Mpanao gazety malagasy

1. nanourand ( 23/08/2005 00:46)
Filoha Ravalomanana:Botswana sy Zambia ary Zimbawe indray izao no filamatra
Omaly tolakandro ny filoha Ravalomanana no tafaverina an-tanindrazana, rehefa avy nandray anjara tamin’ny fivoriana an-tampon’ny SADC, na ilay rafitra natao hampandrosoana ny toekarena ho an’ireo firenena aty amin’ny faritra atsimon’i Afrika.

Tany Botswana no nanaovana an’io fivoriana io, ary taorian’izay dia mbola nijery ny zava-misy tao amin’ity firenena nampiantrano ny fivoriana ity ny Filoha Malagasy. Nandalo tany Zambia koa izy, ary nitsidika an’i Zimbabwe, hoy izy.
Vaky vava ny Filoha Malagasy fa efa lasa lavitra ireo firenena afrikana ireo. Tsy manana seranan-tsambo na harem-be toa antsika toy ny makamba anefa izy ireo, hoy izy. Nolazainy teny am-pahatongavana, omaly, anefa fa tsy maintsy tratrantsika ny tombon-dalana efa izoran’izy ireo.
Hatreto izany dia ireo firenena afrikana ireo indray no filamatry ny Filoha Ravalomanana. Toa mihemo-dava hatrany, toy ny laharana misy an’i Madagasikara eo amin’ny fitontonganan’ny fari-piainam-bahoaka eto, izany tarigetra nofaritan’ny filamatra vaovaon’ny Filoha izany. Tsaroana tsara mihitsy,
fony izy hitantana ny tanànan’Antananarivo, dia ny tanànan’i Tokyo any Japana no nambarany fa filamatra ary hatao izay hananan’ Antananarivo lenta toa ny an’i Tokyo. Enin-taona aty aoriana anefa dia i Madagasikara no entiny ary i Zambia sy Zimbabwe ary Botswana no lasa filamatra. Mampalahelo…
Naverin’ny Filoha Ravalomanana fa ny tarigetra hizorana izao dia ny lafiny fametrahana ny foto-drafitr’asa, toy ny lalana sy toho-drano. Miantoka ny atao rehetra anefa, hoy koa izy, ny fanjakana tsara tantana, na “bonne gouvernance”.
Dia mampahatsiaro ny lahatsoratra vao nataonay teto tamin’ny zoma teo izahay, izay nanipihanay fa ny tombontsoan’ny tompon’andraikitra sy ny mpitondra ange no
mibaiko ny fanaovana asa fampandrosoana eto ê !
Asa aloha na hireharehana ho dingana na asa ho amin’ny fanjakana tsara tantana, izay toa izahozahoan’ny Filohampirenena Ravalomanana, ireny fandraisana fanapahan-kevitra tampoka eny ambony fiaramanidina momba ny fanafoanana ny tataon-kaba amin’ny entana hafarana avy any ivelany (resaka détaxation) tamin’ny taona 2003 ireny, na ny fanapahan-kevitra tampoka sendra nandalo tao anaty fisainana momba ny hoe “hanaovana lalàna hanomezana alalana ny vahiny hividy tany eto”, na ny hevitra notapahina noraisina tampoka fa hahena ny vola holanian’ny fanjakana izay efa voasoritry ny teti-bola nolanian’ny parlemanta, na ireny fanapahan-kevitra tampoka eo am-panokafana ny tsenaben’ny mpanao asa tanana (Salama) ireny ka nanambarana fa tsy mandoa haba amin’ny kojakoja sy fitaovana ilainy amin’ny asa sahaniny ny mpanao asa tanana Malagasy mandritra ny roa taona ho avy, sy ny sisa. Toa endri-javatra toa ireny fepetra tampoka ireny hatrany mantsy no itantanana ny fanjakana ankehitriny, ka asa na izany no tena fahaiza-mitantana. Mety ho izany aloha, amin’ny lafiny iray, saingy ny vokany hatramin’izao dia toa ny fitomboan’ny fahantrana vokatry ny fitontonganan’ny sandam-bola Malagasy 120%, ohatra, no manempotra ny ambanilanitra eto Madagasikara.
Dia naverina nasandratra ihany indray fa voantsika lavitra ireo firenena telo ao Afrika ireo satria manana harena voajanahary betsaka isika. Nambaran’ny Filoha koa fa haiditra ho isan’ny tenim-pirenena (???) ampianarana eto Madagasikara ny teny anglisy.
Tsara aloha rehefa manana tanjona, saingy ampifandraiso tsara amin’izay tanjona izay ny atao ê !
novalian'i Veloo ny 31/08/2005 18:37
2. sasa ( 23/08/2005 05:19)
lava loatra za kamo hamaky no sady tsy tokony ho aty am hatsikana tsy lalao klé, :roll::roll:
3. sonwin ( 23/08/2005 07:30)
ary tsy lalao marina leisy io ry zama...sa hatsikana politika aza izy io:roll::roll:
4. fafa ( 23/08/2005 10:38)
lava loatra e! tsy voavaky hatr@ farany akory
5. booboo ( 23/08/2005 14:21)
Nanourand > sao diso takelaka aza ingahy lé
6. Veloo ( 23/08/2005 15:19)
lava lotra ka tsy mampi-te hamaky kle tttt kamo za:roll::roll::roll:
7. sasa ( 25/08/2005 10:35)
za izay efa 2 andro no teto nefa mbola tsy vitako hatamin'ny farany foana ny famakiana azy, aleo aho lesy frera hamaky zava-kafa klé
8. Kotity ( 25/08/2005 14:01)
:lol::lol::lol:
9. Kotity ( 25/08/2005 14:03)
:lol::lol::lol:
10. Kotity ( 25/08/2005 14:05)
:lol::lol::lol:
11. Kotity ( 25/08/2005 14:08)
:lol::lol::lol:
12. Kotity ( 25/08/2005 14:12)
:lol::lol::lol:
13. Kotity ( 25/08/2005 14:15)
:lol::lol::lol:
14. Veloo ( 25/08/2005 15:43)
sasa :-D:-D:-D:-D
15. sasa ( 26/08/2005 10:04)
veloo ka marina anie izany e, njy angaha nahavita namaky an'io sady amzay hors sizé klé
16. Veloo ( 26/08/2005 15:14)
sasa a an3 tsy namaky aho ie ary marina fa hors size. ko knou :-D:-D:-D
ary to tsy misy intsony wa ny tena mpanao hatsikana eeeee lany angaha? za tsy mahay :(
17. maditra ( 26/08/2005 20:00)
Tsy hatsikana alou ilay izy e! Resak'olon-dehibe. lol
18. Veloo ( 26/08/2005 20:02)
maditra nga namaky? :-D:-D:-D:-D
19. sasa ( 29/08/2005 04:14)
veloo mbola lasa nanao vacances ny ankizy d tsy eto daholo aloha fa efa hiverina daholo kan, d ho avy daholo indray kou
20. sonwin ( 29/08/2005 11:15)
ho avy tsikelikely ka:lol:, asio presence amizay e8)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0804