gasy mandalo dia mitaky hoe meo, meo meo

1. sariaka91 ( 15/08/2005 22:51)
Nandray vahiny izahay afak'omaly. Olona mivady efa retirety izay, 15 taona no nifankahitanay farany. Nampiatranoinay ry zareo 1 alina fa aterina any roissy ny ampitso. Vao tafiditra ny trano ilay ramato dia nandrehitra sigara tsy mba manontany hoe afaka mifoka ve ? Ny zanako 9 volana teo akaikiny teo. Tsisy cendrier dia nataony tao @ pot-mbonikazo ny lavenona. Akako anaovana bouture ny voninkazo-nao hoy izy fa tsara be. Avy eo dia tsy dia norarahiny firy enay fa ny fandaminana entana no nataon'izy mivady betsaka. Eo ampihinana sakafo dia ozy le madama : inona no omendry ahy ? Ny foko faly mifankahita aminareo, hoy aho. Nanao zara fa mihomehy izy. Ny entan'dry zareo amin'izany efa midépasse ny 40kg isany mbola mitady ihany. Zareo nefa tonga, tsy nanolotra zavatra na kely fotsiny ihany aza ho an'ny zanakay. Izahay aloha tsy mangataka fa mba miandry fahalalampomba kosa e ! Ilay tonga dia mangataka be izao tsy reviko mihintsy. Izahay naka sy nanatitra azy tany @ aéroport, naka congé exprès ramsé ahafahana mikarakara andry zareo, nibata sy nanatitra ny entana nalefa eny @ frêt sns... Nangataka valise hatao bagages en mains izy dia nividiananay. Tsy nanontaniany akory ny vidin'ilay valise, sady tsy ni-proposer hanonitra azy ry zareo. Mbola omeo omeo omeo ihany. Teo ampisakafoanana, tsy mba miandry hoe atombohy ary fa tonga dia izy miteny hoe mazotoa homana dia nihinana izy. Tsisy divay ve ? tsy lasa izany , nefa dia mba efa natao fy ny sakafo araky ny commande-ndry zareo ! Ny ampitso maraina, mitabataba be vao @ 5 maraina ry zareo mampikaratoka ny placards rehetra, tsy misy fieritreretana hoe sao manaitra olona. Taitra ny zazakely nefa isan'andro @ 8 vao taitra. Eo ampiomanana dia tonga dia niditra tao @ salle de bain le madama, tsy mba mandondona akory, le ramsé-ko mbola aoualp, tsisy azafady akory. Tezitra be ny vadiko. Tsy mety ampiatrano gasy intsony.
Izaho ve no miha-sarotiny sa le gasy no tsy mahalala fomba ? Hoatran'ny toa miandry mitamaho be ilay gasy, te homena zavatra foana. Efa nahita situation hoatr'izany ve nareo ?
novalian'i fijo ny 22/08/2005 21:17
2. fasaly ( 16/08/2005 05:29)
misy elanelany be ilay fomba fiaina'ny vazaha sy ny gasy e! aza omena tsiny, misimisy ihany aloha ny sans façon be toy izany kanefa misy ihany koa ny noitaizàna tanaty ny fahalalam-pomba sy fahaiza-miaina, fa marina fa ny majorités de meo meo meo, ny antony dia betsaka ny tsy mahalala hoe ny vola anie tsy latska avy any andanitra fa mila mitady sy miasa vao mahita koa! ka mbola ao antsainjareo le hoe ny any andafy de paradisa mora ny fiainana sns...
kanefa koa misy ny vazaha diso sarotiny be loatra amy fomba fiainana, zà koa efa tratran'izany fa akory atao anjaranao ny tsy mandray am-po izanye! raha mangataka izy ka misy omena de omeo une bonne fois de vita, soa hatao ihany io, (levenam-bola).:wink:
3. diamondra27 ( 16/08/2005 05:54)
salama daolo

tena sariaka mariana enao.
ra za lou de vao niainga ny tantana de efa ni-imposé-ko ny règle ny trano hoe zao sy zao aty fa tsy mitovy @ any dago sao nareo diso hevitra ka ra tinareo de mijanona fa ra tsy de zay ataonareo fa zany ny ahy.

Aona koa zany mandidy ny tokatranon'ny hafa zany nefa enao mandalo. De azavaina @ oe tsy mitovy ny fiainana any dago sy aty: ny bruit misy limite, ny fomba fisakafoanana miaraminana sy aorian'ny vavaka fa tsy tonga de oanina otran'ny 4mi vao nahita.
Tsy tiko kosa le manaratsy gasy fa na zany aza de mba atoro ry zareo na de mody fanina , aza assiana menamaso fa enao no arary fo @ zany eo sady e zany vadinao tsy hety handray olona gasy tsony noho ny nataony. Na gasy na vaza @ sisa de ataovy an'izay refa mandray olona enao, tokatranonao io ka enao mitantana azy de zay e!
Momba le taintsigara de tsy menatra mitsy za niteny t@ hoe mba alao anaty voninkazo nge ny taintsigaranareo fa tsy cendrier io sady mbola anaovako bouture, teneno mivantana de araho explication de amiako oe misy zaza ato antrano ka impio ny sigaranao azafady de teneno ko oe tsy matanty enao fa misy asthme , sa ahoana hoy nareo internaute e!
4. lanto ( 16/08/2005 07:32)
Izaho aloha ohatra an'i sarika io somary mena-maso hiteny amin'ny zavatra ohatr'itony. Sarika koa mety nieritreritra hoe izay olona mandalo indray alina ve dia hifampiteniteny eo ! Fa ilay resaka sigara kosa tena tsy andeferako iny fa mampiteny ny moana, indrindra izany hoe misy zaza eo ! Asaiko mivoaka any ivelany ! Raha mba niera manko izy mety nahateny ihany ny tompon-trano hoe tsy dia mety loatra am ilay zaza. Ilay "omeo" indray maha-tsy te-hanome marina !
Na izany aza teneno ihany ram's fa tsy ny gasy rehetra no ohatr'izany e!
5. chipie1 ( 16/08/2005 12:05)
tsy fahalalampomba kosany zany ka ! za efa tratra fa atoko tsy mahatombina ka marina mou :-D:-D:{:{
6. Samoana ( 16/08/2005 12:50)
sariaka91 > sendra nampiantrano snôby reraka nareo menakavy izany e ! Vazà ny vadinao raha ny tantara no jerena ? Misy tsy matin'ireo vahiny aminy angamba fa mety efa nitilitily olonkafa ho anao izy...15 taona lasa izay:lol: . Tsy ny gasy rehetra ny toy ireo fa aza kivy e ! Teneno ny vadinao fa ny Dada sy Maman'i Samoana sy ny namana maro hoe tsy toa ireo. Ny anay rehefa mandalo, ry zareo indray no mitandrina mafy tsy te hanelingelina ka mampalahelo be indray !!
7. booboo ( 16/08/2005 12:53)
8. sariaka91 ( 16/08/2005 13:11)
Izaho ange dia tena olona faran'izay tsotra ary vonona sy tsy sarotiny manome. Ilay sans façon, atao ahoana fa efa toetrany efa hatry ny ela ary tsy itazonako alahelo aminy. Fa le fomba fangatahana direct be iry no tsy laitrako. Sy ilay miditra @ salle de bains tsy mandondona akory Aiaiaiaie. Tena sarotra be ny fiaraha-monina fa soa ihany tsy nijanona ela ry njareo.

fasaly:

misy elanelany be ilay fomba fiaina'ny vazaha sy ny gasy e! aza omena tsiny, misimisy ihany aloha ny sans façon be toy izany kanefa misy ihany koa ny noitaizàna tanaty ny fahalalam-pomba sy fahaiza-miaina, fa marina fa ny majorités de meo meo meo, ny antony dia betsaka ny tsy mahalala hoe ny vola anie tsy latska avy any andanitra fa mila mitady sy miasa vao mahita koa! ka mbola ao antsainjareo le hoe ny any andafy de paradisa mora ny fiainana sns...
kanefa koa misy ny vazaha diso sarotiny be loatra amy fomba fiainana, zà koa efa tratran'izany fa akory atao anjaranao ny tsy mandray am-po izanye! raha mangataka izy ka misy omena de omeo une bonne fois de vita, soa hatao ihany io, (levenam-bola).:wink:



9. sariaka91 ( 16/08/2005 13:22)
salama !

Sarotra be ny mametraka fepetra dieny vao miditra ny trano ilay olona satria 1° iray alina fotsiny, manjary ataon'ny olona hoe sarontsarotiny nefa tsy tiako mihintsy ny atao an'izany satria izaho olona tsotra be, 2° tsy nampoizina hoe ho toy izany ny fitranganjavatra.
Izaho koa tsy manaratsy gasy fa ny tenako gasy rahateo, fa dia efa zatra ny fiainana mitsitonkatonkana aty andafy aty dia noheveriko fa izaho no sarotsarotiny. Na izany aza, ray amandreny ry zareo satria mitovy taona amin'ny ahy, ka tsy nosahiko ny niteny, na dia hoe nanana ny rariny aza ny tenako. Ny niarahanay taloha koa nahafinaritra be fahiny ka tsy sahiko nosimbana amina fitenenana ny sigara fa dia nentiko nivoaka fotsiny ry zareo hijery ny tokotany.


diamondra27:


Momba le taintsigara de tsy menatra mitsy za niteny t@ hoe mba alao anaty voninkazo nge ny taintsigaranareo fa tsy cendrier io sady mbola anaovako bouture, teneno mivantana de araho explication de amiako oe misy zaza ato antrano ka impio ny sigaranao azafady de teneno ko oe tsy matanty enao fa misy asthme , sa ahoana hoy nareo internaute e!




10. sariaka91 ( 16/08/2005 13:29)
Marina ny anao fa sarotra be ny miteny olona, indrindra koa fa 1 alina fotsiny no nipetrahany teto ka tsy tiako simbana ny fiarahana kely. Ny zanako no nampatoriako mialoha dia tsy voaelingelin'ny sigara. Nasiako désodorisant be ny trano dia farany angamba tonga saina izy fa lasa nivoaka foana nony avy eo. Efa fantatro hatry ny ela koa ange ilay toetrany manjakazaka e ! Fa dia niezaka aho ni-s'adapte aminy. Momba ny vadiko indray dia sendra entimpo izy t@ niteny hoe tsy te handray vahiny gasy intsony, fa izy anie eto ampotony mahalala tsara hoe tsy toy izany ny gasy rehetra. Mijery ny vady amanjanany fotsiny ohatra ;op.


lanto:

Izaho aloha ohatra an'i sarika io somary mena-maso hiteny amin'ny zavatra ohatr'itony. Sarika koa mety nieritreritra hoe izay olona mandalo indray alina ve dia hifampiteniteny eo ! Fa ilay resaka sigara kosa tena tsy andeferako iny fa mampiteny ny moana, indrindra izany hoe misy zaza eo ! Asaiko mivoaka any ivelany ! Raha mba niera manko izy mety nahateny ihany ny tompon-trano hoe tsy dia mety loatra am ilay zaza. Ilay "omeo" indray maha-tsy te-hanome marina !
Na izany aza teneno ihany ram's fa tsy ny gasy rehetra no ohatr'izany e!




11. fasaly ( 16/08/2005 13:36)
sariaka:
mitovy mintsy tsika roa, izaho tsy afaka hametraka ny fe-petra amin'olona izany indrindra fa vahiny mandalo iny, zà koa olona tena tsotra be ka tsy sahy hiteny mintsy fa lasa reo vao tonga saina...
izà anie tsy mi reproche an'i toi e! fa zay zavatra novidianao ho azy ireo aza asiana nenina, ny manaraka ny tsyatao intsony, efa tena sendra ny toa anao aho , fa tonga de nidongy valise kou! de valise vao novidiako ho entina mi voyage mintsy no nomeko azy, tsisy fisaorana tsisy, fanontaniana fa de lasa izao, ny fangatahana an'izao sy izao amzany tena tsssss!.... fa amilay fahatsorana de manao ihany, fa lasa ireo vao tratran'ny déclic total, fay aho ka! tsy hanao intsony, avohay daholo hono ny appareil rehetra izay mipirina any tsy ilaina, ny armoire vider-o. sns....tena tofoka be zà na nanao aza fa ny manaraka ny tsy hatao intsony.
fa tsy hoe manaratsy gasy fa betsaka mintsy ny olona avy any amintsika no tsy ampy fahalalampomba sy fahaiza-miaina ka! efa nahita olona maro mintsy aho, mampihatrano foana koa moa no atao de hita daholo izany. il faut etre bonne mais pas conne hoy ny fiteny.:wink:
12. sariaka91 ( 16/08/2005 13:48)
hi hi hi ianao ti kou mampihomehy ...
Tena mitombina ny sangisanginao fa nisy zanany lahy saika ni... Fa tsy officiel koa ilay tantara t@ izany fotoana izany, tsy nisy nahafantatra afats'izahay ankizy ihany. Nefa ataoko fa tsy izay no nahatonga andry zareo hanao toetra hafahafa satria hoatran'ny mba faly ihany ry zareo t@ fifankahitana.
Ka ahoana Samoana, hendry tsara rehefa tonga aty aminay ?

Samoana:

sariaka91 > sendra nampiantrano snôby reraka nareo menakavy izany e ! Vazà ny vadinao raha ny tantara no jerena ? Misy tsy matin'ireo vahiny aminy angamba fa mety efa nitilitily olonkafa ho anao izy...15 taona lasa izay:lol: . Tsy ny gasy rehetra ny toy ireo fa aza kivy e ! Teneno ny vadinao fa ny Dada sy Maman'i Samoana sy ny namana maro hoe tsy toa ireo. Ny anay rehefa mandalo, ry zareo indray no mitandrina mafy tsy te hanelingelina ka mampalahelo be indray !!



13. kally ( 16/08/2005 14:39)
Mba olona inona marina izany nampiantranoanareo roa izany ry Fasaly sy ry Sariaka? Afa-baraka!!!Izaho aloha mbola tsy nahita olona ohatr'izany e! ny ahy tsy mihambo aho fa raha vao jereko na reko ny feon'olona iray dia fantampantatro ny toetrany dia efa miomana aho,apetrako ny fefy viritoaly.
14. sariaka91 ( 16/08/2005 14:49)
tia kely hoa le olona. Sady sahirana be ry zareo dia tsy menatra mangataka. Izaho vonona ny hanome, fa izay tiako omena ihany, fa tsy izy no mibaiko ahy. Fa ny mahatsikaiky ange, tena efa tsy omby intsony ny valizindry zareo e ! k'inn ihany no mbola idongiana ? Tsy laojika mihitsy ny fihetsiny. Sa ahoana ? Izay nameko azy aloha foiko fa tsy asiako nenina e ! Be koa ny soa nataony tamiko taloha.

Fa dé mba voa mafy koa nareo izany ry Fasaly ! Dia nanao ahoana ny niafarany ?

fasaly:

sariaka:
mitovy mintsy tsika roa, izaho tsy afaka hametraka ny fe-petra amin'olona izany indrindra fa vahiny mandalo iny, zà koa olona tena tsotra be ka tsy sahy hiteny mintsy fa lasa reo vao tonga saina...
izà anie tsy mi reproche an'i toi e! fa zay zavatra novidianao ho azy ireo aza asiana nenina, ny manaraka ny tsyatao intsony, efa tena sendra ny toa anao aho , fa tonga de nidongy valise kou! de valise vao novidiako ho entina mi voyage mintsy no nomeko azy, tsisy fisaorana tsisy, fanontaniana fa de lasa izao, ny fangatahana an'izao sy izao amzany tena tsssss!.... fa amilay fahatsorana de manao ihany, fa lasa ireo vao tratran'ny déclic total, fay aho ka! tsy hanao intsony, avohay daholo hono ny appareil rehetra izay mipirina any tsy ilaina, ny armoire vider-o. sns....tena tofoka be zà na nanao aza fa ny manaraka ny tsy hatao intsony.
fa tsy hoe manaratsy gasy fa betsaka mintsy ny olona avy any amintsika no tsy ampy fahalalampomba sy fahaiza-miaina ka! efa nahita olona maro mintsy aho, mampihatrano foana koa moa no atao de hita daholo izany. il faut etre bonne mais pas conne hoy ny fiteny.:wink:



15. fasaly ( 16/08/2005 15:32)
ka izao ny mahavoa ahy diso malala-tanana be loatra de tsisy frein mintsy de avy eo foana vao manenina! izy amin'io anie mpivahiny mandeha france e! de na ny frais nankaty amiko aza de netohina.
de mbola meo an'itsy sy itsy, fa na tsy olona sahirana aza, anie fa vao miala any de meo meo meo!.
kally:
ka izaho mintsy no tokony hiova kely e!
antra olona be de tsotra be de araraotin'ny olona, fa efa hamafisiko izao ny fo sy ny saina ka!
16. diamondra27 ( 16/08/2005 16:41)
de ze ataonareo lou e!refa zakanareo ve moa mampaninona fa aza aratsiana izy ra tanty fa tsy tsara zany, aleo tsorina ny marina.
17. fasaly ( 16/08/2005 16:45)
ka ho tsorina mintsy zao ny marina kou!
izay no hampiova ahy ka! fa tsy manaratsy kosa anie fa mitantara ny zava nisy sy ny marina e!
18. ttittie ( 16/08/2005 17:01)
sariaka91:
ny ahy ry sariaka izany sigara izany aloha tsy mahamenatra ahy ny miteny azy hoe mivoaha any antokotany e! izaho angamba eo @ ilay cas hoe voan'ny asthme ny zanako dia tsy gener aho hiteny à izany fa raha eo à ilay fanaovantsoa indray raha manakomena aho omeko izy à foko tokoa moa izany tsy manenina aho e!
Marina ny anao fa sarotra be ny miteny olona, indrindra koa fa 1 alina fotsiny no nipetrahany teto ka tsy tiako simbana ny fiarahana kely. Ny zanako no nampatoriako mialoha dia tsy voaelingelin'ny sigara. Nasiako désodorisant be ny trano dia farany angamba tonga saina izy fa lasa nivoaka foana nony avy eo. Efa fantatro hatry ny ela koa ange ilay toetrany manjakazaka e ! Fa dia niezaka aho ni-s'adapte aminy. Momba ny vadiko indray dia sendra entimpo izy t@ niteny hoe tsy te handray vahiny gasy intsony, fa izy anie eto ampotony mahalala tsara hoe tsy toy izany ny gasy rehetra. Mijery ny vady amanjanany fotsiny ohatra ;op.


lanto:

Izaho aloha ohatra an'i sarika io somary mena-maso hiteny amin'ny zavatra ohatr'itony. Sarika koa mety nieritreritra hoe izay olona mandalo indray alina ve dia hifampiteniteny eo ! Fa ilay resaka sigara kosa tena tsy andeferako iny fa mampiteny ny moana, indrindra izany hoe misy zaza eo ! Asaiko mivoaka any ivelany ! Raha mba niera manko izy mety nahateny ihany ny tompon-trano hoe tsy dia mety loatra am ilay zaza. Ilay "omeo" indray maha-tsy te-hanome marina !
Na izany aza teneno ihany ram's fa tsy ny gasy rehetra no ohatr'izany e!








19. ttittie ( 16/08/2005 17:03)
tohizo fa tsara ny manao soa olona e! tsy izy no hamaly soa fa andriamanitra
20. pitchou ( 16/08/2005 18:16)
hihihi! euh!!!! sao kosa dia ny fomba fanaon'ny gasy avy aty mbô mandalo any dago no mahatonga an-drizareo manao an'izany? betsaka manko ny manipinipy vola à la fenetre rehefa mnadalo any dago d heveriny fa raofinafotsiny ny vola any "an-dafy"!
Na koa: efa eo @ le taona mila vaniny rizareo (olona efa retirety!!!!), dia mila mi-attirer ny attention n'ny olona, @ fomba ze mandalo ao an-tsainy! sahala @ zaza e! raha zaza zao d misy mody manao betise mahatsiravina be fotsiny! d mbô sahala @zay koa rizareo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.174