sorona ho an'i Satana

1. jentilisa ( 06/09/2005 07:44)
Vaovao iray nanaitra tato ho ato hita tany anaty gazety ity ambarako etoana ity. Teto Madagasikara no nitranga ny tantara. Mba hahazoan'ireo mpitrandraka vato sy hahitany vato hoe dia nisy zazalahy iray izay nataony sorona. Ary dia tontosa tokoa izany. Nambara aza moa fa naman'ilay zazalahy ihany no nanao ny sorona. Ahoana ny hevitrareo amin'izany?
2. pika ( 06/09/2005 07:57)
mbola betsaka izany eto ary tsy ny mpaka vatosoa sy volamena ihany fa ny te hitazona toerana .... mitaky vavaka bediabe e
3. sonwin ( 06/09/2005 07:57)
gaigy be izany
4. jajaf401 ( 06/09/2005 09:56)
De nahazo refa avy teo????????????????????,:?::-D:-D
5. jentilisa ( 06/09/2005 10:08)
Vao tsy ela akory anie izany e! araka ny hitako any amin'ny lohateny dia voalaza fa hoe nahatsiaro voafitaka ny renin'io zazalahy io (gazety androany io).
6. ravatorano ( 06/09/2005 10:24)
olona gaigy izany
tena gegy fa gazety innnletsy zany fa za mba nijery ihany fa tsy mahakobo kle.
Sorona miaro hadalana sy havendranana izany innn letys no azo amin izany fa d ilay kofakely no maty bojo ah !
7. booboo ( 06/09/2005 10:35)
matetika tô biby no asain'i dadarabe sasany atao sorona fa ity kosa tokony hombohina mbaka izay dadarabe nanome io hevitra an-dry zalahy io
8. mandrindra ( 06/09/2005 10:43)
izao no hiafaran'ny finoanompoana. Sendra izay dadarabe mitapy. Amin'ny tranga toy izao dia tokony ampiarina ny lalan'ny silamo (atao amin'izay nampanao ny ratsy ny vitany) amin'izay mety ho tonga saina ry dadarabe fopla isany.
9. stephan ( 06/09/2005 12:44)
toa ny gazety MaLaza an'i Midi izy izay koa...izay no nisy azy io?
10. jentilisa ( 06/09/2005 14:45)
efa nisinisy ihany moa ny tsahotsaho isan-karazany...izany hoe resaka tetsy sy teroa izay tsy nohamarinina na nodisoin'ny gazety fa ity indray mitoraka ity no mba nisy niteny. Nisy ohatra ny filazana fa tamin'ny fanamboaran-dalana nataon'ny COLAS dia nisy vatobe izany tsy mety hiala na hipoaka raha tsy anaovana sorona tahaka izany koa. Ary ny tena mahavaka dia tena fepetra hentitra mihitsy no tadiaviny. Ohatra tovolahy tsy mbola nanao firaisam-batana...ny matetika anefa dia tovovavy no tadiaviny.
11. sonwin ( 06/09/2005 14:48)
misitery zany kle
12. booboo ( 06/09/2005 15:00)
habibiana kah !
13. Veloo ( 06/09/2005 15:35)
nila namaky in efatra mihitsy aho vo mba nahazo ny tianareo lazaina... Loza ty tsy mahay teny gasy kle... tena habibiana marina retsy ry booboo a..
14. jentilisa ( 06/09/2005 16:30)
efa hita tokoa ve ilay gazety ravatorano a?
15. rijatsif ( 06/09/2005 22:54)
Dia matimaty zany foana ilay kôfa ê! indrindra raha tsy nahazo vato akory mba hovidian'ny vahiny mora foana.
16. majesty ( 07/09/2005 03:58)
mila mailo mailo ihany zany ry mpanao vakansa any @ dezaka any sao de ataon-ndry zalahy sorona any :lol::roll:
17. sonwin ( 07/09/2005 15:48)
gaigy be
18. pitchou ( 07/09/2005 17:59)
efa tsy mahita atao!
19. Herimiafina ( 07/09/2005 18:17)
:roll::roll::roll::cry:
20. Herimiafina ( 07/09/2005 18:55)
Indray andro izay aho tany Moramanga tany, tao amin'ity tanana iray antsoina hoe Ambohitranjavidy, lalana makany Ambatondrazaka.

Nanamboatra lalana tamin'iny ny SOGEA sy ny COLAs tamin'izay ka ny tetezana dia anjaran'ny SOGEA (Raha tsy diso aho).

Nisy maty foana anefa ireo mpiasa ary dia tsy nety niasa intsony ireo ambiny satria hono hoe misy lolo ilay tetezana namboarina, dia mitady rà n'olombelona, dia nisy kidnapping teo an-tanana.

Gaga aho hoe avy aiza izany finoana tsy fantatro izany? Misy fototra ve izany finoana izany mahatonga hitarika famonoan'olona? Sa dia tena tsy fahalalana tsotra izao fotsiny?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1656