Efa misy an'ity Tahitian NONI ity ve any Dago any?

1. Herimiafina ( 30/08/2005 06:52)
Misy fanafody malaza mansitrana izao aretina rehetra izao aty amerika avaratra aty. NONI no anarany ary avy amin'ny zavamaniry antsoina hoe NONI avy any TAHITI izy io.
Raha artsiantifika dia toa voaporofo ny tombotsoan'ny fampiasana azy ary presque ny dokotera aty dia mi-conseiller ny marary makao amin-dry zareo miafina mihinana an'izy io.
Niresaka tamin'ny responsable iray mpamatsy an'izy io ny tenako dia milaza izy fa miparitaka erantany hono io fanafody io.
Mahery noho ny Aloes macrolada sy ny Aloes rehetra hono izy io satria 50 principes actifs no hita tao aminy. Nahita témoignage aho ka olona voan'ny cancer ny iray ary prostate ny iray, ny iray indray voan'ny rhumatisme, kanefa une semaine fotsiny nohinana an'io il y a deux ans dia sitrana daholo.
Mbola hitohy....
novalian'i pitchou ny 25/09/2005 16:07
2. majakely ( 30/08/2005 08:16)
Zah efa nisotro an'io ,toa jus izay ilay tsirony !!!fa mampatanjaka koa hono izy io ,tsy mila maka vitamine na fanafody hafa izany hono ianao; fa de io no sotroinao hoy ilay mpivarotra azy de tsy mba harary intsony izany!!!!Fa izao:tsy marina ilay izy ,satria zah misy allergique amin'ny zavatra maro ary voan'ny asthme ,fa tsy éfficace akory, tavoahangy iray fotsiny no vidinao lafobe eo amin'ny 30euros ny 1litre !!!!Hanoary raha mety aminao fa tamiko aloha tsy nety e!!Ary marina tokoa fa illégale ny mivarotra na ny mividy an' io noni io!
3. gernico ( 30/08/2005 09:47)
Misaotra @ fanomezam-baovao toy ireny .
Raha izaho no teo @toeranao dia ny hahafantarako marina hoe efa misy ve aty Dago dia aiza no ahitana azy ? SY NY FOMBA TENA FIASA SY FAMPIASA azy io ...
:ireo no tena notrandrahako t@ io fotoana io
Fantatrao fa tsara ny mahalala sy miaina @karazan-javatra maro !
Aty @ tany mandroso toa an'i Madagasikara koa tena ilaina ireny mba hanampiana ny vahoaka mandady harona !
Misaotra tompoko
Enga anie mba ho lava velona daholo ny zavamaniry toa an'izany fa mitondra SOA !
Ny anjarantsika dia ny miasa miaraka @ fanjakana eo @ fiarovana ny tontolo iainana misy azi ireny .
4. Veloo ( 30/08/2005 14:17)
o ry herimiafina a, aloe ve aloha tsy ilay vahona e?
za mba te hanadrana nefa contradictoire be nareo sy majakely dia misalasala aho ka mila assurance tokoa moa zay vo manadrana..
Misaotra o
gernico a sur mihitsy aho fa misy an'io any dago...fa tsika zao mbola tsy mahafantatra.
5. Herimiafina ( 31/08/2005 06:56)
Misy laboratoire aty amerika avaratra efa ni-tester an'io Tahitian Noni io ka nahitana 50 principes actifs.
Ny any amin'ny Aloes na Vahona anefa toa tsy mihoatra ny 20 principes actifs akory.
(Aloes=vahona)
6. ravakamalala ( 31/08/2005 10:00)
Izay aho vao naheno an izany fa tsy azoko oe fa maninn no miafina? raha toa ka tena hita marina fa mahatsara? Tsy azoko
7. Veloo ( 31/08/2005 16:59)
Herimiafina a ka efa eny amin'ny countoir ve ilay Noni any aminareo any?
8. fijo ( 31/08/2005 23:02)
aty aza izany tsy mbola hay akory ko
9. Herimiafina ( 01/09/2005 05:25)
ravakamalala:

Izay aho vao naheno an izany fa tsy azoko oe fa maninn no miafina? raha toa ka tena hita marina fa mahatsara? Tsy azoko


Ny fahalalako azy tsy miafina satria mano conférence foana ilay orin'asa Tahitian Noni International isambolana.
Misy centre de distribution maromaro aty aminay ary milaza fa efa manerantany hono izy io.
Ny dokotera fotsiny no tsy tia ireny produits naturels medicinales ireny dia tsy mi-conseiller afa-tsy fanafody any amin'ny farmasia. Ankoatry ny dokotersa sasany mahafantatra azy an.

10. Veloo ( 01/09/2005 16:54)
ande ho jereko sy anontaniako aty...
11. fijo ( 01/09/2005 19:35)
tsy mbola hainay izany lehireto an
12. Veloo ( 01/09/2005 21:20)
o ry fijo a mandana mande manontany any @ farmasia knou mety manana ry zareo:twisted:
13. adidy ( 02/09/2005 19:46)
Efa nanoratra teto ihany fa tsy lasa angamba
Miarahaba anareo namana rehetra.
Mba te-hilaza ny hevitro momba ny plantes médicinales aho:
maro tokoa ny zavamaniry fanafody indrindra any Madagasikara, saingy raha fantapantatra ny mety ho asany dia tsy mbola nisy ny étude marim-pototra ny @ effets indésirable, effets secondaire, contre-indication toa ny fanafody rehetra mahazo alalana( AMM) .
Noho izany dia lasa tsy miasa @ tokony ho izy ilay fanafody.
Tsy fantatra raha adapté @ olona tsirairay sy ny aretina rehetra mahazo azy ilay izy(cas personnel).
Matoa ny dokotera iray manome fanafody iray dia fanany io fanafody io ary fantany tsara ny marariny. Noho izany tsy maintsy fanafody efa nahavita izany dingana rehetra @ essai clinique.
Dia matetika dia ny olona tsy tokony ho izy no milalao an'ilay fanafody, sy miteny ny hafa hoe nahasoa an-dranona ka andramo.
Ny vokany dia maty ilay olona satria tsy adapté @ aretiny ny fanafodiny, na matin'ny effets secondaires, na matin'ny évolutinn'ilay aretina izay ratsy tsabo hatrany am-boalohany.
14. pitchou ( 04/09/2005 17:38)
herimiafina> misy espèces maromaro ny aloes, ohatra ny tena ampiasaina @ cosmetique dia aloes vera, ilay ampiasaina atao fanafody aty dia aloes macroclada ... fa misy ny aloes tena misy principe mahafaty koa! raha azoko aloha dia raokandro tahitiana zany le izy!
sahala @ raokandro rehetra d ny ankamaroan'ny mpitsabo tandrefana tsy manaiky azy, na mody tsy manaiky azy, fa rehefa mitaredretra le firenena tompony dia ny brevet-ndrizalahy no ataony malaky! @zay fotoana izay tsy le hoe zavatra mahasoa ny olombelona no imasoany fa resa-bola!
nefa ny mpitsabo nenti-paharazana (tradi praticiens) tena afaka manazava @antsipirihany mihitsy ny mahamety sy tsy mahamety ilay fanafody @ olona tsirairay, ary marina fa mety misy effets secondaires fa rizareo mahafantatra hoe inona no ampiarahana aminy mba hampihenana io effets secondaires io.
Fanafody vidinao eny @ farmasia aza jereo fa misy effetx secondaires daholo
15. fijo ( 04/09/2005 18:29)
marina mihintsy io voalazan'i pitchou io.ary anjarantsika no mikaroka sy miaro ny antsika.
16. adidy ( 04/09/2005 20:19)
Izaho tsy mandà ny asan'ny zavamaniry mahasitrana, nefa kosa mamporiska ny olona mitsabo handray andraikitra hitsabo ny olona @ ankapobeny, ary hahafantatra ny fetran'ny fahalalany.Marina fa manana effets secondaires ny fanafody vidina any @ farmasia, nefa anjaran'ny mpitsabo ny mahafantatra ny marariny sy ny fanafody omeny(rapport bénéfice/risque).
Fampitandremana fotsiny no ataoko satria mafy izany efa namoy havana akaiky tsaboin'ny olona tsy mahafantatra ny fetran'ny fahaizany.
Mazava ho azy fa ny olona rehetra dia afaka manana ny safidiny eo @ fitsaboana.
17. Veloo ( 06/09/2005 19:43)
adidy a marina ny anao, mampitandrana no tena tsara... ary Safidy ny olona ko io ... Izay mahatsapa ny tenany hanao fanafody @ zava maniry aleo hanao any... fa tsara ny nataonao ny mampitandrina...=D=D=D=D
18. pitchou ( 07/09/2005 17:30)
adidy> fa tsisy dikany raha dokotera miseho azy ho manam-pahaizana satria nianatra firy taona teny @ oniversite no mahafaty olona o?:lol: izy aza no mampalahelo satria tsy nahatsabo?
19. Herimiafina ( 07/09/2005 19:55)
Ny tena olana amin'ny fanafody eny amin'ny farmasia dia ny fotoana nanamboarana azy ela loatra. Tsy azonao mihintsy izany autorisation de mise sur le marché (AMM)izany raha tsy 15 taona farahfahakeliny. Koa raha misy tokoa ny plantes medicinales tsy aleo ve andramana ihany aloha, au moins mba nitsabo.

Ny Sida izao dia efa namoaka karazana fanafody ny tao Afrique du Sud, torak'izany ny aty Amerika avaratra, mba hahaela velona ilay olona, maro ny sitrana (affirmation gratuite), ary ireo fanafody ireo dia tsy nanaraka ny lalàna fanamboarana fanafody toy ny isolation/synthèse, études toxicologique, teratogénèse, toxicogénèse, essai de formulation, DL50, etc, fa tonga dia nafohezina ny fotoana nanamboarana azy ary namidy avy hatrany satria mandrampivoak'ilay tena fanafodin'ny SIDA tena izy afaka 15 taona any dia efa maty ny atsasaky ny tany.
20. fijo ( 07/09/2005 19:56)
:lol::lol::lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.18