy mahita ao @ tenin'Andriamanitra milaza ny mampitombona ilay tradition mbola tohizana h@ izao, tsy tokony ho maty maritiora toa an'i Piera koa ve izay solony eo, fa matoa izy tsy maty martiora de mety tsy solony izy izany, izao mantsy no nolazain'i Jesoa an'i Piera ao @ Matio21:18 Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha mbola tanora hianao, dia nisikina ka nandeha tamin'izay tianao; fa rehefa antitra kosa hianao, dia haninjitra ny tànanao, ary olon-kafa no nahikina anao ka hitondra anao amin'izay tsy tianao.
7. LazaRandri ( 17/09/2005 01:39)
sonwin:
Jesoa koa mpanjaka autoproclamé,


"Jesoa namaly hoe: Raha mankalaza ny tenako Aho, dia tsinontsinona ny lazaiko; ny Raiko Izay ataonareo fa Andriamanitrareo, Izy no mankalaza Ahy." Jaona 8:54



xxx:
Jesoa Kristy no nanendry azy ho papa e


Aoka kosa tsy hitarina ny resaka na tenenina ho nanao zavatra tsy nataony i Jesoa. Angamba tsy nanendry ny Pape nifandimby teo i Jesoa, fa ny azo antoka fa marina dia nanorina ny Fiangonany Izy ary i Piera no nomeny andraikitra tamin'izany. Nanao ahoana ny tohiny? Mahasadaikatra sy mampiori-koditra ny zava-nitranga nifanesy, ary tsy mbola nisy faty nofongarina sy notsaraina raha tsy teo amin'ny tantaran'ny Pape.

Izay aloha ny tantara niseho ka inona ny andraikitry ny Kristianina manoloana izany?
- Mibebaka sy Mifankatia: "mifankatiava ianareo toy ny nitiavako anareo". (Noho ny fitiavaNy dia tsy nijery arina an-tava i Jesoa fa nanoro sy nananatra)
- Matetry tena: "Ary rehefa tafapetraka Jesoa, dia niantso ny roa ambin'ny folo lahy Izy ka nanao taminy hoe: Raha misy te-ho voalohany, dia hatao farany amin'izy rehetra sy ho mpanompon'izy rehetra izy.". (Na i Piera koa aza dia "nahazo lesona" tamin'i Jesoa: "any ivohoko ianao ry Satana")
8. zandikely ( 17/09/2005 01:56)
Fanitsiana:
-Tsy marina ny filazana fa i Constantin no nanangana Papa voalohany, ny zavanisy dia izao:
Taminy IV siecle dia nanome fahafahana ireo kristianina hivavaka i Constantin ary toa lasa religion d'Etat ny fivavahana tamin'izany. Nanangana renivohitra hafa tany antsinana koa izy atao hoe Constantinople(Rome faha 2), izay lasa nifanina taminy Roma na taminy lafiny politika, fivavahana , koltoraly , Roma nampiasa tany latinina, Constantinople grika.
Tamin'ny IV siecle io dia nisy ny atao hoe theorie de la pentarchie:ireo fiangonana dimy naorin'ireo apostoly, dia (Rome, Constantinople, Alexandrie, Antioche,Jerusalem ), tamin'io dia nitovitovy ihany ny fahefan'ireo eveka nitarika ireo fiangonana 5 lehibe io na dia nanana ny tombony ihany ny evekan'ny Roma nantsoina hoe (PRIMUS INTER PARES na hoe premier parmi des pairs).
Tamin'io taonjato faha IV, io no nampiasana ny teny papa voalohany niantsoana ireo eveka 5 ireo fa taminy taonjato faha V dia nentina nilazana ny evekan'ny Roma, ary nihanitombo hatrany ny fahefany. Taminy taonjato faha XI dia nantsoina hoe ( centre de l'unité de l'Eglise et de la communion, norme de la vraie Foi, mesure de la tradition authentique).
Raha fintinina ny Papa dia dimbiny Piera fa saingy ny fahefany nihanitombo tsikelikely. Amin'izao: LE PAPE EST PLUS GRAND QUE LA PAPEAUTÉ.

Ny olana dia : dia nisy fotoana (1378-1417) nisy papa 2(ny iray tao Rome, ny iray tao Avignon), io no antsoina hoe (schisme d'occident) niafara tamina papa 3 telo taminy farany, fa iza no dimbin'i Piera tamin'izy ireo ?
Ny conciles moa no namahan'izy ireo io olana io.
9. zama91 ( 17/09/2005 19:42)
mahafinarita ilay adi hevitra fa mba tokony ahalala ny histoire ihany aloha isika katoalika eto eh.Tsy manino fa mba mahala kely ihany ny tena.
1) aza adino fa ny fanjakana romana io no nanenjika sy namonoa an'i jesoa sy ny apostoly rehetra saingy ary tamin'ny IV siecle dia nanova ny fomba amperora constatin nanendry tena ho solon'ni masindahy piera inona no antony.?
Mba tiako ho fantratrika eto fa izaho dia protestant fa mba mahalala kely ihany ny histoire katolika ka dia misokatra ho antsika ny ady hevitra indrindra fa ireo mahala ny histoire
10. zama91 ( 17/09/2005 19:47)
miala tsiny fa tsy i jesoa dia efa voalaza ny soratra masina mangataka anao mba hanaraka tsara ny ady hevitra eto dia ho fantratrao.satria ny voa no hamatanrany ny voany hoy ny Tompo izay;tsy tongatonga ho azy any e izany hoe papa iray masina izany e,mila fantarina ny antony,ary koa we inon&a no nampisaraka an'i katolika amin'ny prostestant?
11. ravatorano ( 20/09/2005 11:26)
lalina izany
:-D:-D:-D
12. deghany ( 20/09/2005 15:50)
f'anga tafiditra ato @ serasera kou i PAPA le?!!!
i bénouà mou?
13. zama91 ( 23/09/2005 16:29)
Raha ara baiboly no resahiny tsy misy hifandraisany amin'ny le papa ray masina amin'ny izao mihitsy,raha ara tantara indray anefa dia voalaza fa ny amperora constatin tamin'ny taona 326 no'' s'est fait autoproclamé'' solon'i petera .
Mba fantratsika eto moa ny zavatra vitan'ity emprora romana nilaza ny tenany ho papa ray masina ity?
ianareo milaza ny tenany katolika no mba tokony hamaly an'ilay fanontaniana ?
14. sonwin ( 25/09/2005 18:47)
raha ara-baiboly no resahina tsy misy hifandraisany amin'ny Pasitera marobe samy manana ny filazany amin'izao fotoana izao mihitsy,raha ara-tantara indray anefa dia voalaza fa i Luther no"s'est fait autoproclamé" (he he he...)
fa zany hoe zao ry zama an, tsy miasa saina amin'ny finoan'ny hafa zany fa izay mahasoa ihany:°)
15. LazaRandri ( 26/09/2005 00:07)
sonwin:

fa zany hoe zao ry zama an, tsy miasa saina amin'ny finoan'ny hafa zany fa izay mahasoa ihany:°)

ilay hoe "izay mahasoa ihany" dia tsy mazava amiko. Mahasoa an'iza? Ary inona ilay mahasoa?

Angamba tsy fialana andraikitra toy izany loatra no andrasana amin'ny Kristianina. Raha tsy niasa sy miasa saina sy vatana, ary fanahy ho antsika i Jesoa; dia very daholo isika rehetra.
"fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin'Andriamanitra, nefa hamarinina maimaimpoana amin'ny fahasoavany izy noho ny fanavotana izay ao amin'i Kristy Jesoa" Romana 3: 23-24

Raha navelan'Andriamanitra hiala andraikitra sy nandositra tany Espagne (Tarsisy) i Jonah dia tsy nibebaka sy tsy voavonjy ny tananan'i Ninivea.



16. sonwin ( 26/09/2005 07:10)
Ny mahasoa ve? :D manala azy de mihomehy:lol:, da fety be da fety beo^o ,
Dia ahona ilay hoe "kristianina mandray andraikitra"? manoratra soratra masina bdb eto amin'ny forum ve?:-@, dia manadihady momba ny Pape?:@
17. LazaRandri ( 26/09/2005 23:10)
sonwin:

Ny mahasoa ve? :D manala azy de mihomehy:lol:, da fety be da fety beo^o ,

Indrisy fa mahasoa anao manokana izany, kanefa tsarovy fa mandalo fotsiny ihany. Fa sambatra ny malahelo am-panahy sy ny mahantra hoy i Kristy.


sonwin:
Dia ahona ilay hoe "kristianina mandray andraikitra"? manoratra soratra masina bdb eto amin'ny forum ve?:-@, dia manadihady momba ny Pape?:@

Rehefa raisinao ny Fanahy Masina dia ho fantatrao foana ny dikan'izany hoe andraikitra. Na izany na tsy izany aza aloha tsy "manala azy" araka ny teninao ny fandraisana andraikitra.


18. sonwin ( 27/09/2005 08:12)
:D merci amin'ilay mananatra an fa ohatran'ny tsy dia misy tohiny ara-lojika loatra ilay valin-teninao raha oharina amin'ireo voalaza eny ambony.8)
19. ari.malala ( 27/09/2005 11:27)
LazaRandri:

sonwin:

Ny mahasoa ve? :D manala azy de mihomehy:lol:, da fety be da fety beo^o ,

Indrisy fa mahasoa anao manokana izany, kanefa tsarovy fa mandalo fotsiny ihany. Fa sambatra ny malahelo am-panahy sy ny mahantra hoy i Kristy.



manin ary no tsongatsongaina ohatran'io ny Tenin'Andriamanitra!!! :) d inona koa no tena anton'nle adihevitra momba ny pape? :)
20. LazaRandri ( 27/09/2005 22:19)
ari.malala an, ny Teniny natao ho vakiana sy ho fantatry ny besinimaro. Rehatoa manafitohina anao ny Teniny dia aza vakiana na fehezan-teny iray monja aza.

Ilay adihevitra momba ny Pape indray dia izay nanolotra ny lohahevitra anontaniana:)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4221