Simba tanteraka Antsirabe 110

1. jentilisa ( 08/08/2005 14:46)
Nandalo tany aho vao haingana izay ary dia hitako fa simba tanteraka Antsirabe. Raha vao miainga eto Antananarivo aloha, ny fiara mankany tsy mba mahazatra ahy loatra fa misy resevera tahaka ny taxibe ireny ihany. Rehefa weekend indray dia tsy azo atao ny somary hariva fa tonga dia araraotin'ny mpitatitra. Raha tokony ho 5000Ar ny saran-dalana dia mety ho tafakatra 10.000Ar eny 15.000Ar raha vao manomboka ny @ 12ora. Tsy mahagaga raha tsy andehanan'ny olona intsony ny mankany.

Rehefa tonga any indray dia ny anoloan'ny gara ihany no azo ihafiana ny hatsaran'ny tanAna. Vao miala eo dia tsy tanan-dehibe intsony no azo ilazana azy fa ambanivohitra ngezabe. Ambatolampy aza mbola tsara lavitra. Fivarotana sy tsena afovoan'ny arabe. NY lalana rehetra mikintoantoana. Ny arabe moa izay mba totovato taloha efa lalantany mamovoka dia mamovoka aok'izany.

Izany tsena Asabotsy izany moa dia malahelo aho miteny hoe ny filoha Ravalomanana indray no namotika azy tanteraka. Izay mba kartien'ny mpanana moa dia arabe feno lavadavaka no hita. Nefa mailaka dia mailaka amin'ny fakam-bola koa ry zareo fivondronana ao.

Tsy mahatamana intsony izany mankany Antsirabe izany. Mahamenatra! manala baraka! oviana vao ho taitra ny mponina ao?
novalian'i vale ny 04/11/2005 15:39
2. stephan ( 08/08/2005 14:56)
ny bôdega sy ny prà mameno lalana mankany aza tsy nolazainao akory amin'izany! sady amin'izay angamba mahazo kely ry zalahy ireo fa misy izany sakanany izany nefa izy tsy hisava taratasy fa ny mpivarotra no asainy mankeny amin'ny fiara!
3. fasaly ( 08/08/2005 15:54)
e e e e e! de aiza izany lay hoe " raha vao maraina koa de hiomana , ho any antsirabe!....."
hafaliana ery ny ho any taloha fa toa paradisa kely izany, amin'ny parc manodidina rehetra ,fa marina tokoa fa izaho tany farany de tena kivy de kivy mintsy, mamovoka be mintsy ny lalana sns.... ary lay eo anoloan'ny tranom-pokonolona ve alony efa vita lay zaridaina sy fanovàna iny e!
4. jajaf401 ( 08/08/2005 19:26)
Mety ho vita ve zany lalana zany mandra-pahavin'ny Pôma ry jentilisa?:-D:-D
5. jentilisa ( 09/08/2005 11:41)
Koa tsy hitako izay manamboatra any koa! marina moa! matoa anie aho manoratra noho ilay alahelo ny tanAna faleha taloha e! Izany @ herintaona izany mbola tsy azo antenaina raha ny fahita azy!
6. hamafi3 ( 09/08/2005 20:08)
jentilisa:

Nandalo tany aho vao haingana izay ary dia hitako fa simba tanteraka Antsirabe. Raha vao miainga eto Antananarivo aloha, ny fiara mankany tsy mba mahazatra ahy loatra fa misy resevera tahaka ny taxibe ireny ihany. Rehefa weekend indray dia tsy azo atao ny somary hariva fa tonga dia araraotin'ny mpitatitra. Raha tokony ho 5000Ar ny saran-dalana dia mety ho tafakatra 10.000Ar eny 15.000Ar raha vao manomboka ny @ 12ora. Tsy mahagaga raha tsy andehanan'ny olona intsony ny mankany.

Rehefa tonga any indray dia ny anoloan'ny gara ihany no azo ihafiana ny hatsaran'ny tanAna. Vao miala eo dia tsy tanan-dehibe intsony no azo ilazana azy fa ambanivohitra ngezabe. Ambatolampy aza mbola tsara lavitra. Fivarotana sy tsena afovoan'ny arabe. NY lalana rehetra mikintoantoana. Ny arabe moa izay mba totovato taloha efa lalantany mamovoka dia mamovoka aok'izany.

Izany tsena Asabotsy izany moa dia malahelo aho miteny hoe ny filoha Ravalomanana indray no namotika azy tanteraka. Izay mba kartien'ny mpanana moa dia arabe feno lavadavaka no hita. Nefa mailaka dia mailaka amin'ny fakam-bola koa ry zareo fivondronana ao.

Tsy mahatamana intsony izany mankany Antsirabe izany. Mahamenatra! manala baraka! oviana vao ho taitra ny mponina ao?



tsy nisy an'izany faharatsina be izany tany fa mba nisy fivoharana ihany fa aza de manaratsy loatra ohatran'izany e!betsaka ny lalana efa mba vita :evil:
7. jentilisa ( 10/08/2005 08:25)
Miala tsiny aho mamaly anao! izaho dia mpankany Antsirabe hatry ny fahakely. hitako tsara ny fitotongan'ny tanAna. Sahy milaza ve ianao fa mety iny avaratsena Sabotsy iny amin'izao fotoana izao? na Atsinanan-tsena Sabotsy ihany koa? Izany mankany Bemasoandro izany moa dia aoka fotsiny! koa misy fihatsarany oharina ny tamin'ny oviana moa no tianao holazaina? nahoana ary no mahakamo ny mpitsangatsangana manao vakansy ny makany fa aleon'ny olona aza mankany Vatomandry? fanontaniana ny ahy!

lazao ahy hoe ny mankaiza sy mankaiza avy no vita ary hiaraha-mijery!
8. xxx ( 13/08/2005 08:02)
Madio izany tanana izany :

9. jentilisa ( 22/08/2005 13:46)
=)) io ve dia ahafahana milaza hoe madio izy izany? Manao ahoana ary Ivohitra amin'izao e? na ny fanaovana golf? sa tsy misy intsony izany ao?
10. pitchou ( 22/08/2005 18:02)
izaho aloha fahiny mbola kely dia efa tany Antsirabe! fa tena tanana tsy fanao enao izany tanana izany t@ zany!d t@ taona 90 tany indray niverimberina tany, fa tena nihorin-koditra mihitsy! tsy azo lalovana alina akory satria ratsy loatra ny lalana ka manam-potoana tsara ny jiolahy hanafihana anao vao tafala eo ny fiaranao! dia vao tsy ela no tany indray fa tena hitako mihitsy ny fivoatrany! lasa nadio, sy mba voakarakara izao ny ankamaroan'ireny villa kely mahafatifaty ireny!

koa gaga @izay mahita an'Antsirabe ho miharatsy aho aloha ry namana
11. Jemes ( 25/09/2005 08:06)
Efa elah ianareo manaratsy ireo no tsy tany,ny tsena Asabotsy efa vita tsara ,avaratsena tonga any am lycéé efa vita tsara ny lalana ,eo am tranom-pokonolona efa vita zaridaina tsra mahafinaritra be,eo am gara moa de vao maika vita tsra noho ny taloha ,Niova be tokoa ilay tanana an Antsirabe , mahatamana.
Raha hakarivotra ihany tsy aleo any bira an
12. xxx ( 03/11/2005 22:56)
jentilisa:

=)) io ve dia ahafahana milaza hoe madio izy izany? Manao ahoana ary Ivohitra amin'izao e? na ny fanaovana golf? sa tsy misy intsony izany ao?


:-@ feno sarin'antsirabe milay be noho ny talo ato ry akama fa reraka be za ra apetako ato doly an, dadanay, mamanay, zokinay, zandrinay sns any doly


13. vale ( 04/11/2005 15:39)
pitchou:

izaho aloha fahiny mbola kely dia efa tany Antsirabe! fa tena tanana tsy fanao enao izany tanana izany t@ zany!d t@ taona 90 tany indray niverimberina tany, fa tena nihorin-koditra mihitsy! tsy azo lalovana alina akory satria ratsy loatra ny lalana ka manam-potoana tsara ny jiolahy hanafihana anao vao tafala eo ny fiaranao! dia vao tsy ela no tany indray fa tena hitako mihitsy ny fivoatrany! lasa nadio, sy mba voakarakara izao ny ankamaroan'ireny villa kely mahafatifaty ireny!

koa gaga @izay mahita an'Antsirabe ho miharatsy aho aloha ry namana

tsy ny lalana rehetra ao kosa anefa no ratsy an! ary ny villa kely mahafatifaty efa ela no nisy! ka inona ary ilay ataonao hoe tanana tsy fanao enao?hmm!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3717