firaisankina aty an dafy

41. xxx ( 19/10/2005 18:56)
mahamenatra indrindra fa ny Malagasy eto Paris izany hivavaka izany aloha manavaka volonkoditra mifampijery fiara izany no atao any
mahamenatrolona , miavona nefa tsy de mankaiza é!!!refa mitsikitsiky aminy éla lazainy fa gasy vao tonga hono GVT ,miady antoerana mizara efa firy ny fiangonana protestanta eto Paris nefa jereo ry zalahy katolika tsy mba mizarazara toa io mahamenatrolona minambola fiangonana ve tsy atao mifangala vady aoka fotsiny
42. xxx ( 19/10/2005 18:58)
rahoviana vao mba hifanaja sy hiray hina
43. diloo ( 20/10/2005 01:04)
Sendra nandalo teto aho,
Akory daholo aloha,
Raha aty Frantsa ny resaka firaisankina, dia miankina ny renivohitra misy ny tsirairay.
Ny ao Parisy aloha,miala tsiny aho fa lasa "snobisme" ny fomba fietsika ny ankamaroan'ny mponina malagasy aho.Resaka "apparence" fotsiny no tena hita maso.
Asa aloha fa na dia ny olona sahirana aza dia aleony mampiseo harena faosika manoloana ny be sy maro toa izay mitsinjo ny ho aviny.
Ohatra fotsiny, voatery mamonjy "bal à 100€" ny fidirana ho hitan'ny olona fa katra be.Nefa ny sakafo sy ny trano hiainana tokony ho ara-dalana sy ho karakaraina,mampahonena.Ny fitafin-dreo aoka fotsiny.Aiza,misy ny sasany,mahavita misolo akanjo indroa(ao anatin'ny fiara na toilette no misolo).
Izahay avy aty "régions na département" dia tsy mivaky loha amin'izany fa dia manao fietsika tsotra sy ara-dalana fotsiny dia ampy.
Ny tena tarigetranay dia ny fihaonana hiaraham-paly.Ry zareo ao Panam rehefa mahitanay tsotra fitafy, dia manao fijery mivilana.
Ny akamaroan'ny avy any "Provinces de France" amin'ny an-kapobeny dia miray hina sy "toute occasion est bonne pour se rencontrer".
Ny tena GVT dia ny ao Panam:"Il n'y a que des arrivistes là bas".
Somary miala tsiny ihany aho aloha raha mamely.Ny tena marina tsy ny rehetra akory no toy izany fa misy ihany koa olona mahafinaritra sy manampy raha misy ilaina.
Ny "Qualité de vie" angamba no mahatonga ny tsy fitovizan'ny fiainana ao Paris sy ny Provinces:Izany no mahatonga ny olona any "conditionnés par les apparences".
Fehiny:Ny firaisankina misy aty Frantsa,saingy arakaraka ny toerana misy ny tsirairay.
Veloma o:?
44. bozimanga ( 20/10/2005 08:54)
izahay eto dago miray hina tsara
45. menakely ( 20/10/2005 18:43)
salut!
za mantsy nomenareo tsiny raha tezitra t@ sipa(Mme)2 zay,ilay izy anie raha tsy mamaly anao na tsy mijery anao tsotra zao de tsy maninona fa tena le reaction sasany tsy mamely mihitsy noho manidrona anao direct zany ary na ilay olona manjary tadidinao tsotra zao nohony fihetsiny.
malaza mihitsy antsika eto Paris!
46. Herimiafina ( 24/10/2005 04:35)
Aiza hoa i fijo zay no efa elaela tsy heno e?:-w
47. marozevo ( 30/10/2005 00:50)
Arakarak-ilay an dafy koa io, Any Italie dia tsy misy olana mihitsy fa mizotra tsara ny fiaraha miainan-ny gasy na ny GEE na ny GVT *Gasy efa ela sy gasy vao tonga. Ny vao tonga dia ampian-jareo tsara be. Tsy misy fanavahana na ara-politika na ara-pinoana. In-droa isan-taona no manao fihaonam-be ry zareo dia amin-ny taom-baovao sy amin-ny 26 juin. Mahatratra hatrany amin-ny 200 mahery any ny olona tonga, ary ny Ambasadaoro mihitsy no manome voninahitra ny fihaonana.
Enga anie mba haharitra izany. Mahereza daholo ianareo any Italie.
48. Herimiafina ( 31/10/2005 01:19)
Tena malahelo an'ilay mamangy fijo zany zah e, aiza ileiry izay?8)
49. Veloo ( 31/10/2005 21:34)
lasa nanao vakansa i ra-fijo be:-D:-D
50. anare ( 02/11/2005 16:59)
izaho manokana dia mbola tsy nahita fanavakavahana hoatra ny nahatongavako taty.asa alohany anareo fa izaho dia mila ho in-5 isankerinandro no maheno ity fitenenazna ity hoe : zahay avy any sud-set, zahay tsimihety, zahay zao zahay zao, sy zay rehetra tsy voatanisa.Dia hoy aho namaly ny farany hoe : zaho kalongany gasy e !Diso fanantenana aho hoe @ity efa fahasamihafana firenenan ity ve dia mbola hasina koa hoe fahasamihafana fihavia sika samy sika io an ?
51. fijo ( 03/11/2005 21:09)
ity aho fa tonga e.za koa nalahelo ny teto,fa atao akory fa nisy olana kely e.tsy nigadra akory an.
52. xxx ( 30/11/2005 15:49)
anare:

izaho manokana dia mbola tsy nahita fanavakavahana hoatra ny nahatongavako taty.asa alohany anareo fa izaho dia mila ho in-5 isankerinandro no maheno ity fitenenazna ity hoe : zahay avy any sud-set, zahay tsimihety, zahay zao zahay zao, sy zay rehetra tsy voatanisa.Dia hoy aho namaly ny farany hoe : zaho kalongany gasy e !Diso fanantenana aho hoe @ity efa fahasamihafana firenenan ity ve dia mbola hasina koa hoe fahasamihafana fihavia sika samy sika io an ?



eny eh marina mihintsy izany tenineo izany ary hiaraha mahita mbola manaraka atraty ilay fanavahana amin ny maha samy gasy nefa dia samyMALAGASY daholo mahamenatra eto la reunion izao dia hitanao mitokana mihintsy ny merina any saint denis majorité ary ny cotiére sud est sy nord le port ohatran ny tsy mahay miaraka maninona nefa raha mitambatra vato eh
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2556