fombafomba sy ny fandehany

1. booboo ( 15/09/2005 16:04)
Ahoana no fizotran'ny fanambadiana araka ny fomba tena malagasy kay ? Fisehoana sy ny tariny, iza aby mpandray anjara, zavatra ilaina, zavatra atao sns.

Sôtra.

2. Veloo ( 15/09/2005 17:37)
raha io ndray retsy ry booboo dia tena very za a :wink:
3. xxx ( 15/09/2005 17:51)
raha ny fahalalako azy an ! fisehoana dia vodiondry ihany , manome peratra ,de misy tena manomé vodina ondry mintsy, io ze tinao asaina fa aza hadino ny ray amandreny be hono hanomé ny tsodrano ! dia avy eo ny soratra (mariage civil) de avy eo any ampengonana ...
zay ny fazahoako azy ka dia mahavita soa e !
4. jajaf401 ( 15/09/2005 17:52)
Fisehoana: ny tompony aloha de tsy maintsy eo eh; de ny ny mpitondra teny koa ho solon-dRay Amandreny; ny toaka koa aza hadino fa efa fety io ah ary tsy mateza ilay fanambadiana raha tsy misy toka eo;
de vody ondry; de zay!=))=))=))=))
5. Veloo ( 15/09/2005 19:33)
de zay fotsiny ve? to tsy ampy zany knou
6. Herimiafina ( 16/09/2005 00:11)
Fifampikaotiana: le bandy sy le sipa.
Fiarahana: le bandy sy le sipa + akama akaiky.
Fifaneraserana: bandy+sipa+ray/amandreny+havana akaiky.
Firesahana matotra: bandy+sipa+RARn'ilay sipa (tezitra)
Fierana amin'ny RARn'ilay Bandy: le bandy+papa sy maman
Fivorimpianakaviana: le bandy sy ny fianakams-ny.
Fisehoana: tout le mondy.
Vodiondy: tout le monde.
Soratra: tout le mondy.
Fanamasinana: tout le mondy.
Voyage de naosy: le bandy de le sipa.

Aza adino fa misy kabary foana isak'ireo etapy rehetra ireo. Mila mahay kobaka ambava be mihintsy izany e.
7. pika ( 16/09/2005 04:14)
@ akapobeany ireo voalazan'i hermiafina ireo
fa ny pitsopitsony kosa arakaraky ny fihaviana samy manana ny fombany ny faritra
fisehoana manolotra tapimason'anadahy
vodiondry ho an'ny RAD solon'ny tsaka rano, ala volofotsy, ... misy koa anefa ny tena mitaky omby mihitsy ... , sy ny peratra
soratra any @ firaisana
mariazy any ampiangonana
de le anona avy eo :-D
8. naritsimba ( 16/09/2005 09:32)
salama e!
1-Ny fisehoana na fiantranoana @ Malagasy dia ny fisehoana'ny zatovolahy hanambady miaraka amin'ny Ray aman-dreniny any @ Ray aman-drenin'ny zatovovavy ka @ io fotoana io no hanolorana ny tapi-mason'anadahy alohan'ny tena hirosoana @ dinidinika rehetra. Eo ihany koa no andinihana ny fotoana anaovana ny vodiondry sy ny soratra ary ny Mariazy.

2-Ny vodiondry indray dingana manaraka tsy maintsy atao satria eo no fotoana iarahan'ny zatovolahy sy ny RAD ary ny fianakaviana izay voaasa andehanana any @ fianakavian-drazatovovavy ka hanatanterahana ny fanolorana ny vodiondry sy ny fomba rehetra, ny fomba tany any @ drazazavavy no arahana eo fa tsy ny fomban-drazazalahy akory.Indraindray eto dia misy tsy mahazo ny zazalahy raha tsy voahaja ny fomba tany any @ drazazavavy.
Ary ny vodiondry no tena maha malagasy ny malagasy.

3-Eto indray dia ny soratra any @ fanjakana no atao

4-ary farany dia ny mariazy izay hamasinina any am-piangonana, tsy azo atao ny manamasina mariazy tsy vita soratra ara-panjakana.

Io ny ambangovangony.

Misaotra anareo namaky
9. booboo ( 16/09/2005 10:28)
Naritsimba > ary raha hidirana lalindalindalina ireo ambangovangony ireo ? ( ohatra hoe, inona ilay fombafomba, karazana kabary atao sns, sa lava loatra ?)
10. Kotity ( 16/09/2005 11:31)
Hoy I Herimiafina

Aza adino fa misy kabary foana isak'ireo etapy rehetra ireo. Mila mahay kobaka ambava be mihintsy izany e.


De iza zany no mikabary any @ le voyage de naosy, le bandy sa le sipa hihihi, fa sur aloha fa le bandy mahay kobaka ambava be @ io e.
11. sechat ( 16/09/2005 11:47)
Herimiafina >:lol:
Booboo> ngah ndry hanambady? :}
12. booboo ( 16/09/2005 11:55)
sechat > aaa fa te-hahafantatra fotsiny au cas où miova hevitra hihihihihihihihi
13. Herimiafina ( 19/09/2005 20:43)
booboo:

sechat > aaa fa te-hahafantatra fotsiny au cas où miova hevitra hihihihihihihihi



Miova hevitra ahoana, hanambady olona vaovao sa hanambady tampoka indray.:-D:-D:-D:-D
14. Veloo ( 19/09/2005 20:56)
miova hevitra??? mety efa misy zany ao raha misy ao tsy mahazo manome vody ondry tsony njy :-D:-D:-D
15. Herimiafina ( 19/09/2005 21:14)
Le tapak'ilay ondry ambony indray omena e.:-D:-D
16. Veloo ( 19/09/2005 21:21)
zay ny anjy ry booboo..:-D:{:{
17. zefalah ( 22/09/2005 15:48)
1/ misy zavatra atao hoe tapi-maso.
omen'ralelahy an'lay anadahin'lay kala.
faharoa/ misy zavatra atao hoe ;vody ondry.
de manaraka eny ny fifalina samy afa.
fahatelo;kabary/eo ampangalana .
efatra/zay vao firosona aminy fanambadina.
fahadimy/fisoratana.
6/volan-tately :lol: reve be zany.
de zay alo le aiko.
18. ravakamalala ( 27/09/2005 13:54)
Inn le tapimaso ry zefalah?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2374