Ny kanto Malagasy

1. Herinjaka ( 16/08/2005 11:11)
Tsara sy manana ny kantony ny Malagasy,nefa tsy mba hita izay lalana haleha entina hitondrana avo ireny kanto ireny,anisan'ny mampalaza sy mampandroso sy firenena iray ny kanto,maro ny azo lazaina ho kanto izay zavatra rehetra azo aseho nakoa aranty ho an'ny maro izay ara-dalàna koa eto aho dia milaza ho an'izay manana fahefana afaka hanandratra ny kanto Malagasy mba ho namanay eto ihany koa;
novalian'i fasaly ny 17/08/2005 16:26
2. RockyMaivia ( 16/08/2005 13:43)
Ankoatra ny tovovavy malagasy, sasan-tsasany, dia efa an-taonany maro be aho no tsy nahita na nahare zavatra kanto malagasy intsony! Be ireo milaza azy ho mpanao zava-kanto kinanjo toa zavatra tsy misy fotony sy mampihoka fotsiny kay no ataony, na fakan-tahaka fotsiny ny malaza ataon'ny vahiny! Fakan-tahaka mihiba ko aza anefa fa tsy mba mihatsara noho ilay nalaina tahaka akory!
Koa raha ny momba ny tovovavy malagasy dia ati-doha ngamba no tokony ampiana kely aminy (tsy fahaizana, na diplôma fotsiny no tiana hambara eo) dia hisandratra izy!
Ankoatra izay, zava-kanto malagasy inona no tianao ho ambara, TSY MISY!
:-@:-@:-@o^o
3. fasaly ( 16/08/2005 14:21)
inona anefa le kanto tian'i herinjaka resahina eto fa tsy azoko mintsy lay hoe kanto e!???

rocky:
atidoha amin'ny ahoana ndray re zany e! k'efa manam-haizana izy izany ko in ndray!
de inona aloha lay nampihoka e!?...:?:
de inona koa ilay nalaina tahaka :?:...mboa azavao hoe!!!!,
mbo ataovy direct hoe le ohatra fa liana be mintsy ahafantatra zany kanto nefa tsy kanto tianao lazaina izany ry rockymaivia???
4. kally ( 16/08/2005 14:50)
Ary ny tovolahy toa hadinon'i Rockymaivia? Tovovavy irery no singaninao nefa ny tovolahy mihevitra azy ho mpanakanto nefa tsy alehany mameno ny arabe
5. fasaly ( 16/08/2005 15:47)
kally:
:-D:-D:-D:-D:-D
6. zefalah ( 16/08/2005 22:58)
mahagaga..nefa tsy mahavarina...le hoe kanto.
sika rehetra dia samy mahay fa dago ankehitsiny dia miaina ao anatiny fiainana biby anaty ala..ny be mihinana ny kely ..ka moa ve hisy anaovana an'zany @zao? za alo tsy maita velively mintsy hoe hisondrotra io e..io anie ozy monja john zay tony bokotra akanjo e...refa mivaralila ny any ambony dia mivaralila atraty ambany..ka hoy aho hoe,teneno reo ambony reo...fa ny vahoaka zay avoky ny kibony aza tsy itany...ka kanto inona no asondrotra?
kanto na makorela? satria mantsy efa ita-sika mirantina maro be reo savavy gasy etsy ataninarenina sy ny boite rehetra? reny ko nge kanto e? nefa inona no antony nahatonga azy reny eny? tsy fisiana..voatery izireny satria tsisy ho arapaka.
7. RockyMaivia ( 17/08/2005 09:47)
kally: efa tenenina fa hoe ny tovovay malagasy sasantsany ihany no kanto! Ny tovolahy manahy ihany aho misy ve sa tsy misy! Ary zay zany vao azoko hoe maninona ny firenena malagasy no toa io! Kay Lehilahy daholo no mpitondra :-D
fasaly: mbola tsy hitanao angaha ireo olona bdb manao, clip, film, mamoaka k7 na CD, milaza fa manao zava-kanto kinanjo voanjo? Ny sasany izany vao miaka-tsehatra dia: "Tehaka be alohan'ny hira eh..." kay tsss! Fa nareo ve aloha tsy mihoaka rehefa te handoha eh??
8. RockyMaivia ( 17/08/2005 09:54)
P.S: zaho tsy "féministe" an! Fa ao ambadiky ny Lehilahy mahery anakiray hono dia tsy maintsy misy vehivavy anakiray foana! Dia inona ary no ao ambadiky ny Lehilahy malagasy mahatonga azy ho tsy kanto tahaka io??
9. fasaly ( 17/08/2005 10:54)
rocky:
efa we lazao direct wa fa aza atao ankolaka lay resaka e! clip n'iza de film n'iza, k7 n'iza sns... de inona no mampihoka rehefa te handoha?
de olona bdb iza?????
10. kally ( 17/08/2005 11:58)
Marina izany ry RockyMaivia a! ny mampihoaka aloha mbola tsy nisy fa ilay mampihoron-koditra mampanongo tena mijery ny clip-ny ireny efa mba hitako ihany, dia ny tena mijery indray no menatsa, marina moooa!
Misy betsaka kosa akia ao ry Fasaly fa aleo izy hahatsapa tena tsy hijanona ho azy izy ve rehefa tsy misy mpividy intsony ny K7, cd sy ny sisa.
11. fasaly ( 17/08/2005 16:26)
ka lay k7 sy cd mintsy anie no tsy haiko e! izany no antony anontaniako an'i rocky fa izy toa tsy mamaly kou! fa nisy inona??? no toa efa hoe mampihoaka be?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6509