fahadiovana

1. zefalah ( 02/09/2005 01:52)
amboarina ny lalana sy ny canal.
fa ny kibonay tsisy vary tsy mba amboarina
zany ve de mba eken'ny saina mandinika.
lalana sy canal ve de avoky anay?
aona no atao mba ahavoky ny kibonay fa tena noana zahay e?
ny manana manana manana iany...na vola na trano fiara na tany.
fa zay mavo mavo de eo iany...mavo mavo atrany.
dedavo evitra mba amokisana ny kibo eee.
efa tsy nihinana 3 taona.
2. bimanoa ( 02/09/2005 04:54)
ianao kosa moa ve dia mitady omena foana fa tsy mba hikaroka mihitsy e ?
3. lantokely ( 02/09/2005 09:04)
misy marina ihany ny lazainao izay ry zefalah.
ny zavatra afaka ataonao aloha dia aza laniana fotsiny amin'ny internet ny vola fa aleo aloha ividianana sakafo satria tsy ahavoky anao velively ny teny mivoaka eto.
4. ralaisa ( 02/09/2005 13:07)
Ny fahantrana anie ka tsy zava-vaovao @ fiaraha-monina malagasy.Efa t@ nadron'ny fanjanahan-tany isika no nandalo hanohanana,vao miha-niha-pire izany rehefa nahazo ny fitondrana i Ratsiraka nandritra ny 30 taona.Farafaharatsiny izao ny fahadiovana sy ny infrastructure miha-tsara.Ny kibo hono tsy mba lamosina saingy ny rariny kosa rariny ihany.
NB:70 US$ izao ny barila petrole.T@ 1990 dia 28Dollard.Amiko dia mety antony iray mahatonga ny hanohanana eto amintsika io.Sa ahoana ny hevitrao?
5. Veloo ( 02/09/2005 17:25)
oy i zefalah oe:
fa ny kibonay tsisy vary tsy mba amboarina
zany ve de mba eken'ny saina mandinika.

Marina mihitsy io ary saika hanokatra size mihitsy ao oe inona ny hafatra tokony omena i ra8. Ary maniry mihitsy aho mba ho hitany ity resaka ity satria tena important mihitsy.
Ny vahoka dia mila ny sakafony tokony any amin'ny fambolena no tena atao voalohany satria tsy hahavita na inona na inona ny vahoaka raha tsy misy ny sakafo dia avy eo zavatra hafa... Nefa sur aho fa hisy iteny oe ilaina ny lalana mba andehanana any @ fambolena marina tokoa moa izany fa au moins ny sakafo to tena PRIORITE VOALOHANY indrindra. Sa ahona ry reto?
6. ralaisa ( 02/09/2005 18:53)
Ny fanamboarana lalana raha ny fahitako azy dia hahazoana tombony betsaka.Mivoaka ny vokatra,ary mpra kokoa ny fifanakalozan'ny faritra tsirairay @ izany.Mitombo ny vola ahiditrin'ny tourristes rehefa tsara ny infrastructure.
Tsy mitombo ny production ny sakafo any amintsika satria maro amin'ireo tantsaha ny tsy te hiala @ fomban-drazana raha ny fambolena sy fiompiana no jerena.Marina ny tenin'i Veloo,fa ny fanjakana koa dia hita fa manao izay tratrany @ fampiroboroboana ny tantsaha.
7. Herimiafina ( 02/09/2005 19:09)
Ny politika rehetra na ny fanaboaran-dalana aza dia mi-tourner autour n'io sakafo sy kibo io daholo, izay no antsoina hoe "impact social" primaire.

- Inona no antony hanamboarana ny lalana: mba hiakaran'ny vokatra hamidy eny andrenivohitra.
- Inona no antony hanadiovana ny tanana, sy ny canal sns: mba hiarovana ny olona amin'ny aretina satria ny olona marary tsy afaka miasa ary ny olona tsy miasa tsy afaka hitady vola hividianana sakafo.
- Inona no antony hananganana fianarana etsy sy aroa; mba tsy ho ambakain'ny sasany ny ankizy rehefa lehibe dia hahazo vola hividianana sakafo.

Fandravonana: tout est 'sakafo' ary mety tsy any ny olana fa jereo ny contexte international.
8. Kotity ( 04/09/2005 13:44)
zefalah:
Io resaka \"tenda\" io ihany no nanambakan\'ny deba antsika. Diniho tsara fa t@ androny, mora be daholo ny sakafo, tsy hay io na miaraka @ fandrahonana madinidinika ny tantsaha na ahoana fa izay aloha no zava-nisy,fantatry deba tsara fa ny gasy tendan-kanina de tany no namelezany azy.Fa saingy, tsy nisy fandrosoana azo tsapain-tanana mihintsy.Ka mbola te hiverina @ zany ihany ve ianao? sa rehefa voky ianao dia ampy anao zay? dia ahoana ny ho avin\'ny taranaka?
9. ralaisa ( 04/09/2005 16:29)
Kotity:

zefalah:
Io resaka \"tenda\" io ihany no nanambakan\'ny deba antsika. Diniho tsara fa t@ androny, mora be daholo ny sakafo, tsy hay io na miaraka @ fandrahonana madinidinika ny tantsaha na ahoana fa izay aloha no zava-nisy,fantatry deba tsara fa ny gasy tendan-kanina de tany no namelezany azy.Fa saingy, tsy nisy fandrosoana azo tsapain-tanana mihintsy.Ka mbola te hiverina @ zany ihany ve ianao? sa rehefa voky ianao dia ampy anao zay? dia ahoana ny ho avin\'ny taranaka?

Tsy tsaroako mihintsy ny nahamora ny sakafo t@ andron'ny Deba. Nilaharana avokoa aza ny vary,siramamy,menaka,sns...
T@ andron'i Deba dia tena tsy nisy noraisina e.Sady rsy nisy ny fandrosoana no tsy nisy ny fahavokisana.Raha araka ny hevitro aza ny hatendana dia mety mampandroso satria mitombo ny consommation=be mpividy ny vokatry ny tantsaha=mandroso ny any ambanivohitra.

10. zefalah ( 05/09/2005 22:40)
lantokely>>lazaiko aminao fa za manao internet tsy mandoa vola...aty @ Universite misy ahy aho no manao.
faharoa..tsy za rery no olona noana fa 8million ny gasy noana avokoa...10 million ny malagasy no mba azo azo ny sakafony...zay le izy..
11. Herimiafina ( 06/09/2005 05:11)
Ny fahitako azay dia betsaka ny atao hoe "conflit d'intéret" any Dago ary tsy voafehin'ny fanjakana izy ireny noho ny tsy fahampian'ny fitaovana sy ny olona vokatr'ity fisitahana fisitahana ity.

Mifamitaka daholo ny olona mba hihinanakanina, ao ny misoloky ny mpiarabelona aminy, ao ny mangalatra tsotra izao, manambaka. Mifaninana hizara tombotsoa, hany ka tsy miraharaha intsony ny mpiara-belona aminy.

Ohatra iray: Antony iray mampisy embouteillage ny fisisihana. Misy fiara efatra samy mifaninana hiditra amin'ny lalana iray. Samy nandroso nefa ny lalana tsy omby afa-tsy fiara iray mandeha tsirairay, samy nibahana ny fidirana eo amin'ilay lalana ary samy nihitsoka teo adiny roa.
Raha mba nandefitra kely anefa ny iray amin'ireo fiara ireo dia nanome lalana ny iray dia torak'izany hatrany dia tsy tafajanona adiny roa teo mihintsy ireo fiara efatra ireo.
Dia toy izay ihany koa ny tantara ara-ekonomika any amintsika: guerre des chefs, sns.
12. pitchou ( 06/09/2005 09:19)
ary maninn mou raha mba asaina ahenan'i ra8 ny vidin'ny baril petrole eran'izao tontolo izao e? d mba midina ny vidin'ny zavatra rehetra d torak'izay koa ny sakafo?:oops:
13. ralaisa ( 06/09/2005 13:38)
Herimiafina> tsy atao imaso fa ilay discipline omen'i RA8 ny vahoaka malagasy no vahaolana voalohany indrindra @ io teninao io. Tsapa fa miaina ao anaty discipline ny malagasy ankehitriny, fantatrin'ny olona fa natao ho arahina ny lalàna misy. Fiaraha-monina toy izany dia tsy nisy mihintsy t@ andron'ny Ratsiraka. Samy nahazo ni-pipi sy nizarotra teny @ toerana izay tiany ny olona.
Pitchou> Dia heverinao ve fa tsy efa ela no naidin'i Ra8 ny vidin'ny pétrole raha azony natao.
14. mandrindra ( 06/09/2005 15:51)
dia mino ve ianareo fa raha mihena ny vidin'ny solika dia hihamora ny vidimpiainana ? Tsy toy ny nofy ve izany?
15. Veloo ( 06/09/2005 20:58)
tsssssss ny petrole kosa tena tsy mi-dependre an'i ra8 kle... io anie olana eran'ny tany eeeeee tsssssss aty aminay ary efa ho 4 dollars ny gallon kle...
16. zefalah ( 07/09/2005 08:56)
mandrindra>> za tsy mino,fa mpino..ra miena ny solika de miena ny vidi-piainana.
satria ny solika no apesaina mba anondranana ny vatsy avy any ambanivohitra.
17. pitchou ( 07/09/2005 18:09)
ka alo mihitsy alou ahena ny vidin'ny solika d iaraha-mahita eo ny vokany @ vidim-piainana kou! :D

fa izao e! ny maorisiana sy ny seychellois matoa mandroso d noho rizareo tena disciplinés be! tsy mila mandany vola be @ fanenjehana ny mpandika lalana ny fanjakana ka afaka manao investissements tsara! rahatrizay disciplinés ny gasy d mino aho fa handroso haingana, satria tsy ho lany vola hanarina ny simbain'ny tsirairay ny fanjakana na handany vola @ fanenjehana ny tsy mpanara-dalana rehetra ... d raha miampy le fihenan'ny vidin'ny solika d tena ao tsara:lol:
18. Herimiafina ( 07/09/2005 18:28)
Amiko matoa ianao mahavidy fiara dia mahavidy solika izany. N'inon'inona vidin'ny solika tsinona dia tsy hihoatra ny vidin'ny fiara mihintsy izany.

Ny olana dia ny Transport en commun satria io no an'ny tsy mahavidy fiara ka any no tsara asiana fandinihana.

Nya ntony hitenenako an'io dia satria: "eo anatrehan'ny olana iray tsy ahitana vaha-olana dia contourner-na izy na hiodinana tsotra izao fa tsy miziriziry manohitra iny olana goavana iny".

Sary antsaina: Mandeha amin'ny lalankely iray ianao ary misy vatobe lehibe mibahana eo ampovoany ka misakana ano tsy handeha, inona no ataonao, hanosika an'iny vato iny ve? Tsy aleo mitady lalana hiodinana azy ?
19. Veloo ( 07/09/2005 19:13)
Herimiafina za aloha dia mampiasa ny transport en commun e :-D:-D:-D
Asa mba rovina no ihidina ny solika kle...
20. Herimiafina ( 07/09/2005 20:18)
Veloo:

Herimiafina za aloha dia mampiasa ny transport en commun e :-D:-D:-D
Asa mba rovina no ihidina ny solika kle...


Ny aty amerika kosa anie, aiza ve ka manana fiara roa isaky ny olona iray ko.
Efa tonga saina ry zareo hoe manimba ny environnement izany dia pousser-ny indray ny bus sy ny metro sns, ny hybride, sns.
Fa ny any Dago no olana satria fiara mihinandasantsy be daholo no mi-roule ary dia miha-mora ny vidin'ny Vam amin'ity fiakaran'ny lasantsy ity dia lasa mahatakatra Vam daholo indray ny boay kely nefa tsy mahatakatra lasantsy dia blem.

ka aleo avoaka amin'izay ary le bus be dia be ireny e. Mba mihena ny coût de transport.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0821