santos subuto hoy ireo vahoaka marobe

1. zama91 ( 02/09/2005 15:21)
Mahalasa fisainana tokoa raha nahita ny fandevenana an'i papa jean paul2 ny fiantsoan'ireo vahoaka marobe hoe ataovy masina izao dia izao i papa joany paoly faha 2,fahefana toy inona moa no anana'izy ity no afaka manamasina ny mpanota toa anao sy ahy ????
novalian'i sonwin ny 06/09/2005 14:49
2. hery ( 02/09/2005 19:25)
:-) ianao na dia mpanota aza dia efa nohamasinina ihany koa... manana ny fahamasinana avy amin'ny FAnahy Masina
3. marozevo ( 03/09/2005 07:54)
Voalohany aloha dia tiako ny manamarika fa tsy ny VAHOAKA MAROBE no niantsoantso hoe SANTO SUBITO (Fa tsy santos subuto). Pancarte na sora-baventy vitsivitsy ihany no naneho io teny io, nefa na vitsy aza dia tena nanaitra sy nahasarika ny maso tokoa.
Fahefana toy inoa moa no ananan'izy ity, hoy i Zama91. Iza ilay hoe "izy ity" lazainao aloha?
4. zama91 ( 03/09/2005 12:02)
Izaho aloha protestant fa mba lasa ihany ny hevitra ,ilay fahefana ananan'ity papa ity ,efa fantako ilay izy fa mba tiako we misy katolika mba ho henoina ny heviny,satria raha we i papa no dimbin'i MDpiera,i piera i jesosy no nifidy azy fa tsy olona,fa ilay papa sasany na dia eveka .Ary maro ireo eveka tany etazonia no voarohirohy tamin'ny resaka pedophile nefa dia nanday anjara t@ ny election papa ihany.Izay izany ilay atao hoe taranaka mpisorona sy foafidy ???????????????????????????????????????????,,,,,sady ny vahoaka koa maba nitady papa tsy conservateur hono ,dia atsihoatsy ekena ny mariage homo,sy izao karazana mamoafady rehetra izao.Ary ilay resaka santos subito ,manana fahefana hoamin'izany izy ka ,angaha tsy fanatrareo ????
5. hery ( 03/09/2005 18:43)
Hoy zama91>
Ary maro ireo eveka tany etazonia no voarohirohy tamin'ny resaka pedophile nefa dia nanday anjara t@ ny election papa ihany.Izay izany ilay atao hoe taranaka mpisorona sy foafidy

:-)
Ka i Md Piera aza tamin'ny fotoan-tsarotra indrindra no nandà an'i Jesoa kanefa rehefa mibebaka tsara amin'ny fo dia ekeny sy raisiny ihany e
6. cutie ( 03/09/2005 22:22)
taitra be za we i md piera aza t@ fotoan-tsarotra indrindra nanda an;i jesoa, nefa le resaka ery ambony we pedophile lolllllllllllll
Voafangaro le resaka :p

7. hery ( 04/09/2005 09:18)
cutie>

Hozy i zama hoe
MDpiera,i piera i jesosy no nifidy azy fa tsy olona,fa ilay papa sasany na dia eveka .Ary maro ireo eveka tany etazonia no voarohirohy tamin'ny resaka pedophile nefa dia nanday anjara t@ ny election papa ihany.

Euh... ok hazavaiko ny hevitro fa somary sarotra ihany ilay allusion :-)

Eveka voarohirohy @ pedophilie mbola nandray anjara t@ election Papa.
Md Piera namadika sy nanda itelo an'i Jesoa (angamba pire noho ny pedophilie) neken'i Jesoa ihany ho andry iankinan'ny Fiangonana.

Tsy mifangaro ny resaka kah... raha mahatakatra kely fotsiny.
8. cutie ( 04/09/2005 13:01)
hery za no nanafangaro azy anie e, :p
fa nony avy namaky za vo nanoratra an;io we lasa voanfangaro le resaka lolllllllll
9. marozevo ( 04/09/2005 15:50)
Ny fahefan'ny Papa ve ? Tena avy amin'i Jesoa Kristy io fa tsy avy amin'olombelona. "Omeko anao ny fanalahidy ... Ianao no Piera vato... sns..". Ireo Kardinaly nifidy dia fitaovana ampiasain'Andriamanitra hanehoana ny sitrapony. Sarotra azo ve ?
Ity ary ohatra iray hanazavana azy : Raha mamaky Vaovao Mahafaly ny Pasteur na Mompera iray, dia mino avy hatrany isika fa tsy tenin'ilay pasteur na mompera izay, fa tenin'Andriamanitra, fa fitaovana ampiasain'Andriamanitra fotsiny ihany izy.
10. zama91 ( 04/09/2005 20:09)
Isika rehtra eto afaka milaza hoe izao sy izao fa tsy araka ny baiboly mihitsy hoe papa no dimbin'i MD piera. ALEO HAVAZA NY RESAKA FA ISIKA NO NANOMEHA FAHEFANA AN'I PAPA?REHEFA TSY HANAIKY IANAO tsy misy fahefana ho azy,olombelona to ahy sy anao izy iny.Eritrereto fotsiny io papa io managana ho olo masina nefa iny olo masina hatsangany iny very ohatra any amin'ny afobe dia ahoana hoy Andriamanitra.Izay ilay hoe isika tsy afaka ny hitopy teny fantatra amin'ny zvtra tsy fanntsika
11. fijo ( 04/09/2005 23:12)
marina ny an'i zama
12. zama91 ( 05/09/2005 14:55)
tsy misy hifandraisany mihitsy ilay resaka eh,raha nanda MD piera efa izao no voasoratra mba ho tanteraka ny soratra masina,ary ny momba an'i papa koa anie efa voasoratra eh,ahoana hoy jesosy izay,Aza milaza ho olona ety antany ho rainareo matoa izany voasoratra dia tokony handinika ny mantsaina,hoe inona no tiany holazaina
13. sonwin ( 06/09/2005 14:49)
aiza ary zama zany le8O
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.133