mahay enao.

1. zefalah ( 02/09/2005 02:13)
nisy sipa nilaza tamiko fa hoe zanaka ambassadeur.
refa nojereko tsara anefa ny momba azy dia mpianatra izy...olona tsotra otrana iany.
lay mahagaga de ty...nolazainy fa izy hono afaka mande na aiza na aiza,fa tsy afaka mande aty amiko kosa...tsy koa iny..tsy de nasiko resaka..mety tsy tia ahy izy zany oa...nefa taty aorina dia nolazaiko taminy fa za mila manao passport fa lany ny passport-ko...nolazainy fa tsy ainy hono ny momba an'zany...ie.. taty aorina de nanetsi-tena rakala,fa nandaiga..
le zavatra mba antaniako hoe.
raovina sika gasy vao tsy andainga tsony?
ary raovina sika vao ankasitraka an'zay efa nosoratan'Andriamanitra asika...?
lay lainga e...maninona ny mpanao chat no mandainga?
2. bimanoa ( 02/09/2005 04:44)
tsy ny gasy rehetra kosa no mandainga an !
Le mahatonga ny sasany handainga angamba na lahy io na vavy ( satria tsy ny vavy ihany kosa angamba ) dia hi-attirer ny attention n' ny hafa, midika koa ange izany fa ny ankamaroantsika manao zava-dehibe ny resaka materialiste fa tsy mba ny personnalité n' ilay olona loatra e !
3. bekiboo ( 02/09/2005 05:49)
ny lainga anie ry zefalah dioa toetra eh ary ny olona eto antanay dia samy manana ny laingany avokoa fa ny degrény no hafa sy ny mahatonga azy handainga.:twisted::twisted:
aleon mifanena amin nny mpam's houzy RaNtaolo izay toy izay mifanena amin ny mpandainga.
4. Herimiafina ( 02/09/2005 06:32)
bekiboo:

aleon mifanena amin nny mpam's houzy RaNtaolo izay toy izay mifanena amin ny mpandainga.


Taiky, aleo ihany mifanena amin'ny mpandainga ko, degany be zany pams izany.:-D:-D:-D:roll:

5. Herimiafina ( 02/09/2005 06:50)
Hiverina amin'ny loha-hevitra aho.
Eo amin'ny resaka ara-psykolojika dia manana olana eo amin'ny maha-olombelona azy ny olona manao toy io tovovavy io.
Mety misy olona eo amin'ny manodidina azy eo, na tany ampianarana, na teo amin'ny fiaraha-monina nanambany azy noho ny fahantrany, sns. Io olona na ireo olona nanambany azy ireo dia zanaka olona ambony. Dia miheritreritra izy fa manao toy izany daholo ny olona rehetra. Hany ka manjary mandainga izy, mamorona personnalité niriny hatrizay hananana mba hanajan'ny olona azy (mythomanie).

Momba ny lainga indray dia ny fantatro dia mifandray amin'ny hormone any anaty any izy io. Ny an'ny lehilahy no tena fantatro, ilay hormone Androsterone no mahatonga ny frime, tia manindry, mizesta, sns.

Io hormone io no mahatonga ny zatovo miala sakana hidedadedaka any amin'ny namany. Ohatra: miteny hoe "I dadanay dia olona ambony", milaza ho manana an'izao sy izao rehetra lafo vidy sy tsy dia misy mpanana rehetra izao. Misy ny miteny ny marina fa misy koa ny voatosiky ny herin'ny androsterone nefa tsy mba manan adera dia mamorona tsotra izao.

Raha aravona dia phénomène naturel ny lainga, sarotra aripaka izy io saingy azo maîtriser-na. Tsy miankina amin'ilay olona mandainga irery izy io fa miankina amin'ny fiaraha-monina.
6. Herimiafina ( 02/09/2005 06:55)
zefalah:

nisy sipa nilaza tamiko fa hoe zanaka ambassadeur.
refa nojereko tsara anefa ny momba azy dia mpianatra izy...olona tsotra otrana iany.
lay mahagaga de ty...nolazainy fa izy hono afaka mande na aiza na aiza,fa tsy afaka mande aty amiko kosa...tsy koa iny..tsy de nasiko resaka..mety tsy tia ahy izy zany oa...nefa taty aorina dia nolazaiko taminy fa za mila manao passport fa lany ny passport-ko...nolazainy fa tsy ainy hono ny momba an'zany...ie.. taty aorina de nanetsi-tena rakala,fa nandaiga..
le zavatra mba antaniako hoe.
raovina sika gasy vao tsy andainga tsony?
ary raovina sika vao ankasitraka an'zay efa nosoratan'Andriamanitra asika...?
lay lainga e...maninona ny mpanao chat no mandainga?



Tena tia anao tokoa io olona io raha ny fahitako azy satria:
- Nandainga izy satria tiany ianao hanome valeur azy.
- Menatra noho ny lainga izy dia mialaala foana isaky ny miteny zavatra mifandray amin'iny ianao. Satria koa ianao izany manana valeur eo imasony.
- Namboraka taminao ny marina izy.
7. tafita ( 02/09/2005 08:10)
Tena zanak'ambassadeur iny ka fa enao no tsy naharaka, fa saingy ilay ammbassadeur efa tsy izy intsony amin'izao ...........
Ampitao aminy ny hira hoe 'Ty toa mandaingalainga
'ty toa mametsifetsy . Lazain'ity fa zanak'ambassadeur , kay ts'inona fa mpanera .....sns e
izay ka
8. Hubert ( 02/09/2005 14:45)
Marina daholo ireo voalazannamana ireo; fa hampiako kely hoe: rehefa miresaka amin\'olona iray ianao dia tokony ho fantampantrao ihany koa ny fihetsiny, na fomba fijery na hafa koa.
Marina fa efa tsy amantarana intsony izao ny mpanankarena sy ny antonony ary ny mahantra raha jery ety ivelany vokatry ny Frip io. Fa na izany aza tokony hanana intiution kely ihany ianao.
Raha tsy hoe jamban\'ilay hatsaran\'ilay voro-manga koa angaha d\'zay no tsy ahafantarako azy?
Nefa isika dia olombelona afaka misaina....hanavaka ny tsara sy ny ratsy.... dia anao sisa no tompony hevitra farany, raha ny aty amiko.javascript:emoticon(\'8)\')
Cool
9. vahiny2004 ( 02/09/2005 15:31)
Mety diso paika kely ihany anefa ilay ranamana satria mino aho fa tsy noho ny asan'i dadany no nahatonga an'i zefalah te hiresaka taminy fa noho izy fotsiny, izao dia rava ny resaka ...

Marina tokoa fa mila famolaha-tena ny lainga , mila fanekena indrindra hoe izao no maha izy ahy
10. Veloo ( 02/09/2005 16:04)
herimiafina ve psychologue? Mipetrapetraka ery ny fanazavanao :-D
11. mirabel ( 02/09/2005 16:44)
izaho koa dia manontany tena hoe psychologue ve i herimiafina ? tandremo fa efa fampitandremana ho anareo izay mikasa ny handainga aminy io an 8)
12. Herimiafina ( 02/09/2005 17:35)
Veloo:

herimiafina ve psychologue? Mipetrapetraka ery ny fanazavanao :-D


I Herimiafina manana akama tena psikology favy be mahintsiny.

13. ralaisa ( 02/09/2005 18:23)
Raha olon tena tiana hiarahana dia ataoko fa hadalàna ny mandainga na manafina zavatra aminy.Ny antony dia satria ho fantany ihany rehefa hitombo ny fankahalalàna.Ny fahamarinana hono no mahalasa lavitra e!
14. Herimiafina ( 02/09/2005 18:26)
Ralaisa> Sady ratsy ilay mahafantatra ilay lainga aty aoriana an.
15. zefalah ( 02/09/2005 20:29)
ARY RAHA FITIAVANA MIFORONA AO TAMINY LAINGA?
MOA VE AHARITRA?
tsy hoe mivoaka an'lay loa-evitrao aho fa just mantany
16. felicia ( 03/09/2005 00:40)
zefalah an...za moa mipetraka aty italy,tsy fomban'ny gasy ihany io fa ny italiana aza mbola pire...
ny ahy fotsiny rehefa mi rencontrer olona ka hitako hoe une personne parle toujours de sois-meme,amiko izay dia be bla bla;raha manana ny maha-izy azy ny olona tsy mila mi demonstrer hoe iza izy na inona ny hananany na inona no ataony...ny discretion,izay hahitako hoe tsy be lainga ny olona...
17. Herimiafina ( 03/09/2005 04:25)
zefalah:

ARY RAHA FITIAVANA MIFORONA AO TAMINY LAINGA?
MOA VE AHARITRA?
tsy hoe mivoaka an'lay loa-evitrao aho fa just mantany



Tsy tsara ny fitiavana miforona amin'ny lainga satria toy ny fisolokiana ihany izany. Ka na dia nandainga aza dia aleo tenenina tsara foana amin'ny fotoana maha-mety raha tiana ny hitohizany ao anatin'ny filaminantsaina. (Vakio ny boky nosoratan'i ED Andriamalala hoe "Menarana").
18. ralaisa ( 03/09/2005 11:53)
Manao ahoana daholo indray isika tompoko.
Araka ny hevitro dia ny lainga rehetra mihintsy no ratsy,na inona na inona ampiasaina azy.Misy koa nefa ireo atao hoe lainga masina.Rehefa inona izy io no tsara ampiasaina ?Eo angamba no samy manana ny fomba fanaony,raha arakiny hevitro.
19. zefalah ( 05/09/2005 22:21)
ralaisa>>> de mievitra ve se fa sika mpanao chat dia manao lainga masina daholo?
20. Herimiafina ( 06/09/2005 04:48)
ralaisa:

Manao ahoana daholo indray isika tompoko.
Araka ny hevitro dia ny lainga rehetra mihintsy no ratsy,na inona na inona ampiasaina azy.Misy koa nefa ireo atao hoe lainga masina.Rehefa inona izy io no tsara ampiasaina ?Eo angamba no samy manana ny fomba fanaony,raha arakiny hevitro.


8-) Selon Dakoma (indray andro izay), "miatsara velatsihy, manafina zavatra ao anaty salaka, sns; tsy mba direkta, miteny ny marina, sns". Miatsara velatsihy tokoa ny mandainga, saingy tsy izay hevitra ratsy izay ihany no tokony ho hitantsika, fa tokony ho hitantsika koa ny hevitra tsara ao ambadika.
Ilaina indraindray ny mandainga mba hanintona ny sain'ilay olona miresaka aminao. Ilaina koa izy io mba tsy handratrana olona. Ilaina ihany koa mba tsy hitondra korontana.

Raha toa ianao ka Mpitondra fiara-manidina, misy panne ao amin'ny maotera, ary mety ho sarotsarotra ny fipetrahana, mbola afaka mandeha tsara ihany nefa ny fiaramanidina entinao.
Raha hiteny izany ireo mpandeha ianao dia hikorontana izy iny korontana iny mety hitarika zava-doza marobe hampienjera ny fiara-manidina.
Inona ary no ataonao raha misy mpandeha iray tonga manantona ny cabine ka manontany anao hoe fa misy inona kay mon commandant?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2691