Fitarainana : ho an' ny namana rehetra.

1. Bocassa ( 27/08/2005 08:18)
Miarahaba antsika rehetra tompoko !
Miala tsiny raha toa ka manoratra izao hevitra izao ny tenanay. Mba tsy hisian' ny........., dia aleo ihany resahina. Ity takelaka "namana serasera" ity moa dia natao hifandraisan' ny Malagasy rehetra tsy an-kanavaka. Fifankatiavana sy fifanajàna no tokony hanjàka eto noho izany. Ho antsika te hampiditra hevitra, aoka mba ho tsarovana foana izany fifanajana izany. Misy mantsy ny sasany toa manompa sy miteny ratsy. Tohano ny hevitrao fa aza miteny ratsy. Ady hevitra no atao fa tsy fifamaliana akory. Aza asiana resaka foko sy toeram-pihaviana ny hevitrao. Betsaka ireo mitaraina fa misy ny namana mpanao izany.
Mba henoy ny fitarainanay tompoko!
2. sonwin ( 27/08/2005 09:59)
Namaky za fa tsy naheno ary hitako fa marina ny voasoratra.Miombo-kevitra aminao :lol:
3. hery ( 27/08/2005 11:21)
Bocassa> azonao atoro ahy ve izany hevitra misy teny ratsy izany?
Misaotra
4. Herimiafina ( 27/08/2005 14:33)
Marina izany, aleo hevitra tena izy no avoaka. Fa ny olana toa izany koa dia tsy tokony homena lamosina fa tokony horesahana mba tsy hisiany intsony. Ilay manompa no tena tsy mety.
5. fijo ( 27/08/2005 20:51)
le manompa aloha tsy nahatsikaritra aho,fa le manao resaka fiaviana io,dia misy manao ary tsapa hoe manaratsy mihintsy.ka io n tokony asiana fandinihana.
6. dakoma ( 27/08/2005 21:02)
Bocassa:

Miarahaba antsika rehetra tompoko !
Miala tsiny raha toa ka manoratra izao hevitra izao ny tenanay. Mba tsy hisian' ny........., dia aleo ihany resahina. Ity takelaka "namana serasera" ity moa dia natao hifandraisan' ny Malagasy rehetra tsy an-kanavaka. Fifankatiavana sy fifanajàna no tokony hanjàka eto noho izany. Ho antsika te hampiditra hevitra, aoka mba ho tsarovana foana izany fifanajana izany. Misy mantsy ny sasany toa manompa sy miteny ratsy. Tohano ny hevitrao fa aza miteny ratsy. Ady hevitra no atao fa tsy fifamaliana akory. Aza asiana resaka foko sy toeram-pihaviana ny hevitrao. Betsaka ireo mitaraina fa misy ny namana mpanao izany.
Mba henoy ny fitarainanay tompoko!

Ndryyyy.Marina tokoa izany.Mangataka antsika koa mba hazava fisainana,aoka isika hifakalala toetra,fa samy gasy.Tsarovy fa ny tamperaman dia tsy mitovy.Anay Bara dia somary direkta,amareo merina mampiasa diplaomasia,na mandevi-tay antsalaka.Tsy midika izany fa mifankahala isika.

7. fijo ( 27/08/2005 21:22)
aty ampita koa,ny arabo sy ny saovaka rehetra direkta be,fa ny nianatra sy malala tsana mihezaka ny hanao izay tsy hanafintohana ny olona.
8. dakoma ( 27/08/2005 22:12)
fijo:

aty ampita koa,ny arabo sy ny saovaka rehetra direkta be,fa ny nianatra sy malala tsana mihezaka ny hanao izay tsy hanafintohana ny olona.


Nareo kosa ngamba nanao izay nahasosotra azy.Mianatra anay aminy lyceè ve zany enao?
9. fijo ( 27/08/2005 22:32)
toa tsy azonao akory izay tiako lazaina ko.
10. dakoma ( 28/08/2005 09:30)
fijo:

toa tsy azonao akory izay tiako lazaina ko.


Nianatra be loatra ianao ka mety tsy azony olotsotra intsony ny fisainanao.
11. steeeel ( 28/08/2005 16:33)
style
12. Veloo ( 30/08/2005 15:10)
inn ndray ny olana ato e:roll::roll:
13. deghany ( 30/08/2005 16:56)
le teny maloto nge ôtran'ny miresaka @ namana andavanandro iany e!! fa ny ankôtran'zay no mamay be!!!!:evil:
14. Veloo ( 30/08/2005 20:11)
mamay ?? inn no mamay ato?
15. momona ( 10/09/2005 09:08)
diovina v zany le teny sa!!!
sa le sa no tena diovina???
16. naritsimba ( 21/10/2005 10:45)
Aoka hifanaja e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 2.087