Ny marriage arrangé na forcé dia manana succes.

1. Herimiafina ( 07/09/2005 19:41)
Araka ny mpandinika sasany dia ny divorce dia betsaka tokoa ankehitriny ary matetika dia ireo mariazy niforona normale no mora rava.
Ny mariazy maharitra indrindra sy atao hoe succès nefa dia ny an'ireo izay arrangé sy forcé na namboarin'ny RAR.

Rehefa anatao ny sondage dia hita fa afaka mandrava izany tokoa ireo izay nanao mariazy arangé sy forcé nefa tsy nataony izany satria tiany ny paertenaire-ny.

Midika ve izany fa: "Toy ny nidirana no nivoahana" izany hoe sitrampo ny nanambadizana ary dia sitrampo ihany koa no nisarahana?
novalian'i booboo ny 27/09/2005 09:27
2. sipagasy ( 07/09/2005 19:44)
hihihi cekezem ihany e!! hihih mahereza
3. Herimiafina ( 07/09/2005 19:57)
Ka le cekezem anie ry sipagasy miovaova isaky ny iray minitra e.
4. ravakamalala ( 07/09/2005 20:55)
Ianao iahny dia nahavaly ny fanontaniana, toy ny nidirana ny ivoahany, izy no nanapakevitra hivady dia izy koa no hanapa kevitra hisaraka.
Indrindra moa fa aty am faritra occidental, tena efa lasa société de consommation loatra ny société aty, hany ka na ny fitiavana avy aza dia heveriny ho toy izany. Zarina sy taizaina ny olona hoe manatsafidy foana ianareo, ary mbola mety mahita ny tsaratsara. Dia ny vady avy no atao ohatran izany.

Ny an ilay forcé indray dia matoa maharitra tsy dia hoe tiany ny partenaire-ny ( mety ho ao ihany zay fa tsy io fotsiny no antony) fa voalohany indrindra ireo dia olana manoa ka raha efa nanoa sy nanaiky hatram voalohany izy dia ho ataony hatram farany.

Ny fanazavan airney mariage arrangé ireny dia hoe : Ny RAD no tena mahafantatra izay mahasoa ny zanany, ka izy no hahay hifidy izay vady sahaza azy, noho izany dia terena fotsiny zao ny ankizy. Mety misy fahamarinanay ihany an, iza marina moa no andeha hanolo bato mafana ny zanany?
5. IDEALY ( 08/09/2005 03:08)
ka de arranger-o sy forcer-o daolo ny mariage-nareo sy zanakareo ary ny havanareo @ maharitra mandrakizay
6. IDEALY ( 08/09/2005 03:19)
ka de arranger-o sy forcer-o daolo ny mariage-nareo sy zanakareo ary ny havanareo @ maharitra mandrakizay
7. IDEALY ( 08/09/2005 03:27)
ka de arranger-o sy forcer-o daolo ny mariage-nareo sy zanakareo ary ny havanareo @ maharitra mandrakizay
8. bimanoa ( 08/09/2005 04:22)
Izay le hoe tsy mitovy ny ETRE AMOUREUX sy ny AIMER, ny 1º hoan' ireo nifankatia d nanao mariazy, ETAT lay être amoureux, amin' iny mivaivay ny fitiavany ka raha tsy hainy ny mitazona azy d ho mora maty fa le 2º ACTION, hoan' ireo izany ni-arranger-na na ni-forcer-na ny mariaziny, izy ireo mihitsy no mandeha mitia ilay vadiny, mianatra/miezaka mitia ilay vadiny.
9. pika ( 08/09/2005 04:31)
efa simba ny saina araka ny tenin'i ravakamalala ny mpitazana mahita fa succes fa izy ao anatiny raha tsy tena nifankatia dia misacrifié ny tenany fotsiny
atao ahoana moa ny hanoroka ny olona terena ho horohinao mba tsy hitenenako hoe vita sy mankafy ve ianao raha tsy ...:^)
10. lilbon ( 08/09/2005 04:31)
azafady e!
nahoana tokoa moa no maharitra ny fitiavana arrangé?
1/ maharitra izy ireny satria hatrany am-boalohany dia tsy fitiavana no iarahana .fa matetika de resaka patrimoine no tsinjovina , zany we lova tsy mifindra .ka tsy misy ao ny fitiavana fa fifandeferana no betsaka ao .de samy tsiss teritery,
sm sm daholo ny azy ze tsy aharava ny harena no tanjona
izany tsy midika fa sambatra ireo an , lavitra be !
de zany no mahatonga reny mpanjaka reny we nanao sipa tary hono de miseho gazety scandale fa reny alou de mateza.
11. lilbon ( 08/09/2005 04:39)
2/ de misy ny mariage par amour!
satria refa amour no resaka ao de tsy an-tery zany!
ka rehefa misy ny disadisa sy tsy fitovian-tsaina de misaraka ireo olona ireo .ireo le olona mitady hatrany ny fahasambarana betsaka amy izy ireny no sambatra fa betsaka ihany kou ny maratra.

3/ tadidio fa eo amy fiainana matetika de tsy indray azonao daholo ny rehetra ny fitiavana de ny pouvoir sy ny harena .
4/ manana ny anjra tsara sy anjara ratsy avokoa ny olona tsi11 eto an-tany !
12. mora ( 08/09/2005 09:09)
Efa mba hitan'ireo nanao ny sondage ve hoe tsy miodina any ambadika any ireo arrangé na forcé mba analany azy ka ivelany izy milamina fa anaty misy ratra kely iany ho an'ny couple?
13. pika ( 08/09/2005 10:05)
io ry mora tonga @lay hoe fiantsiarambelatsihy sisa a
trano no iraisana dia samy vita
14. vahiny2004 ( 08/09/2005 10:57)
Izaho dia miombo-kevitra tanteraka @ bimanoa @ ilay hoe "être amoureux" et "aimer". Toa afangaron'ny olona ilay izy matetika

15. ralaisa ( 08/09/2005 11:01)
Tena manao izay makarary ny lohako i Herimiafina.Indraindray izy toa olona moderina malala-tsaina,androany toa tsy haiko izay nahazo azy fa nivaralila.
Raha ny hevitro dia efa mba tokony hanana ny fahaleovan-tenany ny olona tsirairay aminy safidy ataony avy.Na tsara na ratsy safidinao dia mba zo-nao iny,tsy natao hitsabahan-olonkafa.
16. pika ( 08/09/2005 13:59)
na rava aza ilay fiarahana fa sitraponao ny niditra sy ny nivoaka tsy misy nenina izany
izay vita dia tantara e
tsy matsiro koa anie ny fiainana raha tsy ao ny tsara sy ny ratsy e
17. jentilisa ( 08/09/2005 14:29)
Misy ilay fiteny hoe: "je veux t'aimer" izay samy hafa tanteraka amin'ny hoe "je t'aime". ny je t'aime dia fihetseham-po fotsiny. Ny fihetseham-po anefa dia miovaova tokoa sy mora manadino. Ny je veux t'aimer kosa indray dia misy fahavononana mihitsy tahaka ny hoe mandray ny andraikiny amin'izay teniny izay izy.

Antsika ihany ny misafidy!
18. cocorie ( 08/09/2005 14:48)
Amiko tsy fitiavana ny arrangé na forcé fa arak'izany de hoe nalamina sy noterena. miharitra fahoriana sy zay zava-miseho ny ao anatiny ao. Succes ho any ety ivelany mitazana fa fijaliana amizay miaina aminy
19. Veloo ( 08/09/2005 17:18)
herimiafina eo ko ilay fiteny oe hajao ny rainao sy reninao (mihaino an-drizareo ko an) mba ho maro andro ianao amin'izay alehanao rehetra... Mety ho marina mihitsy zany. NY RAD solontena nomen'andriamanitra antsika :wink:
20. Herimiafina ( 08/09/2005 19:37)
Dia ahoana izany ny resaka "fitiavana"? Ilaina ve sa tsia raha te hanana tokantrano maharitra?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1225