mba fantatrao ve????

1. fijo ( 31/08/2005 20:47)
fantatrao ve fa "RADAMA II" dia nitondra roa taona monja."1861-1863"
ary indrindra,hainao ve,fa ny hiram pirenena natao tamin'ny nanosorana azy ho mpanjaka dia ny"GOD SAVE THE KING"
inona re no nisy tao raha nitoy io fitondrany io e????
fantatrao ve fa amin'ny gasy ny zanaky ny mpirahavavy ihany no tsy mahazo mivady"KIBO TSY OMBY"
nefa i "radama II" dia nanambady ny zanaky ny rahavavin dreniny roa."rabodo(vady be) ary "ramoma(vady kely)
raha toa ka tsia,dia aoka isika mba hijery ny tantarantsika.
novalian'i fijo ny 13/09/2005 22:09
2. Herimiafina ( 01/09/2005 01:28)
Na ny akanjo tamin'izany na ny hira tamin'izany na ny fivavahana tamin'izany dia Anglisy avokoa ary misy Toile peinture ao amin'ny Musée de Londre misy ny portrait ny solontenam-panjakana gasy nandeha tany agletera tamin'ny andro taloha.

Nitady relation tamin'i Etats Unis sy Angleterre isika tamin'izany satria efa tsy tia ny frantsay.
3. fijo ( 01/09/2005 04:43)
raha ny nisy ,dia radama rainy no tena nifandray tamin'ny anglisy,fa radama II dia ny frantsay no tenanifandray taminy.
4. ravakamalala ( 01/09/2005 08:27)
Inn no tena marina e! Anglisy sa frantsay?
5. stephan ( 01/09/2005 15:09)
frantsay no marina kokoa sady ny frantsay no efa namporisika azy handray fahefana avy hatrany ny dia mbola velona aza Ranavalona reniny. Tratra izany fiokoana izany ka nahavoaroaka ny frantsay rehetra.( ny angilsy efa tany @ taona 1835 tany ho any no voaroaka). Izay ihany koa no nanaovana ilay fitenenana hoe manao an'i Laborde tsy ho vazaha angaha? Laborde manko efa nasandratra ho Andriamasinavalona.
6. fijo ( 01/09/2005 19:24)
stephan,ny frantsay dia nanampy an dradama II,fa tsy ny hira frantsay no natao,tamin'ny fanandratana azy ho mpanjaka.
araka io voalazako eo ambony io,dia radama rainy no tena nifandray tamin'ny anglisy,fa radama zanany dia ry laborda no tena akamany
7. deghany ( 02/09/2005 14:30)
nefa za no akaman'dradama! hehee
8. Herimiafina ( 02/09/2005 19:26)
Ny tena mahagaga dia misy zavatra banga be dia be momba ny tantara teo amin'ny fotoana nitondran-dRadama II. Ny fahitako azy dia mifanohitra avokoa ny tantara mikasika an'io Mpanjaka io ary samy mamana ny version-ny ny mpahay tantara.

Momba ny fifandraisana tamin'izany dia tsy dia haiko loatra na i Ramona na i Razafindrahety no nanoratra tany amin'ny prezida amerikana mba hangataka fanampiana noho ny bodingiriny nataon'ny Frantsay.
9. pitchou ( 04/09/2005 17:17)
fijo> tsy mahay tantara aho fa ho sarotra ihany ny ho nohiraina ny "allons z'enfants de la patriiiiieee , le jour de gloire éééééééé tarivé! .... aux armes citoyens!!!!" t@ izany andro izany! fa ilay hiram-pirenena anglisy anefa nifanaraka kokoa t@ toe-tsaina gasy!
Asa koa ze tena fahotana nataon'ny frantsay tao no dia efa t@ izany andro izany no efa be tsy tia rizareo!
10. fijo ( 04/09/2005 19:20)
pitchou hi hi hi kozy ve,
herimiafina,tamin'izany fotoana izany dia rahaniraka no minisitry ny raharahambahiny,ary izy no nanao io antso io,tsy tany US loatra,fa tany angletera,satria izy dia nianatra tany angletera tamin'ny andrond radama rainy.
izy sy i RV ellis dia niady mafy mihintsy ,satria tsy nanaiky ny fanalokalofan'ny frantsay,indrindra fa i laborde sy lambert,teo akaikin'i radama II
11. watafon ( 07/09/2005 18:47)
tena tsy ohatr'izao ity gasikaran-tsika ity raha io no nitohy mbô marina e! hafa ihany ange le zanatany anglisy e!mba jereo kely ange e! ...
12. Herimiafina ( 07/09/2005 19:00)
fijo:

pitchou hi hi hi kozy ve,
herimiafina,tamin'izany fotoana izany dia rahaniraka no minisitry ny raharahambahiny,ary izy no nanao io antso io,tsy tany US loatra,fa tany angletera,satria izy dia nianatra tany angletera tamin'ny andrond radama rainy.
izy sy i RV ellis dia niady mafy mihintsy ,satria tsy nanaiky ny fanalokalofan'ny frantsay,indrindra fa i laborde sy lambert,teo akaikin'i radama II



Miala tsiny raha manararaotra kely. Misy tantara henoko de bouche à oreille ity: Ny vadin'i Ranavalona III (Razafindrahety) dia ny Printsy Ratrimoarivony, nefa dia nopoizinin'ny Praiminisitra Rainilaiarivony io Printsy io mba hazahoany manambady ny mpanjakavavy. Marina ve izay. Mba manararaotra kely ny fahafantaran'i Fijo ny tantanra aho.
13. fijo ( 07/09/2005 19:46)
marina le hoe novonoin'i rainilaiarivony.
ry rainilaiarivony ireo mantsy(zanak'i rainiharo,ilay milevona eo ambonin'isotry io)dia hova natanjaka tokoa tamin'izany fotoana izany.
roa ny zanak'i rainiharo,dia rainivoninahitrinihony lahy matoa ,ary rainilaiarivony farany.(nantsoina koa hoe radilfera,avy amin'ny hoe "deal fire"satria nampihaiky ny anglisy ny haranitatsainy sy ny fahaizany miresaka
izy roa lahy ireo no nandimby andrainy nony maty izy,ka i rainivoninahitriniony,natao praiministra(andron'i radama II)ary rainilaiarivony lehibean'ny tafika.fa nony maty ny zokiny dia ity zandry no lasa praiministra,ary izy no tena nanana ny fahefana,na teo aza ny mpanjaka.
14. Herimiafina ( 07/09/2005 20:10)
Ary iza moa ilay Rainivoninahitriarivo (tsy tadidiko tsara ilay anarana) fa toa sesi-tany tany amin'iny Fianarantsoa iny izy raha hiakatra ny trône i RanavalonaI ka nandripaka ireo Printsy.

Misy koa Printsy iray izay hoe printsy Ramanetaka tamnin'io fotoan'andro io ihany, toa hoe nandositra tany Comores fa natahotra an-dRanavalonaI, dia lasa olo-malaza tany Comores tany ka anisan'ny razamben'ny Famille royale Comorienne?

Fanontaniana fotsiny ny ahy fa manararaotra kely ny mpahay tantara aho hahfantarako ny marina satria i Rabaina be daholo no nitantara ireo tamiko.
15. fijo ( 07/09/2005 22:30)
rainivoninahitriniarivo dia tamin'ny andrin'i radama II no natao sesitany tany fianarantsoa.ny antony dia.
roalahy no niady fahefana taorian'ny fanjakan dranavalonaI,dia i "rakoto"zanany sy "ramboasalama"zanadravaviny.
i ramboasalama mantsy dia natsangan ndranavalona fony izy tsy mbola niteraka,ary dia efa nanatena le io fa izy no handimby.kanjo nisy tampoka rakoto,ka dia nisy ny ady fahefana tamin'izy roalahy ireo.
noho ny herin'ny fahefandr'i rainivoninahitriniony sy ry rainilaiarivony nefa dia i "rakoto"no niakatra ho panjaka,ka lasa "radamaII"
ary araky ny fomba koa amin'ny ady toa io,dia naripaka ny olona nahina.saingy i "radamaII"dia tsy tia ra latsaka mihintsy,ka tsy namony ny fahavalony izy,fa nataony sesitany.ka izay no nahalasa an'i rainivoninahitriarivo lasa tany fianarantsoa.fa tsy ela dia,naverina tao tana ihany ny fatiny.i ramboasalama kosa nalefa teny ambohidratrimo.
16. fijo ( 07/09/2005 22:40)
ramanetaka:
izy io dia governoran'ny faritan'ny mahajanga tamin'ny androndradama rainy.
ary nony tonga teo amin'ny fitondrana ranavalona I,dia nanao ilay fomba mahazatra izy.dia ny fandripahana ny olona ahiana handroba fahefana.ka dia nandositra nankany mayotte ramanetaka.ary izy io dia nanana zanaka atao hoe:"raketaka"izay nanjary nantsoina hoe "JOMBE SOUDY"izay lasa mpanjaka vavy tao mayotte.
marihina fa "cousine n'i radama II ihany izy io,ary efa naika nanmpivadiana taminy koa fa tsy nekeny.(izy moa dia efa nanambady ny cousine roa)
17. Herimiafina ( 08/09/2005 20:27)
Misaotra fa confirmé daholo izany ny zavatra nolazaina tamiko. Ary anareo izany anie mahafantatra tantara e.
18. fijo ( 08/09/2005 20:33)
tsy mahay tantara aho,fa liana sy mitady izay boky mety ho hita rehetra momba ny tantarantsika.
maro mantsy ny resaka heno nefa diso.ohatra hoe i radama II dia olona tsy nanao hafa tsy niliba.misy fahamarinanay io,nefa koa teo no nanomboka ny rafitra ara governemanta teto amintsika.maro ny zavatra nezahany hiova ,saingy tsy naharitra ny fitondrany.
ranavalo I,koa dia ratsy foana no heno taminy,nefa maro ny resaka mahaliana momba ny fitondrana sy ny lalana nisy tamin'ny androny.
ka izay no tiako ho fantatra.saingy indrisy fa sarotra ny mahita ny boky momba izany.
19. Herimiafina ( 09/09/2005 13:47)
Marina aloha izany e. Ny ahy dia lovantsofina araka an-dry Baina be no nahalalako ny sasantsany amin'ireo. Za mantsy memoira auditif fa tsy dia visuel loatra raha tsy misy sarisary mahafinaritra le boky.
20. pitchou ( 09/09/2005 17:32)
hihihi! tsy azo atao zany ny miresaka imasonao an!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1096