PAZZAPA :hanao ahoana ny hoaviny??!!!

1. Bocassa ( 26/08/2005 16:03)
Malaza be mihintsy ny Pazzapa aty Dago. Ny ankamaroan'ny olona dia manaraka an'io daholo. Tena tsara aloha lé izy ê!! Fa ny olana dia izao :
lasa niova be mihintsy ilay toe-tsaina maha-malagasy. Jereo ange ny fomba fandihin'ireo tanora ao amin'ny PAZZAPA ê !!! Izay mihintsy angamba no nahatonga an'i Harena[pazzapa] niala tao. Tsara ilay fandaharana fa toa mampivonto fo indraindray. Ilaina fiheverana. Sa ahoana hoy ianao ? Ho hita eo ny hoavin'ny PAZZAPA.
novalian'i fijo ny 15/09/2005 20:55
2. Veloo ( 26/08/2005 16:16)
inn aloha ty PAZZAPA E? tsy fantatro io
3. Bocassa ( 26/08/2005 17:49)
Veloo >PAZZAPA ve ? Fifaninana hira ataon' ny tanora izay karakarain'ny televiziona RTA aty Dago. Be dia be ireo tafita amin'izany ka alefa mitoka-monina any amin'ny villa pazzapa. Dia mitohy foana ny fifaninana. Misy arak'izany no mandao ny villa satria resy. Efa hifarana io fandaharana io ka ho hita tsy ho ela izay tena mahay mihira sy mahay mandihy.
4. Veloo ( 26/08/2005 19:29)
Bocassa ay ve e misaotra anao nanazava. aty ko misy anio tsara be ka. mampa-motive ny ankizy hihira tsara..fa ahona oy enao no mampivoto fo? tena manao sena be nga ry zareo?
5. Bocassa ( 27/08/2005 07:43)
veloo > Raha ny maha-Malagasy no jerena dia tena mahamenatra be mihintsy. Tsy ny fomba fandihy ihany ange fa ny fomba fiankanjo koa ê! Tsara be ilay PAZZAPA fa izay fotsiny no tsy nety. Azo harenina tsara anefa zany. Sa ahoana ? Misaotra ê.
6. sonwin ( 27/08/2005 10:12)
sao dia i Bocassa maitra karaté aza io...dia miasa ao amin'ny rta koa, asa anefa:roll:
7. fijo ( 27/08/2005 21:27)
raboca an,ka mianatra ny avy aty io e.
8. sasa ( 29/08/2005 04:35)
Bocassa zavatra mbola am 1er octobre ny final kou ho fantatra tsy hoe ela ahoana? hi hi hi hi hi tsy hainao angaha ataon'ny RTA fitadivam-bola le izy, ny RTA kou fetsy kou, isaky ny samedi misy spectacle foana kou hi hi hi hi hi hi ny ahy aloha am Télé ihany za mijery e.
Fa na izany na tsy izany aza lasa miova be ny toetsain'ireo ankizy lasa any am Villa any.
9. KALIE ( 29/08/2005 05:06)
Ny zavatra hitako aloha hatr@ nahitako ny PAZZAPA dia tsisy mahay mihira ry zareo e! sauf i TAHIRY
10. Bocassa ( 29/08/2005 06:47)
sasa > Natao ho fitadiavam-bola mihintsy le izy ê!Fa na izany aza dia mafinaritra foana satria fialam-boly ho antsika. Fanamarihana fotsiny ny ahy fa tsy fanaratsiana akory. Misaotra anao ê!
11. moi ( 29/08/2005 12:17)
zaho kosa mba contre amin'ilay hoe atao fitadiavam-bola !
Mba vola be koa ange no lany ao e ! Sakafo fotsiny no hohatrinona mandritry ny firy andro, an'olona firy ?
Betsaka no manontany hoe mba vola avy aiza ary no laniana ao, fa dia be dia be e ! Ka mba mahay mi-compense ny RTA ka hoe atao fitadiavam-bola !
Sady RTA koa commercial ! Marketing OK OK !
Fa ny après Pazzapa no mety hampalahelo ny exploitation ny ankizy !
Ka amiko RTA sady mahay mitady vola, mahay mampiala voly.
Na vola maloto aza rangahy no nahodina tao tsy koua a !
12. jentilisa ( 29/08/2005 14:56)
kalye angamba matimaty @ tahiry dia lazaina fa izy iahany no mahay mihira! ho hita eo moa rehefa final e! dia ianareo any an-dafy izao efa afaka manaraka mivantana amin'ny alalan'ny wanadoo madagasikara. zany an!
13. laila ( 30/08/2005 11:58)
ye tena marina mihitsy ny anao ka!
fa milay aloha ilay pazzapa e! izaho manko dia anisans'ny manaraka an'iny koa e!

Bocassa:

Malaza be mihintsy ny Pazzapa aty Dago. Ny ankamaroan'ny olona dia manaraka an'io daholo. Tena tsara aloha lé izy ê!! Fa ny olana dia izao :
lasa niova be mihintsy ilay toe-tsaina maha-malagasy. Jereo ange ny fomba fandihin'ireo tanora ao amin'ny PAZZAPA ê !!! Izay mihintsy angamba no nahatonga an'i Harena[pazzapa] niala tao. Tsara ilay fandaharana fa toa mampivonto fo indraindray. Ilaina fiheverana. Sa ahoana hoy ianao ? Ho hita eo ny hoavin'ny PAZZAPA.



14. sasa ( 30/08/2005 12:30)
moi, ka za kou anie tsy contre an'le fitadiavam-bola fa na d izany aza tsy maty antoka amin'io lesy izy fa ny sponsors be da be mintsy an, fa ela loatra le izy d manjary tena reraka be le ankizy, isaky ny semaine ve spectacle foana, ny evaluation etsy andaniny mafy be ny fanomanana an'azy misy am 1h du matin anie ireo ankizy ireo mbola tsy matory, au moins mba isaky ny 15 jours vao manao spectacle ry zareo amzay mba tsy reraka le ankizy, misy ankizy sasany amreo mantsy mba mahay ihany fa noho ny harerahana d lasa farina ny feo, ny vatana reraka tsy afaka mandihy tsara d nominé avy eo.
15. Veloo ( 30/08/2005 13:47)
oi y bocassa oe:
veloo > Raha ny maha-Malagasy no jerena dia tena mahamenatra be mihintsy. Tsy ny fomba fandihy ihany ange fa ny fomba fiankanjo koa ê! Tsara be ilay PAZZAPA fa izay fotsiny no tsy nety. Azo harenina tsara anefa zany. Sa ahoana ? Misaotra ê.

Tena azo harenina tokoa moa izany, io mi-dependre ny organizateur... ary tena mahazo vola tokoa raha mahay manao azy....
16. cutie ( 30/08/2005 23:52)
Mpandefa : Veloo [ Valio ] 26-08-2005 21:29:17
Lohateny : Re : PAZZAPA :hanao ahoana ny hoaviny??!!!
Bocassa ay ve e misaotra anao nanazava. aty ko misy anio tsara be ka. mampa-motive ny ankizy hihira tsara..fa ahona oy enao no mampivoto fo? tena manao sena be nga ry zareo?

Aiza ao @ TV aty no misy an'io veloo
17. essera ( 31/08/2005 10:17)
Mahafinaritra aloha ilay pazzapa. Ary tsara mihitsy ny nisian'ny initiative ohatra izao ho an'ny RTA sy ny partenaires rehetra miaraka aminy. Tsy dia mbola nisy mpanao ange izao teto Madagasikara, afa tsy tamin'ny andron'ny TOP 16 ireny, fa mbola samy nanao izay hahatsara ny azy ny ankizy mpifaninana.

Tena efficace ilay stage ao amin'ny villa pazzapa. Ary tena amin'ny mahampanao mozika ny tenako dia vitsy no ahitana opportunité ohatra izao ho an'ny ankizy malagasy, indrindra2 ho an'izay vao mpanatalenta vao misondrotra.

Tokony hojeren'ny mpikarakara ihany anefa na izany aza ny fanakianana efa maromaro ataon'ny mpijery sy mpihaino fa tsy hianona fotsiny amin'ny fahombiazana ry zareo. Raha nahatadidy ianareo vao nanomboka ny sivana ny ankizy dia efa niainga :

- Rangaha misy volombava maimay vava iny tsy dia manana traikefa eo amin'ny fifandraisana amin'ny mpifaninana angamba fa efa zatra zavatra hafa. Tsy mba ohatra an'ilay Ihary iny mba voalanjalanjany daholo izay zavatra lazainy, ary tena na ny nanao no tsy nambinina aza mba tsy dia maratra loatra ny sainy rehefa tapitra ny lalany. Mba efa nofantenan'ny mpikarakara ve ilay rangaha iny alohan'ny hanaovany an'ilay hanomezana azy ilay andraikitra.

- Miala any koa ilay formatrice ao amin'ny villa, dia efa nanakiana diso toerana fa "mpanakanto ve hono handohalika." Sady manana fahasiahina diso toerana izany izy iny indraindray. Tsy voatery maimay vava ange ianao vao tafita any amin'ny olona ny tiana hampitaina e !

- Dia ny farany, raha mandinika ianareo rehefa vita ny famaranana, tsy dia mandray andraikitra firy amin'ilay tanora ho lasa tena eo ambany fiahiany tanteraka intsony ny mpikarakara (sa ilay ankizy mihitsy no tsy mety ?).

Mbola maro ny fanakianana ataon'ny olona fa anisan'ny mba hitako tsindraindray ka sendra mba mijery an'ilay fandaharana aho.

Aina nalaza ve izao nalaza be ? Sitraka ve izao nalaza be ? Tossy ve nalaza be ?

Asaivo manao concert intégral ho azy tsirairay eo Antsahamanitra ange ry zareo raha mahazaka tena irery. Tsy maintsy hosorana kely Francis Turbo, na Lomana kely Foy hehy.

Eo no mba tena tokony hojereny. Aza avela hiala maina mandimandina kelin'ny loka azo fotsiny ny ankizy fa omeo matraquage mafy be ao amin'ny RTA sy ny Radio TANA, fa ny hira tsy dia hita atao ahoana ireny aza rehefa mahavita mandoa ny volan'ny station midridridry lasa tianao ho azy rehefa lasa hiram-pirenena. Mba ataovy lasa tena ilay grosse pointure eo amin'ny resaka hira ry zareo e.

Dia azafady ry reto fa zay koa tompon'ny bla bla maitsy.
18. Veloo ( 31/08/2005 17:44)
cutie a ie, "the American Idol" jereo fa tao @ MTV izay. ao njy mahita karazana ankizy zene be manao competition ...
19. fijo ( 31/08/2005 20:31)
mahatsikaiky le izy le
20. cutie ( 31/08/2005 20:56)
veloo, nga za manana cable e . :cry:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3754