Mba mila torohevitra avy aminareo e!

1. A2 ( 01/09/2005 14:33)
Efa ho 2 ans et demi zao no niarahako tamina olona iray. Marina fa tiako izy io, kanefa tsy maintsy mijery ny ho aviko aho. Mamo foana izy isan'andro, manarak'izany ny Ray aman-dreniny koa tsy tia ahy rahateo kanefa voatery tsy maintsy manaiky ireo farany satria hitan'izy ireo fa tena misisika sy tia ahy ny zanany. Marihiko alou fa mbola tsy vita n'inon'inona izahay. Amin'izao fotoana izao za dia miaraka @ olona iray, nanome toky ahy izy kanefa tsy afaka ny hiroso raha tsy misaraka izaho sy ilay olona etsy ambony. Tsy mainsty mijery ny ho aviko anefa izaho ka izay no tena ilaiko ny torohevitrareo. Ahoana ny fomba ialako @ ilay olona etsy ambony io? Marina fa tia ahy izy kanefa izy mamo foana, nasaiko niala toaka izy fa tsy mety, sady zaza mihanta be satria zanak'olona manana e! Matahotra aho mantsy sao dia vao maika mivarilavo izy raha isarahako, izy rahateo ohatry ny somary marary fo izay. Kanefa anie izy rehefa tsy misotro dia marary e! Izany hoe marary ihany izy vao tsy misotro. Ny tena gravy dia zahay roa efa miara-mipetraka, ahoana no ialako aminy?
novalian'i xxx ny 22/09/2005 11:52
2. booboo ( 01/09/2005 15:02)
Ouz fitenin'ny tary oe "on ne quitte pas un homme pour un autre, on le fait pour soi-même", ary marina zay.
Raha tahotra koa no hijanonao miaraka @ oul iraika dé tsisy fiainana vanona @ zany ! Ny chantages koa tsy fitiavana madio fa fitiavan-tena diso tafahoatra.
Ary tsisy raha vita raha feno tahotra. Courage fotsiny dé sahia manao zay tsapanao fa hampety kokoa ny fiainanao dé zay ihany.
3. bichette ( 01/09/2005 15:12)
A2 : matetika isika vehivavy malahélohelo foana, mi se soucier pour les autres, pour les hommes dia matetika koa mi se sacrifier pour les hommes, na dia efa hita zao aza fa tsy mety, na dia hita izao aza fa tsy tiana intsony sns dia satria mampalahelo ilay bandy, sao manin manin sao mivarilavo ilay bandy , mampalahelo fa tena tia ilay bandy sns dia on se sacrifie pour eux. Fanaon'nny vehivavy io kanefa tokony hieritreritra ny momba antsika izika, ce qui est bien pour nous dia araka io tenin'ny tary teneni'i booboo io e
amiko aloha raha matahoatra ndry hoe sao tsy zakany dia teneno fotsiny fa tsy mety ny aminareo 1) ny rad tsy tia azy, tsy hahazo trodrao ny rad zany nareo, samihafa, izy mamo lava, sns .....
courage
4. zandrikely ( 01/09/2005 15:35)
A2 : manahirana be ireny zaza mihanta sady manana ireny , jereo ary izy efa nasainao niala t@ toka nefa tsy mba niezaka niala akory , tadidio ry a2 fa enao ndray no tsy maintsy hanaraka zay sitrapony rehefa mivady nareo , za bandy fa hanenina enao ra hiaraka @ io bandy mamo io , fa ny tena loza dia ra tsy manaraka ny reviny enao fa tsy hamenatrana azy ny hamono anao , teneno tsotra izy hoe aleo misaraka fa tsy mety aminy enao , ilay hoe marary fo dia fomba hentiny hitazonana anao fa efa hitany manko ny toetranao , aleo izy hivarilavo any
5. Veloo ( 01/09/2005 15:45)
A2 a marina ny lazain'i zandrikely, bichette ary i booboo momban'ny oe isika mora malahelo... Aza jerena intsony zany oe manana pitie an'olona izany, satria ianao no hibata ny fahoriana rehetra rehefa tena hivady amin'ilay bandy mamo lava ianao... Arak'ny lazaina teo aloha teneno azy mihitsy fa hisaraka @ ianao satria tsy tantinao intsony izy misotro toaka io mbola ho hataony io rehe mivady nareo.. ka tandremo tsara no en plus izany efa misy bandy iray tianao no sady tinao any mandehana efa mahazo tso-drano aty amiko enao. Ny fiainana A2 tsy vitan'ny pitie intsony a izay hitanao fa mahasoa ny tenanao atao ary tsy fitiavan-tena izany... fa fahasoavana. dia Bonne chance ary ataovy matanjaka tsara ny sainao....Hivavaka ho anao za


6. mandrindra ( 01/09/2005 15:49)
Ny ho avinao banjinina raha tsy izany ny ranomasonao no ho tovozana amin'ny zinga.
7. Veloo ( 01/09/2005 16:24)
ie zany mihitsy ry mandrindra.
8. lolabe ( 01/09/2005 17:45)
Ny ahiko ny hafatra omeko ny vehivavy fotsiny de izao, jerevo sy diniho ary alalalino tsara izay tokony alaina vady fa iny no anao mandrakizay, ny hafatra omeko ny vehivavy de hoe rehefa hita fa misotro toaka ny lehilahy de aza miroso @ fanambadiana mihinsty fa de hijaly ianao raha mbola misisika ao, efa hitako mantsy izany, ary fianakaviana maro no efa hitako miaina ao anatin'izany toaka izany fa tena ady lava sy famonoambady foana ka anao no manapakevitra na hiroso ka hizaka izay rehetra mitranga ao na hiala avy hatrany
9. Veloo ( 01/09/2005 18:49)
lolaba a ie marina ko zany.... Ny vady misotro toka dia tsy havotra mihitsy a moins ka tena tian'ilay vadiny ary vonona hiova mihitsy is, vitsy no hanao an'io nefa @ izay mbola hiverina hisotro ndray... mba fadio ihany ry reto ny tia-toka a:(
10. Herimiafina ( 01/09/2005 19:56)
A2:

Efa ho 2 ans et demi zao no niarahako tamina olona iray. Marina fa tiako izy io, kanefa tsy maintsy mijery ny ho aviko aho. Mamo foana izy isan'andro, manarak'izany ny Ray aman-dreniny koa tsy tia ahy rahateo kanefa voatery tsy maintsy manaiky ireo farany satria hitan'izy ireo fa tena misisika sy tia ahy ny zanany. Marihiko alou fa mbola tsy vita n'inon'inona izahay. Amin'izao fotoana izao za dia miaraka @ olona iray, nanome toky ahy izy kanefa tsy afaka ny hiroso raha tsy misaraka izaho sy ilay olona etsy ambony. Tsy mainsty mijery ny ho aviko anefa izaho ka izay no tena ilaiko ny torohevitrareo. Ahoana ny fomba ialako @ ilay olona etsy ambony io? Marina fa tia ahy izy kanefa izy mamo foana, nasaiko niala toaka izy fa tsy mety, sady zaza mihanta be satria zanak'olona manana e! Matahotra aho mantsy sao dia vao maika mivarilavo izy raha isarahako, izy rahateo ohatry ny somary marary fo izay. Kanefa anie izy rehefa tsy misotro dia marary e! Izany hoe marary ihany izy vao tsy misotro. Ny tena gravy dia zahay roa efa miara-mipetraka, ahoana no ialako aminy?



Olana mpahazo ny vehivavy sasany manomboka miaka-taona io olana mahazo anao io. Eo amin'io fotoana io ny vehivay no manomboka mandanja ny fitiavana sy ny ho avy, ka na misy lehilahy tena tiany be aza mety isarahany ihany satria tsy mety maka vady azy.
Tsy ifanomezantsiny izany satria maha-olombelona ny fitadiavana tsaratsara kokoa sy hoavy milamina.

Raha ny zavatra nolazainao no jerena dia ity no tena hitako ho anton'ny olana rehetra:
"Ny tsy fankasitrahan'ny RAR-ny fiaraha-nareo"
Avy amin'io no mampisotro toaka be an'ileiry, avy amin'io no mampisalasala be an'ileiry ny hiroso amin'ny tokantrano ofisialy.

Tsy ny maha-zanaky ny lebany azy no mahatonga azy ohatr'izany fa noho ny fitiavany anao. Tiany ny RAR-ny, ary tiany koa ianao, mety samy mampanao choix na ianao na ny RAR-ny, io ilay hoe "na ianao misaraka amin'iny sipa iny na hadinoy ny fisianay RAR nitaiza anao hatrizay", dia ianao koa mety niteny azy zavatra mitovitovy amin'izay, toy ny hoe "tsy tiako ny RAR-nao, sns".

Dia vaky loha tokoa i Razoky satria sendra ny choix difficile izy, "ny RAR niaraha-niaina nandritry ny 20 taona mahery ve hariako noho i A2, i A2 koa nefa tena mahafinaritra ahy sady tiako be no tsy tiako hariana".

Maro koa ny bandy efa nandalo teo amin'io toerany io. Ka izao, banjino ny hoavinao, ary banjino koa ny hoaviny.

Ataovy izay hisarahana (hatoroko eo ihany ilay fika raha mila izany ianao) hoazy voalohany indrindra satria manimba azy ny fitiavanao azy, ary ho anao koa satria mila mibanjina ny ho avy ianao, mila miteraka, sns.

NB: ny choix difficile dia misy nenina foana, refeso ny nenina mety ho hitanao raha hijanona ianao, ary koa ny nenina mety ho azonao raha mandeha ianao. Dia izay choix misy nenina kely indrindra no safidio.

"Aleo mijaly amin'ny fisarahana toy izay mijaly amin'ny fiarahana".
11. fijo ( 01/09/2005 20:02)
bichette an,mba heritrereto ihany izahay ka.ndry an.
A2 an,ny tena marina dia ndry mihintsy no tena mbola tia ilay mamolava.ka reseho aloha io fitiava ndry io,izay vao hety ny resaka
12. Veloo ( 01/09/2005 20:57)
A2 manana zoky be retsy njy manana an';i herimiafina a ka henoy ihany izay lazainy an :wink:
13. fijo ( 01/09/2005 21:17)
za koa zoky kely fa henoy ihany ka
14. Herimiafina ( 01/09/2005 22:25)
Sady efa misy kôfa milay hafa ihany zany koo
15. loloniary ( 02/09/2005 04:52)
miala zao de zao . de aza mba manaonao sipa aloha fa miorena tsara eo amy fiainana de fidio amy manaraka izay oll tena tinao sy tsy hampijaly anao .
amy fitiavana manko de aleo mampijaly toy izay mijaly
16. bichette ( 02/09/2005 06:33)
hoy i A2 :
Amin'izao fotoana izao za dia miaraka @ olona iray, nanome toky ahy izy kanefa tsy afaka ny hiroso raha tsy misaraka izaho sy ilay olona etsy ambony. Tsy mainsty mijery ny ho aviko anefa izaho ka izay no tena ilaiko ny torohevitrareo


io anie dia efa manaporofo fa tsy tena mifantoka sy tena tia azy intsony i A2, amiko mazava ny choix ..... tsy fidèle ny fo midika fa tsy lafatra ny fitiavana ilay mamolava ....; any aoriana any mety vao maika mihena ny fitiavana an'i mamolava ka dieny izao dia .... pan ! pan !!!!!
17. xxx ( 02/09/2005 07:53)
Tanala very sampy ka ny manova no mety e!
18. ravakamalala ( 02/09/2005 12:43)
Marina daholo ireo voalaza ireo ry A2 a! Ny anampiako azy kely fotsiny dia ny hoe vava fotsiny lé oe tsy raraako zé vavan ny RAD any fa tiako izy dia izay fa enao refa manambady olona indrindra fa ny gasy dia manambady ny fianakaviany koa. Ka aleo misaraka tsisy maratra e!
Marina aloha fa tsy moramora ny manapakevitra fa diniho daholo reo voalaza rehetra ireo, ny an Herimiafina no tena manao bangotokana azy dia tapaho ny hevitra.
19. cristal ( 02/09/2005 14:52)
(l)Salut A2!Hitako aloha fa misy zavatra mifanipaka ny zavatra tadiavinao,ary ny tena tiako fantatra de ny hoe;fantatr'ilay olona faharoa ny fiarahanareo saingy de milaza izy sy manome toky fa hanambady anao,ny nahavoa anao t@ voalohany dia ny fiantsibazana be fahatany fa tsy tena namatatra ny oloana hiarahana,sanatria tsy hoe mandatsa aho fa tena @ fo no mbola ilazako aminao fa raha hiaraka @lay faharoa no handaozanao azy de tsy mety,ny torohevitro dia ny hoe makà saina tsara rehefa hiala @,de mivavaka aloha no tena tsara,fanontaniako sy ny any maro aloha dia ny hoe:iza no tsara ny mahasoa sa ny mahafinaritra?Ho ahy aloha de mety ny hialanao aminy,de hoy ianao hoe mety mbola pire noho izao no ataony raha hialanao ,tsia raha tena tia anao izy de tokony ho ahafantatra fa ny olona iankinan'ny fiainany no lasa ka raha misaina izy de hiala tsikelikely,aza maika ny haka hafa,tsarovy fa ny hanambadian'ny vehivavy anie ka ho andry hiankinany e!Ento ambavaka hatrany e!ny anay mantsy de ny toro hevitra fa ianao no tena tompon'ny teny farany,de ataovy lesona fa ny mpifankatia de tsy tokony hiray trano raha tsy vita ny soratra na ny mariazy,misy antony ireny,de aza am-pafantarina ny olona mety ho tia anao any aoriana fa efa tao anaty ny fangirifiriana ianao taloha ny azonao lazaina azy satria ianao efa nahavita zavatra maro niaraka t@ olona io de ny hoe niaraka t@ olona aho taloha de solafaka fa ny marina rehetra mantsy tsy filaza sao dia fantany ka hoy ndray izy hoe ianao ary taloha nataon'i otrizao sy otrizao ka zay zao ve de maninona!!!Mirary soa ho anao aho A2!
















(l)
A2:

Efa ho 2 ans et demi zao no niarahako tamina olona iray. Marina fa tiako izy io, kanefa tsy maintsy mijery ny ho aviko aho. Mamo foana izy isan'andro, manarak'izany ny Ray aman-dreniny koa tsy tia ahy rahateo kanefa voatery tsy maintsy manaiky ireo farany satria hitan'izy ireo fa tena misisika sy tia ahy ny zanany. Marihiko alou fa mbola tsy vita n'inon'inona izahay. Amin'izao fotoana izao za dia miaraka @ olona iray, nanome toky ahy izy kanefa tsy afaka ny hiroso raha tsy misaraka izaho sy ilay olona etsy ambony. Tsy mainsty mijery ny ho aviko anefa izaho ka izay no tena ilaiko ny torohevitrareo. Ahoana ny fomba ialako @ ilay olona etsy ambony io? Marina fa tia ahy izy kanefa izy mamo foana, nasaiko niala toaka izy fa tsy mety, sady zaza mihanta be satria zanak'olona manana e! Matahotra aho mantsy sao dia vao maika mivarilavo izy raha isarahako, izy rahateo ohatry ny somary marary fo izay. Kanefa anie izy rehefa tsy misotro dia marary e! Izany hoe marary ihany izy vao tsy misotro. Ny tena gravy dia zahay roa efa miara-mipetraka, ahoana no ialako aminy?




20. Veloo ( 02/09/2005 16:18)
ie wa retsy ry cristal...marina izany:wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2454