Inona marina no fiveloman'ny Ratsiraka ireny any an-dafy?

1. dakoma ( 22/08/2005 20:59)
Mba manitikitika ny saiko inona marina no mba asan'i Ratsiraka aty an-dafy?Sa ve dia manao chauffeur livreur koa izy sy Xavier?
Marina aloha fa efa nanangona ihany izy fahiny,nefa dia tsy hinoako mihintsy hoe tsy lany nefa ny miditra tsy misy.Tena betsaka ihany ange izany ny fananana nangalarin'ny zalahy fahiny ê!
NAreo ve mifanena @ zareo ireny rehefa mitsangantsangna eny @ps-Elysées eny?:idea:
novalian'i SNAR ny 28/08/2005 19:00
2. Veloo ( 22/08/2005 21:22)
Dakoma a za ko lesy mba lina mihtsy mba ahafantatra kle.. Ny enoko aloha manana compte any Suisse lery... bien sur volan'ny vahoka no nangalariny tsssssssssssss:twisted::twisted::twisted:
3. fijo ( 22/08/2005 22:11)
za aloha tsy mahay,fa fantako hoe mbola manana zavatra betsaka mampidibola any mada ry zareo.
ary ny hitako dia ilay zananay vavy iny mitondra BMW X5,izany hoe misy miditra be ao,matoa mahavidy an'ireny.
4. lidy ( 23/08/2005 08:23)
tsy ren'lisany angaha fa prof de natation ange ny amiraly ankehitrio.(vandiko io leiroa!!).Tsy aiko koa aloha na fin na mbola hitohy ny zistoarany,ny tsapa aloa jusqu'izao-ty dia zakany iany ny revy e!
5. fafa ( 23/08/2005 08:30)
mihinana ny azo zareo zao a! fa mety mbola misy mitantana ny hareny nge aty Dago ngambany e! ohatra oe hofan'ireny trano nalaindry zareo taloha reny ko! mety misy any fa tsy fantatra oe ito azy de misy akamany aty mandrotsaka an'io any @ banky e! tsy haiko kah! eritreritra io! mety marina io an'i fijo io!
6. fasaly ( 23/08/2005 11:56)
lay xavier tsy nifanena taminahy teny amy chapms élysé fa nifanena tamiko tany amy mariage-na cousin, de otsan'ny tena olona nanjary be mintsy no sariaka be hono zany, no tena ni dance be.
7. dakoma ( 23/08/2005 18:58)
fasaly:

lay xavier tsy nifanena taminahy teny amy chapms élysé fa nifanena tamiko tany amy mariage-na cousin, de otsan'ny tena olona nanjary be mintsy no sariaka be hono zany, no tena ni dance be.


Ianao ihany ve ilay Fasaly any @ antson'ny fò? Mihaona eto indray izaby isika. Dia ahoana koa izany mba miray latabatra @ zanak'i RAtsiraka? Tsy teliko ny hanina raha izaho no teo @ toeranao. Olona gidro be iny.Fahiny taty Dago no nihaonako t@ izy iny,tena naloiloy be izaho.Izany aza izy nandeha hélikopitera moa izahay mandeha 404 bâché.Ary sao mba efa niray réstaurant t@ Pierre Cossaud sy Sophie Marceau koa ianao ê? Mahitahita ianareo any an-dafy any ka.
8. Herimiafina ( 23/08/2005 18:59)
Tadidio ihany koa fa mpikambana ao amin'ny Fra....on ileiry toa an-dry Mitterand, ry Chirac, sns ka reny akôlitan'i takaka ireny tsy hanary azy mihintsy an. Izay mantsy le filozofian'ny Fra....oc.
9. hps ( 23/08/2005 19:29)
Fa inona no tena prob.Nareo eh!vola adala tompo angamba ny anareo t@ izany fotoana izany,zao koa ange Ra-8 efa mahavoangona betsaka lavitra nohon'ny any lery nefa vao 3ans no teo @fitondrana eh!anafenan-javatra fotsiny ny lalana nefa ny omby be ronono efa mila tsy antonona aty Dago intsony ireo nafarany tany,ny vahoaka efa mila tsy hikaly intsony,ka aiza ihany ny tena marina,sao dia variana ianareo any ohatrinona ny kilaon'ny vary?ny Rano aza efa vidina ariary ny litre,ny jirama mikorosy fahana(delestage)sa mbola modina gisa foana ve?sao dia variana any lavitra ka tsy mahita ny ambany maso;prob.n-Dratsiraka kianina nefa ny gasy kely aty efa:miam::b:-P
10. fijo ( 23/08/2005 21:43)
ka ratsiraka aloha no resahana eto fa tsy gasy mahantra ka.
11. dakoma ( 24/08/2005 11:12)
hps:

Fa inona no tena prob.Nareo eh!vola adala tompo angamba ny anareo t@ izany fotoana izany,zao koa ange Ra-8 efa mahavoangona betsaka lavitra nohon'ny any lery nefa vao 3ans no teo @fitondrana eh!anafenan-javatra fotsiny ny lalana nefa ny omby be ronono efa mila tsy antonona aty Dago intsony ireo nafarany tany,ny vahoaka efa mila tsy hikaly intsony,ka aiza ihany ny tena marina,sao dia variana ianareo any ohatrinona ny kilaon'ny vary?ny Rano aza efa vidina ariary ny litre,ny jirama mikorosy fahana(delestage)sa mbola modina gisa foana ve?sao dia variana any lavitra ka tsy mahita ny ambany maso;prob.n-Dratsiraka kianina nefa ny gasy kely aty efa:miam::b:-P

1)-Ravalo dia efa nanankarena alohany nahatongavany teo @ pouvoir. Fantatra mazava ny fiavian'ny harenany.Ratsiraka angaha nanana usine?
2)-T@ 1985 dia 30 US$ny barille ny petrole.Année 2005 60 US$ ny barille ny petrole. Tsy Ravalo no manapaka io prix io.Antony iray mety mampahantra ny Malagasy ve io raha ny eritreritrao?
3)-Madagasikara potika sy fahidy no novantanin'ny Ravalo teo.Mety mbola antony mampahantra ny Malagasy ve io raha ny eritreritrao?
4)-Ny asa vitan'i Ravalo tao anatin'ny 3 taona be lavitra noho ny vitan'i Ratsi tao tao anatin'ny 30 taona.Ny trosa-tsika tetsy sy teroa aza mbola foanany satria mahatoky azy ny leader erak'izao tontolo izao.
5)- Akombony ny vava maimbo rehefa tsy mahay afa-tsy ny crotique déstructive.


12. zama91 ( 24/08/2005 14:31)
RMI angamba,ny deba ange ny tranony HLM fa tsy hoe chateaux araka ny feo mandeha eh
13. Veloo ( 24/08/2005 15:16)
dakoma ieeeeeeeee=D=D=D=D=D marina mihitsy izany. Mba gaga amin'ireo oul mbola mitohana an'i ratsiraka za.. ary ahona ireny olona betsaka novonoiny dia nalainy ny tran'ireny olona ireny.. izay miara-po azy dia mpamono olona sy mpangalatra doly.:twisted::twisted:
14. Herimiafina ( 24/08/2005 18:05)
Ka iza ary ry HPS no nitondra antsika tao anaty lavaka tsy ratsiraka ve, zao sahirana daholo ze nandimby an'i takaka anala antsika mianakavy ao.
Manarak'izay, eo amin'ilay resaka kaly, fa tena mbola misy miheritreritra ve fa raha mbola teo ratsiraka dia voky k'lé, na koa tsy ho tratran'ny delestage ny Jirama, sns. iza moa no mimenomenona raha miakatra ny vidin'ny vary? tsy ny mpividy? Nefa ny mpividy tsy mba namboly, ary ny mpamboly 70% ny mponina any dago, ka noho izany, inona no misakana antsika tsy hamboly k'lé? Dia izay no antony nampiakarana ilay vidin'ilay vary, satria mila miheritreritra ireo 70% amin'izay fa tsy ilay 30% any amin'ny ville manankorotana amin'ny resa-be fotsiny.
15. fijo ( 24/08/2005 21:05)
zama91,tandremo fa ny tranony aty dia azy,ary trano lafo no nividiananay azy.izy anie efa maro no azony e
16. Veloo ( 24/08/2005 21:20)
eeeeeeee volan'ny vahoka doly zany eeeeeee mpangalatra mila atao eo @ chaise eletrique ny olona otran'i Ratsiraka
17. hps ( 25/08/2005 19:03)
ô ry veloo sy herimiafina a!aiza aloha nareo zao aty Dago sa any ampita? Raha any ampita dia midina kely miala-sasatra 3 mois aty eh!zao mino fa tsy haharitra 1mois nareo dia efa mitady hiporotraka avy aty.Ny trosa-tsika tetsy sy teroa aza mbola foanany satria mahatoky azy ny leader erak'izao tontolo izao.,fa jamba ve nareo tsy mahita fa ilay vola fanampiana avy @ leader lazainareo tsy hita akory izay ttasy manamarina ny fivoahany aty Dago oh:volam-bahoaka manjavona tsy fatatra efa mitetina ho682000 tapitrisa ia tao anatin'ny 2 taona monja "Rafahamasinana ô...aiza ianareo ê? Hihetsika sa tsy Hihatsika:-D
18. Herimiafina ( 25/08/2005 19:17)
Milay be io hira ao amin'ny fihirana Fanampiny FFPM io an. Misaotra.
Za vao niala vao haingana tany Dago fa nomen-dry leirony taty saosy hibaosina mandritry ny herintaona. Tany ambanivohitr'i Manjakandriana tany foana izahay.
Kobiko tsara io belem vary io fa ny any aminay faly be mahintsiny fa azo avadika chiffre amin,izay hono zao ny vokatra fa ny ao amin'ny ville ao no tezitra. Baina sy baofy nefa ao daholo fa za fotsiny no tsy tao ela.
19. dakoma ( 25/08/2005 19:28)
Herimiafina:

Milay be io hira ao amin'ny fihirana Fanampiny FFPM io an. Misaotra.
Za vao niala vao haingana tany Dago fa nomen-dry leirony taty saosy hibaosina mandritry ny herintaona. Tany ambanivohitr'i Manjakandriana tany foana izahay.
Kobiko tsara io belem vary io fa ny any aminay faly be mahintsiny fa azo avadika chiffre amin,izay hono zao ny vokatra fa ny ao amin'ny ville ao no tezitra. Baina sy baofy nefa ao daholo fa za fotsiny no tsy tao ela.

Dia tena tsy misy heviny ny zavatra tianao hotenenina.Izay angamba no nandefasana ano hianatra any an-dafy.Tolona @ habadoana daholo izany.

20. Herimiafina ( 25/08/2005 19:37)
Ny mahay anie tsy ampianarina e. hafa ny mahay ny mahafantatra, ny ambony niveau ary ny intelligent fa aza afangaro.
Izaho tsy misy amin'ny iray amin'ireo satria aho niady mafy foana vao mba nahazo izay mba anjara kely tadiaviko. Lasan'izao zanaka mahitahita lalana ambanin'ny tany etsy sy aro aizao daholo ny débouché.Fa mba tsara vintana ka afka mampitovy tena kely fotsiny temporairement amin'ny bandy mahay toa anareo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1025