Efa misy an'ity Tahitian NONI ity ve any Dago any?

21. Veloo ( 08/09/2005 17:49)
marina izany ry herimiafina a ayayayayaya inn doly ireto tena ireto kle :P
22. fijo ( 08/09/2005 20:23)
tena inona?
23. Veloo ( 08/09/2005 20:46)
fijo a teny ka fa tsy tena :-D:-D:-D:-D
24. Herimiafina ( 08/09/2005 21:45)
Veloo:

marina izany ry herimiafina a ayayayayaya inn doly ireto tena ireto kle :P


Miala tsiny fa étape ny fanamboarana ody vazaha ireo e! Ireto ny fanazavana zaraina aminareo:
1- Tératogénèse = jerene araha misy effet any amin'ny vehivavy bevohoka sy ny zanany haterany ilay fanafody.
2- Toxicogenese = mitondra toxicité ve le fanafody.
3- DL50 = dose létale 50, dozy mahafaty voalavo 50 ao anatin'ny 100, voalavo no atao fanandramana.
4- Isolation synthèse = alaina any anatin'ilay zavamaniry ny principe actif manasitrana dia ezahana amboarina chimiquement sy ampitomboina isa.

Ny alika sy ny soavaly koa hono no tena hanandramana ny fanafody ho an'ny olombelona satria ireo no mitovy amin'ny olombelona ny physiologie-ny.
Farany dia taloha dia olona mihintsy no atao cobbaye (mbola misy amin,izao fotoana izao), ary tamin'ny andron'i Hitler dia ny Jiosy no cobbaye, ary tamin'izay no tena nanamboarana fanafody be indrindra teto antany.


25. pitchou ( 09/09/2005 17:54)
fa ny loza d ity: raha intéressant le fanafody navoakan'ny zavamaniry d enjehina sy anaovana propagandy hoe tandremo tandremo! d rehefa avy eo an-drizareo ny brevet!
fa na eto aza, rizareo any atsimon'ny nosy any dia nitantara ny fomba nitsaboany karazan'aretina "tsy fahita tany taloha, fa mahatonga vay sy fery be @ tenan'ny olona nefa tsy sitran'ny zavamaniry fampiasany andavanandro". Tsy nidedaka aloha izy hoe nahasitrana sida, fa ny nolazainy d hoe sitrana le fery, fa miverimberina mihinana io zavatra io tsindraindray ihany!!!
26. Herimiafina ( 09/09/2005 18:40)
Any atsimo any dia misy toerana (region écologique angamba) intermédiaire entre systeme Androy sy systeme Anosy (entre Ambovombe sy Amboasary) izay système mampifandray ny toerana maina (Androy0 sy toerana mando (Anosy) dia ny zava-maniry hita ao dia tsy misy n'aiza n'aiza eran'ny nosy, ka misy mitrandraka izy io.

Ao ohatra no miasa ny Pronatex, sns.

Ny zava-maniry hita ao dia feno principes actifs mahasitrana.
27. Herimiafina ( 09/09/2005 18:41)
(Diso) entre Ambovombe sy Fort-Dauphin.
28. adidy ( 09/09/2005 19:48)
Pitchou: raha ny dokotera no hita fa nahafaty olona ary tsy nahatsabo, dia azonao atao ny mitory azy. Ary raha voaporofo fa diso izy, dia voasazy: radier @ conseil de l'ordre, tsy mahazo mi-exercer, ary mety voasazy(pénal). Ary miteny aminao aho fa raha izaho na ny havako no tratran'ny dokotera diso ka tratra dia azoko atao tsara ny mitory.
Tsy hoe akory aho tsy tia zavamaniry, efa noteneniko foana tary ambony io, fa matetika ho'aho @ aretina mafy ohatra ny cancer itony, dia matetika tsy voatsabo tsara ilay cancer sy ny manodidina azy fa variana @ ilay tambavy.
Raha ny @ Sida sy ny traitement any afrique du sud, dia azontsika an-tsaina tsara, fa na eo ary ny fahamaikana hahita fanafody, dia any @ mahantra izy ireny no andramana, fa raha ny vazaha,tsy mety miditra kobay @ izao, raha tsy efa fantany hoe @ ilay aretina mahazo azy io dia mbola tsy misy fanafody hita. Izany anefa tsy ataotao foana fa asaina manasonia ilay olona(consentement éclairé).
Raha any @ tany mahantra sasany indray dia misy ny trafic d'organes(rein) indrindra indrindra.
Haka ohatra @ contraception par implant indray aho dia iaraha-mahalala fa tany@ tany mahantra no nanandramana azy ary efa voaporofo tany fa toléré vao navoaka .
Tsy miaro fahatany ny système vazaha sanatria ny tenako, fa mahafantatra tsara ny hafetsifetseny, ary tsy manambany ny hay any an-tanàna , fa fotsiny mailo satria kosa misy aretina efa azo lazaina hoe mba voafehy sy fantatra ny fitsaboana azy.
Fa dia samia mitsabo tena @ mahasoa azy e!

Herimiafina, haka ohatra @ resaka Sida aho, satria io no nalainao: mazava ho azy fa raha olona sahirana any @ tany mahantra zarany aa misy miteny hoe andao andramana itsy na iroa, fa raha aty ianao, tsy hisy dokotera sahy hiteny @ vehivavy bevohoka hoe ity misy fanafody mbola tsy fantatra ny effet-ny @Sida, ka ando handramana aminao.
Ary isan'ny fitsaboana isan'ny mahavariana ahy ny fitsaboan-dry zareo sinoa satria hainy tsara ny mampiaraka ny taloha sy ny ankehitriny(prise en charge globale) de la personne. Misy ny tradipraticien mahavita an'izay ka sahy mijoro, dia tsara be. Ny tsy ekeko dia hoe, nahatsara an-dranona ka andramo.
29. pitchou ( 12/09/2005 11:57)
ka hoy aza i adidy hoe:

Pitchou: raha ny dokotera no hita fa nahafaty olona ary tsy nahatsabo, dia azonao atao ny mitory azy. Ary raha voaporofo fa diso izy, dia voasazy: radier @ conseil de l'ordre, tsy mahazo mi-exercer, ary mety voasazy(pénal). Ary miteny aminao aho fa raha izaho na ny havako no tratran'ny dokotera diso ka tratra dia azoko atao tsara ny mitory.

saingy ny eto tsy otran'izany e! resaka be izany!
ka enao milaza hoe variana @ le tambavy: matoa ange ny tradi praticien manome le tambavy d fantany hoe izay no mety @ le olona e! asa enao raha mba efa niresaka tsara t@izy ireny, fa tsy misy na d olona 2 aza mitovy ny fitsaboana ataony amiony na d toa mitovy izao aza ny aretina! hafa ny hoe tazo io d mihinana nivaquine na chloroquine na sahala @ zany! na hoe maratra d sasao @ eau oxygénée d asio betadine! tsy otran'izany ny an-drizareo tradi-praticien! na hoe tapaka d ataovy platra!
30. Herimiafina ( 16/09/2005 03:50)
Adidy, marina ny lazainao, fa izao no tena mety, ''tsy tokony hatao kitoatoa mihintsy ny fitsaboana''.
Tsy sur à 100% ny resaka ravinkazo ianao ka tsy tokony hametraka ny toky iray manontolo any.

Izao fotsiny mety misy synérgisme na effet synérgique amin'ny fanafodin'i dokotera ireny tambavy ireny satria mety manadio ny rà amin'ny impureté. Anti-oxydant mi-éliminer substance indésirable any amin'ny vatan'ny olombelona, mety misy effet inhibiteur ihany koa.

Ka izao mi-se documenter tsara alohan'ny hanaovana zavatra.

Nisy zavatra nanintona ny saiko teo resaka hoe ny mahantra no hanandramana ny fanafody ka manasa antsika ho atsy amin'ity forum momba ny vakisiny izay atolotro amin'ny fo feno fitiavana.
31. Veloo ( 21/09/2005 17:01)
ary ahona aloha ilay Noni e efa nanadrana angaha enao ry hery?
32. pitchou ( 21/09/2005 17:34)
herimiafina> hay ve enao dokotera e! ttsssss! hitako no miaro mafy ny dokotera na d manaonao fôna sy mahafaty olona aza ireny ndraindray! ary manebaka ny tradi praticien raha sendra nisy tsy sitrana!
33. Veloo ( 21/09/2005 18:24)
pitchou a tssssssss inn ko no maha dokotera an'io :-D:-D:-D
34. Herimiafina ( 21/09/2005 18:43)
Za tsy tena le dokotera manindrona ireny fa le dokotera spesialista ny kritika sy le frapy crane ireny ihany ka. de za koa tsy manohana an'iza n'iza na manohana an'iza n'iza fa sady favy amiko ny dokotera no favy amiko ny tradi-praticiens.:-D:-D:-D:-D

Za efa nisotro anlé izy fa tsy mbola nisy effet aloha hatramin'izao satria izaho tsy narary.
35. Veloo ( 21/09/2005 18:50)
:-D:-D:-D dikan'izany tsy mety ilay knou... na dia symptome ary ve tsy misy?
36. pitchou ( 21/09/2005 19:19)
mba misotro dite na kafe tsindraindray ihany v nefa alou i herimiafina e!
37. Herimiafina ( 21/09/2005 19:42)
Angamab i Herimiafina efa natao hanary ze énérgie rehetra angoniny ao antin'ny ndray andro de tsy mahatsapa ninoninona. Matoa tsy tadidiko de nilay zay le izy fa nanala le havizanana, raha reraka be mantsy za tamin'ity manao serasera ity dia mety tena henoko hoe reraka aho de tsy niasa zany le izy.
Ary sao de mba izao ary vao nisy effet-ny fa toa aôtran'ny mazoto be zany aho an.

I Herimiafina ndray dia mankasitraka na dite na café na zavatra hafa koa ary ka mahasamihafa ny olombelona amin'ny biby. (Taiza ianao no nahita omby mifoka sigara, mirevy, namisotro café?).:-D:-D:-D:-D
38. Veloo ( 22/09/2005 16:21)
hery :-D:-D:-D:-D
39. pitchou ( 23/09/2005 02:28)
hay v mi marche @ ravi-kazo i hery fa tsy @ fanafodin'ny farmasia e! :-D:-D:-D
40. Herimiafina ( 23/09/2005 19:14)
Za ze mety amiko ihany de reveko be foana.
Za zao refa marary andou de minana paracetamôla.
Za zao nefa refa marary vavony de minana tambavy tsikobona de milamina.

Za zao refa.....de minana kôla sy vandro de.....
Za zao refa.....de mandro amin'ny katrafay de.....

Kanefa za zao refa voan'ny gripa de minana febrilex.

De za kou mbola mafantatsa ravina azo atao fanafody bedabe.:-D:-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2788