Ahoana ny hoavin' i Dago ??

1. Bocassa ( 26/08/2005 16:37)
Vao niova an-dRvalo ny mpitondra dia lasa be fanantenana ny Gasy aty Dago. Nilaza mantsy ny prézidan Ravalo hoe: "tsy maintsy mandroso i Dago". Kanefa raha amin'izao fotoana dia toa mbola tsy tanteraka akory izany. Ny mpanohitra etsy an-daniny toa mandrangitra ihany. Antenaina ny hahatanterahan'izany haingana. Sa aleo ihany miandry tantana ? Efa 3 taona ange izay no niandrasana ê! Ho hita eo ny tohiny afaka 2 taona. Mba ahoana kosa ny hevitrao ? [ izaho tsy mpanohitra fa mpitsikera an! ]
novalian'i hps ny 09/09/2005 19:24
2. dakoma ( 26/08/2005 19:13)
Bocassa:

Vao niova an-dRvalo ny mpitondra dia lasa be fanantenana ny Gasy aty Dago. Nilaza mantsy ny prézidan Ravalo hoe: "tsy maintsy mandroso i Dago". Kanefa raha amin'izao fotoana dia toa mbola tsy tanteraka akory izany. Ny mpanohitra etsy an-daniny toa mandrangitra ihany. Antenaina ny hahatanterahan'izany haingana. Sa aleo ihany miandry tantana ? Efa 3 taona ange izay no niandrasana ê! Ho hita eo ny tohiny afaka 2 taona. Mba ahoana kosa ny hevitrao ? [ izaho tsy mpanohitra fa mpitsikera an! ]


Tsotra neh ny mitsikereee.Deh mitsikera ny sakafo nataony mamanao.Aza apiana izy fa tsikerao fotsiny,faly aho rah torahany menaka mamay ianao.
3. Herimiafina ( 26/08/2005 19:49)
Vao telo taona izay, jereo hoe inona no efa vita ary jereo ny tsy vita, dia avy ao vao miteny hoe nisy fandrosoana sa tsia.
4. Veloo ( 26/08/2005 20:16)
o ry Bocassa angaha izy ty mora2 no mitondra fanjakana ka iray mipi maso dia vombotra doly ny rehetra.. tssssss
5. xxx ( 27/08/2005 06:43)
Ekena hoe tsy moramora ny mitondra fanjakana e! nefa izany atao hoe fanjakana izany ange de ny vahoaka rehetra ao amin'ilay firenena e!
aiza ho aiza ary ny fitondrana ny vahoaka???
Za mahita fa ny vahoaka entina eto Mcar dia ny fianakavian'ny prezidan ihany satria ny orinasa miitatra, ny fanondranana entana monopolisé, ny vahoaka mbola miaina ambany foatra hatramin'izao. Tsy manohitra ihany koa aho fa mba milaza izay hitan'ny maso e!! ny maso hono mantsy adala e!!!!
6. Bocassa ( 27/08/2005 07:09)
Marina daholo izany rehetra izany. Miankina amintsika vahoaka ihany koa ny fitondrana fanjakana. Fa enao, inona no ataonao? Tena manampy ve sa mijery baolina fotsiny? Ndao mba hampiana ny prezidan ê!. Ento am-bavaka ry zareo â! Mafy ange ny ady ê!! Ary enao, ahoana ny hevitrao?? Misaotra antsika ê!
7. lidy ( 27/08/2005 11:27)
Bocassa:

Vao niova an-dRvalo ny mpitondra dia lasa be fanantenana ny Gasy aty Dago. Nilaza mantsy ny prézidan Ravalo hoe: "tsy maintsy mandroso i Dago". Kanefa raha amin'izao fotoana dia toa mbola tsy tanteraka akory izany. Ny mpanohitra etsy an-daniny toa mandrangitra ihany. Antenaina ny hahatanterahan'izany haingana. Sa aleo ihany miandry tantana ? Efa 3 taona ange izay no niandrasana ê! Ho hita eo ny tohiny afaka 2 taona. Mba ahoana kosa ny hevitrao ? [ izaho tsy mpanohitra fa mpitsikera an! ]

révéko be lay fomba fijery é! ary sahala isika.Amiko dia tsara ny vitand-Ravalo ary zà tsy am-pitaha azy @ Radidy fa aleo ravalo sy ny asany no ampitahana.Mpandainga ve izy? donto ve izy? ary ny mpokona manao ahôna:mikaly?mitafy?mianatra?ary karazam-mpianarana toy ny inona?Zà koa mantsy dé tsy mparadrenirano fa mba mamôka hevitra iany aho.Amiko dia tsa

8. lidy ( 27/08/2005 11:53)
tapaka lay kôzy.Tsara hoy aho ny vitan-dravalo fa ny hany lesoka aminy dia ny hampisy vola ao caisse mpanjakana no nalefany alohan'ny fanatsarana ny fidiram-bolan'ny tantsaha.Modely vahiny zany fampandrosona zany.Ny ampanakarena ny vahôka no tokony mande alohan'ny fitakina hetra aminy.Izany hoe 1°-inona no tena mety atao @ tantsaha mba iotazany ny vidin'ny hatsembohany.Oatra:tsy maninona mihitsy zany 6000fmg zany ny vary raha tonga dé mankany @ tantsaha ny sôsy.mitombo ny mpamboly sy ny vokatra dé midina hoazy io avy eo.AMPIO IZY REO!!! -2°halefa ho aiza indray ary reo mpijirika vary efa kala be? havily ho lasa industriels ohatra fa tsy hifandrombaka hitsentsitra tantsà-3°izay vao tokny ho avy ny fitakina hetra be sns amelomana ny ambaindain'y asam-panjakana.Mora manaintana be amintsika ny fiakaran'ny vidiny solika satria tsy miainga @hery efa misy eo an-tànana ny ezaka.Efa vita io ny làlana ,mandé ny masinina,taomin'ny fanjakana amonjy tsena ny vary dé manefa refa lafo ny entana,mamôka lalàna ny ANP fa tsy mahazo mivaro-barey zay tsisy tanimbary.Dé tsy ho kala be ve ny 70% ny gasy?
9. dakoma ( 27/08/2005 21:51)
Anay Bara dia mahatsapa fa ra8 no izy.Tsy maintsy misy filoha ny firenena ,ary tsy hitako izay azo asolo an-dra8.Toliara madio ny lalana vita ,iza no mety hahavita tsara kokoa no izany?Zafy ve,sa pastora?
10. fijo ( 27/08/2005 23:09)
ny bara rehetra ve dia hisaina toa izany????????
11. dakoma ( 28/08/2005 10:10)
fijo:

ny bara rehetra ve dia hisaina toa izany????????


Ny Bara rehetra dia liana fahadiovana sy fandrosoana,ka ataoko hoe yes ny valiteninao.
12. Bocassa ( 29/08/2005 07:00)
Marina daholo izany rehetra izany. Tsara ny filohantsika nefa mila ampiana. Inona anefa no azontsika atao? Mipetraka ho an'ny rehetra ny fanontaniana!
13. babalahy ( 29/08/2005 08:47)
Afaka hanampy azy ny olona fa mba mihaino toro-hevitra ve ny filoham-pirenena ?
14. pika ( 31/08/2005 08:01)
ny ho avin'ny dango efa hihala eo amoronkady isika izao fa ho any anty hantsana
raha lazaina fa efa ambavahoana ny fahafatesana ny gasy t@ deba efa maty tapaka sy malemy izy ankehitriny ary efa miandry fitsarana
15. mandrindra ( 01/09/2005 15:30)
Ny mpitondra nahavita asa mivaingana nefa ny vidimpiainana mihalafo. Ny mpanohitra mivazavaza eran'ny tanana manao alahelontoerana fotsiny. Tsy revolisiona politika na ideolojika intsony no hitranga any Madagasikara raha mitohy izao fa ny révolution des affamés. Hiditra any antranon'izay mbola mahavidy haninkohanina ny noana ary tonga dia hipetraka eo ambony latabatra hihinana.
16. pika ( 06/09/2005 10:05)
ny mpanana sisa no ho velona e fa ny mahatra taloha efa ho faty ny antonintoniny koa efa ho lasa 4amis
17. hps ( 09/09/2005 19:24)
andraso eo ilay teny fampanantenana hoe: Minoa fontsiny ihany,Faly aho,sns...dia ho hitanao ny maharary f'izay mantsy sisa andrasantsika eto eh!
Ny hoavin'ny Dago indray dia i Ravalo mihitsy no ho lasa mpanjaka atsy ho atsy araka ny hiran'ny akama Risareraka=D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3414