Ndao hianatra kabary ê !!!

1. Bocassa ( 26/08/2005 09:42)
Miarahaba tompokolahy, miarahaba tompokovavy !
Tsy mpikabary matihanina akory ny tenako an ! Mbola vao nahavita fianarana fotsiny ê! Ka izay indrindra no hanentanako antsika rehetra mba hianatra ny KABARY MALAGASY. Tsy atoro antsika intsony ny tombon-tsoa azo avy amin'ny kabary. Andramo fa ho hafa-po ianao. Raha resy lahatra enao dia teneno za. Ny tenako mantsy mahita fianarana GRATUIT. Miandry anao za an !!
2. pika ( 26/08/2005 10:02)
tena hita tokoa hoe .... misaotra tompoko
satry ny hihanatra saingy aiza ilay toerana sao tsy tratra mihitsy
3. fafa ( 26/08/2005 11:50)
iza no hampianatra?
4. Veloo ( 26/08/2005 14:30)
:(:(
5. Bocassa ( 26/08/2005 15:50)
fafa > tsy izaho akory no hampianatra! Efa bedebe ny mpampianatra amin'izao fotoana izao. Ka anjarantsika ny misafidy hoe aiza. Fa raha te hianatra gratuit enao dia teneno ihany ny tenako. Ny zokiko mantsy no hampianatra. Tsy ho an'ny fafa ihany fa ho antsika rehetra ê ! javascript:emoticon(':cry:')
javascript:emoticon(':cry:')
6. sipagasy ( 04/09/2005 12:23)
ekeko tokoa fa betsaka ny mianatra ny kabary malagasy ankehitriny, fa toa hitako ho "pli-vava" fotsiny ny an'ny ankamaroany fa tsy tena miainga avy @ fo, nefa anie ny kabary ka mifono hafatra & anatra e!!! fa tsy hoe teny tsara lahatra fotsiny!!!
Am-bava homana, am-po mieritra.

Misaotra Tompoko.
7. deghany ( 12/09/2005 13:26)
mazotoa ary ô!!!
8. adidy ( 16/09/2005 16:17)
Aiza anefa ilay mpampianatra ry bocassa? 'Za mantsy liana @ kabary?
9. Bocassa ( 23/09/2005 08:53)
adidy:

Aiza anefa ilay mpampianatra ry bocassa? 'Za mantsy liana @ kabary?


Tongava ao @ Lycée Moderne Ampefiloha isaky ny Alarobia hariva @ 2 ora. Rado no anaran' ilay mpampianatra ary izy no tediavinao ao. Afaka mifampiresaka ianareo avy eo. Tsy maintsy miteny @ gardien enao hoe: " saika mba hitady an' i Rado mpampianatra ao @ club kabary ". Manomboka @ 12 oktobra ny cours. Alarobia ihany â!
10. onjah ( 16/10/2005 12:36)
Mahafinaritra izany hevitrao izany bocassa.
Fa aiza marina aloha no hisy ilay fampianarana e sao tsy ho voahenjika koa.
Sa "Cours par correspondance". Miala tsiny @ ilay teny vary amin'anana fa tsy voadikako @ fiteny Malagasy ry zareo an.:(
11. estine ( 18/10/2005 08:01)
sarotra hono ny miteny fa ny vava miteny hananana adidy ka miala tsiny ,miala fondro raha hivolana sy hidinidika ry izy mianakavy § efa misy koa ange 'zao ny VCD fianaranakabary novokarindry HAINTSO sy ny tariny e!
mety tsara @nreo any an-dafy any io
12. naritsimba ( 19/10/2005 10:58)
Sarasara tsy ambaka tompokolahy, sarasara tsy ambaka tompokovavy.
Mahafinaritra ny hevitra ny tenako rahateo dia mpikabary.
Koa ho an'izay te hianara dia misy fampianarana maimaim-poana ihany koa eny @ FJKM Ambohipo fa ny @ ity taona ity dia efa vita ny fampianarana fa @ volana Febroary indray vao manomboka ny taom-pianarana vaovao.
Koa manasa antsika hianatra ny kabary malagasy e!
Aznareo henoina koa ny RADIO FAHAZAVANA isaky ny Talata @ 5 ora sy fahefany hariva fa misy fandaharana mitondra ny lohateny hoe: HANITRA NENTIN-DRAZANA izay ahenoanao momba n fomba malagasy.
Izay fa dia mazotoa daholo e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0925