mba ahoana ny hvtrao?

1. rubia ( 12/09/2005 21:20)
Ny hvtro manokana dia tsy tiako ny hanam-bady nohon'ny antony marobe,izany hoe miteraka fotsiny aho dia ampy ahy ny zanako,izaho ihany no mamelona azy,raha omen'Atra aho(vady io)dia tsy laviko fa ny hvtro manokana dia laviko,tsotra ny antony nohon'ny toetran'ireo lehilahy tsy mataho-tody sasany.
novalian'i cocorie ny 19/09/2005 14:31
2. rubia ( 12/09/2005 22:16)
:lol:
3. adidy ( 12/09/2005 22:43)
Somary fitiavan-tena ihany ny anao satria ny zaza mila ny rainy sy ny reniny hivelarany @ fiaraha-monina. Ny kamboty ary efa tsy fidiny. Marina anefa ny voalazanao @ toe-tran'ny lehilahy mety ho ratsy, ny vehivavy koa ange misy ratsy e, izay no ifidianana tsara izay ho vadiana. Na dia manana ny ampy ary ianao hamelomana azy, izy tsy maintsy hanadihady ny fototra nihaviany, ary mila fitaratra(modèle)
4. Herimiafina ( 12/09/2005 23:52)
Rubia! Ny fanambadiana dia zavatra tsara. Tsy ataotao foana anefa izy io fa mila fandinihina lalina. Fa inona moa no ataonao hoe ''lehilahy tsy mataho-tody eto''?
Sao dia mpamitaka, mpanararaotra? Marina ny anao raha izay.

Momba ny zaza kosa indray dia ilaina tokoa raha azo atao ny fananany Ray, na Reny , ou à défaut olona roa tsy mitovy sexe afaka mitaiza azy.

Misy effet psychologique goavana be mantsy izany hoe tsy manandray izany, na tsy manandreny izany fa lasa deséquilibré amin'ny lafiny maro ilay zaza rehefa lehibe.

Omeko ohatra ianao: ''Ny zazalahy kely dia mila ny rainy mba hahamafy ny virilité-ny, mi-défier ny virilité de son père foana izy mandrapahalehibeny''.

Ka matetika ny sarimbavy sy ny vehivavy toetra dia notaizan-dreny sy renibe fotsiny ary tsy nanana influence taminy ny rainy fony izy mbola kely.

Raha hitoka-tena ianao dia tsara ny zanakao mifanerasera amian lehilahy (tonton, na ray kely any aoriana any, etc.) mba hi-développer-ny ny virilité-ny.

Fa tsara ihany raha ny tena rainy no manao izany.
Ary aza miaraka amin'ny lehilahy tsy mataho-tody intsony amin'ny manaraka raha sendra izany ianao.
5. nanourand ( 13/09/2005 01:00)
Ny hvtro manokana dia tsy tiako ny hanam-bady nohon'ny antony marobe,izany hoe miteraka fotsiny aho dia ampy ahy ny zanako,izaho ihany no mamelona azy,raha omen'Atra aho(vady io)dia tsy laviko fa ny hvtro manokana dia laviko,tsotra ny antony nohon'ny toetran'ireo lehilahy tsy mataho-tody sasany.

voalazanao tasra mihitsy hoe SASANY.
Manarak'izany ny fanambadiana dia tsy natao hoe ho anao irery, raha toa ka mbola mivelona ao anatin'i fiarahamonina sy ny fianakaviana enao, marina mihitsy ny tenin'i adidy : Ny zaza mila ray sy reniny. Ny fanambadiana koa dia natao ho fanomezamboninahitra sy ho fanajana ireo ray sy reny nitereka. Ary ne tena zava-dehibe indrindra dia ny fanambadiana dia natao hanomezan'mboninahitra an'ilay Nahary antsika rehetra, satria satria izay no zavatra nataony farany indrindra alohan'i andro fitsaharana mba ho lavorary ny tontolo novariny.
Ary farany raha samy ieritreritra hoatran'izany daholo ny olombelona dia ho lany tamingana isika satria raha ieritreritra hoatran'zany koa ny lehilahy dia na dia ny hiteraka @ vehivavy aza mety tsy ho ataony, @ fomba ahoana no azahoanao zanaka raha tsy misy lehilahy iray manaiky?... satria samy hilaza daholo fa samy mahavita tena, ...
tsara ny iray mahavita fa mia tsara kokoa ny roa mifampiankina ... voir 3 na 4 ...
ny zanaka notiko tenenina @ lé 3 sy 4.:°)
jereo @ manodidina anao fotsiny hoe maninona enao no nananjo ahazo ray sy reny ary fianakaviana dia ny zanakao horaranao tsy hanana an'izany?

miala tsiny aho raha sendra diso ny eritreritro.

6. Liltax ( 13/09/2005 04:09)
Ny fanotanina tiko apetraka @ rubia fotsiny de izao : enao ve t@ mbola tanora na mbola kely niaranipetraka t@ dadanao sy mamanao ?? de ahoana ny fahitanao azy ??
Za lou mahatsapa sy mahatsiaro fa hafa ihany zany eo anivon'ny ray amandreny zany . ohatra raisiko fotsiny " raha bedin'i neny de any @ dada mba mitampifipify de ny mifanohatra @zay raha i dada no mibedy ohatra fosiny io fa bdb no mbola azo tenenina ...
Za zany mahita fa tsy lavo rary ny fiainan'ny ankizy ray raha tsy eo anivon'ny ray amandreniny eny fa na dia manana ny ampy aza izy.
Raha misy koa namany sendra miantso " dada " ohatra de mety ho taitra izy ; ary hanotany tena hoe : " ary ny ana mba iza no dadako? "
7. pika ( 13/09/2005 04:39)
misy lafiny maha mety azy raha toa ka ho sendran'ny vady tsy mamely: tsy miasa, mamono,mamo lava, sns...
nefa kosa mifono fitiavantena izany
izao ianao tanora dia miteny izany fa rehefa antitra dia ahoana :?:
raha lehilahy 1 no niteraka problème soly hafa tsara2 kokoa e raha in1 mandeha ny manta vary aza mandevintsotrobe
fa tsara kokoa ny roa noho ny iray
8. sasa ( 13/09/2005 04:53)
za aloha tena contre an'le hevitry ny rubia, tena ilaina foana ny lehilahy, am rehetra, tsy misy olona lavorary fa tsy maintsy misy défaut daholo na isika rehetra eto izao aza, ny zanaka no tena mila an'azy na tsy tianao aza izy, d raha tia ny zanakao ianao d mandefera, fa raha tsy mandefitra enao d tia tena no sady tsy tia ny zanakao, misy fiatraikany be da be am zaza ny tsy mahaeo ny rainy, ny kamboty aza efa tsy fidiny hoy le fitenenana. ny vahaolana fotsiny alohan'ny hanambadiana d fantaro tsara aloha le olona hovadiana fa raha fantatrao ny qualité sy ny défaut-ny alohan'ny hanambadianao azy afaka manitsy azy tsara enao amin'ny fomba rehetra
9. mandrindra ( 13/09/2005 08:53)
rehefa tsy tianao ny lehilahy dia miaraha amin'ny vehivavy fa efa andron'ny fahalalahana izao. Mandehana any amin'ny hopitaly dia mangala sperme any fa efa misy ny mpanome don dia amin'izay ianao bikina tsy mila lehilahy.
10. cocorie ( 13/09/2005 08:55)
Marina akia zany rubia refa sendra ny lhl tsy mahatahody de manana ny hevitra otran'dry, tsy manome tsiny za satria vao maika mampitombo problème le lhl. saingy rehefa misy zaza de tsy maintsy ny ho avy le zaza sisa no jerena e! ataovy mifantoka any ami' le zaza ny fo sy ny saina.
11. booboo ( 13/09/2005 09:04)
na izany na tsy izany tadidio fa enao reniny no nisafidy tsy hila ilay géniteur fa io zanako io mila ny rainy !
12. mamzelkely ( 13/09/2005 09:06)
Rubia< tsotra fotsiny, erotrereto tsara alo fa zany fanambadiana zany de zvt important eo am fiainana sady en plus enao raha hiteraka zany de mila ny rainy fôna le zaza... ka ra afaka manambady de ataovy ihany satri ts ho anao rery zany fa ho an zanakao ko de ho an zay ho vadinao... ny olona mifankatia ts afaka mivady aza efa tsy fidiny...:wink:
13. xxx ( 13/09/2005 12:41)
Izaho vonona hanamboatra ilay zaza raha mety e! na hiala aza aho avy eo tsy maninona
14. deghany ( 13/09/2005 14:56)
xxx:

Izaho vonona hanamboatra ilay zaza raha mety e! na hiala aza aho avy eo tsy maninona


de za hanamboatra zandry ho an'la!! heheheeheh
15. aliotsy ( 13/09/2005 15:08)
herimiafina misy olona zay niteny fa sarotra be olo zany fanambadiana izany
16. Veloo ( 13/09/2005 21:21)
rubia, mila ny ray sy ny reny ny ankizy, nefa kosa rehefa sendra ny ray tsy mahavita azy marina ny anjy aleo tsy manana retsy a... Ka io mi-dependre an'ilay vady ho anao matanjaka ny sainao ka mieritrereta tsara retsy sy jerevo tsara ilay vady ho alainao.
17. cutie ( 13/09/2005 23:44)
Mpandefa : rubia [ Valio ] 12-09-2005 23:20:38
Lohateny : mba ahoana ny hvtrao?
Ny hvtro manokana dia tsy tiako ny hanam-bady nohon'ny antony marobe,izany hoe miteraka fotsiny aho dia ampy ahy ny zanako,izaho ihany no mamelona azy,raha omen'Atra aho(vady io)dia tsy laviko fa ny hvtro manokana dia laviko,tsotra ny antony nohon'ny toetran'ireo lehilahy tsy mataho-tody sasany.

Mbola tsy tojo ny tian-dry mgamba ndry de miteny an'zany .
18. lilbon ( 14/09/2005 04:34)
hihiih!
ratsy njay zany kle !ho very ihany ny lehilahy fa ilaozan'ny vehivavy !tsy maintsy hilalao tanana ihany raha izao no mitohy kle
19. cristal ( 14/09/2005 12:07)
(l)Mety misy kosa anamba ny atony manokana fa ny hevitr'ise de tena manambara fa fitiavantena ny an'ise,nefa raha toa ka leo ny omaly ve de ny lehilahy rehetra no omenao ny tsiny fa nahoana kosa?De aleo ve ataon'olona hoe miteraka tsy manambady toy izay mivavaka mafy de mahazo zay tena sahaza anao!Fa hita ihany koa hoe tsy te hofatorana ianao,na tsy te ho responsable zany de tsarovy fa refa antitra ka tsy misy mpikarakara de eo vao tonga saina hoe...De ahoana raha misy olona milaza fa te hiteraka aminao izy de ianao ve zany no hamelona irery ny zaza?Hivavaka ho anao aho de manantena fa JESOSY EFA MATY MBA ANALA NY RATSY REHETRA,noho izany tsy maintsy ahita ny tena tianao ianano!mandram-panoratra ô!
20. fijo ( 14/09/2005 21:29)
cocorie;ndry mila vahaolana an.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6014