Menatra mampiseho fitiavana na miteny je t'aime

1. Herimiafina ( 30/08/2005 06:22)
Maro ireo olona no menatra mampiseho fitiavana amin'ny olontiany sao hono lahy hararaotin'io olona io izy ka hijaly.

Amiko manokana, aleoko miteny je t'aime foana, mampiseho fitiavana foana na dia hanararaotra aza io olona io satria izay no itiavako azy.

Tsy ny mahamety ny tenako foana ihany tsinona no jereko fa manjary tia tena be loatra aho fa tsinjoviko ihany koa ny tian'ilay olona.

Raha tsy tia ahy intsony izy noho izay dia tsy mi-insista aho satria izy tsy zavatra very ka tadiavina na entambarotra ka vidiana, fa olombelona manana saina ary manana istrampo ihany koa. Ka dia aleoko izy sambatra any antratran'olonkafa fa izay no hitiavakoazy toy izay hijaly miaraka amiko.
novalian'i valie ny 27/09/2005 09:54
2. donnie ( 30/08/2005 06:47)
Amin'ny lafiny iray marina izay hevitra izay satria ho ataotaony mihintsy rehefa avy eo. Fa izay aloha miankina amin'ny ilay olona miaraka aminao koa.
Amin'ny lafiny iray manaraka dia tsy dia tsara koa ny tonga dia mitsoraka hoatran'izany. Aza tonga dia manome fitiavana 100% izany, fa misy tazomy ihany. Arakaraky ny fandehan'ny fotoana no hanomezo tsikelikely amin'izay.
3. lilbon ( 30/08/2005 06:50)
salii!
tsy mampaninona ve sy tsy mahamenatra rah misy manaoje t'aime anefa ny valiny manao we za mbola hieritreritra ?
4. xxx ( 30/08/2005 07:18)
lilbon inona ny olana amizany, ilay olona mety efa nieritreritra izany fa ianao izy nilaza vao nahaheno fa tiany ianao, asa aloha e! aleoko milaza hoe ieritreritra aho toizay hilaza fa hoe tsy tiko ianao.
5. ravakamalala ( 30/08/2005 09:59)
Ny ahy ny zavatra tena hitako dia iry-mahaory ilay fitiavana e!!!
Satry foana anie hiteny je t aime (indrindra moa refa tena marina lé izy) fa matoa ianao miteny dia mba te hahazo valiny koa e! Sarotra be araka ny tenin i lilbon lé mahazo an ilay hoe za mbola hieritreritra, fomba mihaja ilazana izany fa non n'est pas!!!

> Herimiafina zany mampiseho fitiavana foana? Sambatra Mme Herimiafina.
6. diamondra27 ( 30/08/2005 11:42)
jereo ny dinika "tambitamby, hantahanta" @ fitiavana fa ahitanareo ihany koa ny dinika similaire ity dinika ity izay tolokevitr'i Diamondra
7. diamondra27 ( 30/08/2005 11:42)
jereo ny dinika "tambitamby, hantahanta" @ fitiavana fa ahitanareo ihany koa ny dinika similaire ity dinika ity izay tolokevitr'i Diamondra
8. diamondra27 ( 30/08/2005 11:44)
jereo ny dinika "tambitamby, hantahanta" @ fitiavana fa ahitanareo ihany koa ny dinika similaire ity dinika ity izay tolokevitr'i Diamondra
9. pika ( 30/08/2005 12:47)
raha tsy averimberina ve ry diamondra27 tsy ho voavakin'ny olo
tandremo fa mitombona koa ilay hiran'i samoela hoe: izy tsy hanambara rahoviana hoe tianao izany, fa ambarany @ fihetsiny .... ity ny vatany ...
sao tonga @ lay fitenenana hoe mpitarimbato vilambava e ny vava je t'aime2 ny atao any ambadika any anefa :x
10. vivi ( 30/08/2005 13:39)
za aloha efa voanio fitenenana jtm io fa tena nanenenanako ny niteny azy e, tsy hoe niteny direct we jtm moa fa nilaza we manana sentiment forte @ za sns sns fa tena tsy haveriko intsony fa aleko mody fanina hatraminy farany na manao jeu foana ,taloa za tsy niteny jtm natao hotrany princesse fa rehefa nitsotra ny marina kosa d natao toy ny hinona , betsaka ny fomba fiarahana ahafantarana we tia na tsy tenenina aza ka aleoko mampiasa anio methode ray io,ary mahagaga anie fa vao mampiseho ianao we tsy te ahalala d iny ry zareo taraiky e!ny hitako aloha tsy bon idée io filazana jtm io , raha @ za vhv aloha e!,raha any @ fanambadiana aloha d tsy maninona fa raha sipasipa , aleo hilamina fa ny tany indramina!!
11. Veloo ( 30/08/2005 14:31)
oy i ravakamalala oe
Herimiafina zany mampiseho fitiavana foana? Sambatra Mme Herimiafina

ie wa retsy tena sambatra mihitsy:wink:
vivi na ao amin'ny fanambadiana ary retsy mbola misy izany ko... Za kosa aloha raha sipa zany tsy mbola niteny oe "tiko ianao" e :-D:-D
12. kajykel ( 30/08/2005 15:23)
mba enohy lay hira Tsy sahy an'i Kiakao^o
13. Veloo ( 30/08/2005 19:59)
mbola ty aiko ndray zany hira zany...
14. Herimiafina ( 30/08/2005 21:18)
ravakamalala:

> Herimiafina zany mampiseho fitiavana foana? Sambatra Mme Herimiafina.


Herimiafina taloha tsy mba napiseho fitiavana fa nomen'ny olona conseils hoe araraotin'iny ianao raha mampiseho fitiavana aminy loatra. tsy fanao koa hono ny miteny je t'aime be amboalohany. Dia tsy nataon'i Herimiafina mihintsy izany tamin'izany il etait une fois izany. Efa taty aoriana Herimiafina vao niova rehefa tena tsapan'i Herimiafina fa nitombo tokoa ny fitiavany ilay olona, saingy indrisy fa na dia tia an'i Herimiafina aza ilay olona dia lasa manontany tena foana hany ka tsy mamaly intsony rehefa ataon'i Herimiafina hoe je t'aime. Ankehitriny efa niova tanteraka i Herimiafina saingy mbola indrisy ihany koa fa noho ny hafenoan-dranomasina be loatra manelanelena dia sady efa tsy hita endrika intsony no tsy hita vaovao intsony ilay tokony hitenenan'i Herimiafina hoe je t'aime.:cry::cry::cry::cry:

15. rijatsif ( 30/08/2005 22:20)
Dia miombona alahelo amin'i Herimiafina izany ê!
Dia mbola miombon-kevitra aminao ihany koa hoe tsara ny miteny je t'aime amin'ny olona tianao. Satria "on n'est jamais perdant quand on aime." hoy izay hira izay.
16. lilbon ( 31/08/2005 04:39)
herimiafina>hi hi hi zany we conclusion zany de we Herimiafina de olona afaka mitia tsara zao sady mahasambatra ny vehivavy miaaka aminy?
:lol::lol::lol:un bon parti ann:-D;-):-D
17. Herimiafina ( 31/08/2005 06:47)
Fa herimiafina koa mila lasantsy kah, dia fitiavana koa izany fa tsy mi-fonctionne intsony io raha tsy misy lasantsy kely. tsy bon parti fa partir bon.:lol:
18. palince ( 31/08/2005 07:23)
ny olona iray rehefa mitia olona dia tokony tsy ho menatra izanhy . Matoa ianao mbola menatra dia mbola tsy matotra tsara amin'ny atao hoe mitia. fiavana = fiainana , fifampizarana ny manta sy ny masaka , fa tsy fandehandehanana eny amin'ny arabena hoe mampiaraka annn(l). Je t'aime satria ao aminao daholo ny fisainako sy ny fiainako rehetra ahahahaha:lol::lol:(l)(l)(l)
19. ravakamalala ( 31/08/2005 07:32)
> Andjay e! Mafatifaty be palince, mamy anie zany e! Je t'aime satria maninn tsara izy teo ? OOOntso ooo! Mananihany aho fa tsara foana ny mamboraka fitia e!

Herimiafina > Aza manambe e! Mbola o avy ilay maraina e! Vodintsobika aza hono manatandrify.
20. pika ( 31/08/2005 07:50)
palince a tohizo fa tsara e =D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2313