kisoa

1. zefalah ( 06/08/2005 20:09)
marina fa tsara ny kisoa,nefa fady a-=sika zany
ka inona ary no antony mbola hinana sika kisoa.nefa ny baiboly efa nandrara ny fihinanana an'reny?
sady ny gasy maty ny enakisoa mintsy.
nga tsisy sakafo tsara nohon'ny kisao e?
novalian'i aina15 ny 11/01/2015 18:38
2. ainaheri ( 06/08/2005 21:23)
zefalah>testamenta taloha zany novakianao izany
3. booboo ( 07/08/2005 07:29)
Ny antony mbola hihinana : matsiro aminay, tsy fady anay, tsy mahafaty anay, tsisy mahasolo ny henakisoa ankoatra ny hena kisoa araka ny hevitray.
4. dadasy ( 07/08/2005 08:33)
De tena tsy omena tsiny ianao ra zefalah, fa de tena zefa lahy tokoa. Efa tantara taloha be izany tsy fihinanana kisoa izany. Aza de mijery lafiny tokana rehefa mamaky iny baiboly iny fa jereo ny lafiny sasany, ohatra ny testamenta vaovao, de ho hitanao ao ny valiny. mazotoa e
5. fasaly ( 07/08/2005 08:36)
izahay koa tsy fafifady zany , ny henakisoa!!! fihinana, ka homana ihany e! fanontaniana kely iza ny afaka manazava fa tokony ho fadiana ny fihinana kisoa ara-pivavahana? dia inona no antony sy ny vokany??????
6. routa ( 07/08/2005 09:41)
zaho aloha tsy mihinana ny kisoa e!
ary voalazan ' ny baiboly zany eny atrany @ testamenta vao2 aza .Aiza ho aiza ao @ testamenta vao2 no misy ary iza no nihinana ?ny tenin Andriamanitra mandrara fa ny olona mihinana foana koa atao ahoana e! .Io koa anie no nahafaty antsika olombelona e! efa lazaina aza hihinanana ny voankazo eo afovoan 'ny saha de nihinana tsy maty teo no eo tsika fa kosa tena maty firy taona ny nahafatesan'i Adama nahatratra arivo taona ve izy , tadidio fa ny arivo taona > ray andro @ Andriamanitra .
Zao an! tsy manery aho fa safidin'olona io zay ,fantatrao ny marina mihinana ze te hinana azy io fa zaho tsy hihinana an'io
7. RockyMaivia ( 07/08/2005 13:12)
Tiana ny manamarika fa fady kisoa, tsy azo anaovana kiraro sy fitafy tsy mifanaraka amin’ny fomban-drazana ary koa misy faritra tsy azo idiran’ny vahiny eo amin’ny manodidina ny Jiny.
8. zefalah ( 07/08/2005 13:37)
zany hoe le testameta vaovao zany no nanome alalana anareo hihinana kisoa?
fa inona moa no mampiavaka ny testameta vaovao sy ny taloa? ary izy no nanoratra an'io testameta taloa sy testameta vaovao io? tsy andriamanitra iany?
ka moa ve Andriamanitra nandrara anareo tsy hihinana kisoa dia mbola nanome alala iany koa mba hinananareo kisoa?
fa Andriamanitra izay ka ny nanoratra an'io tesatameta taloa io,de Andriamanitra iza koa no nanoratra an'io testameta vaovao io? to tsy mitovy le izy ra jerana akaiky. ny taloa mandrara tsy hihinana kisoa ny kristianina..ny vaovao manome alalana fa azo.
toizany koa ny fijangajangana..taloa dia fady..fa ankehitsiny efa tsy fady?
mba azonareo atao ve ny manoro lalana an'Zefalah fa tena zefa mihintsy izy e. marina e.
ameo profo izy manambara fa tsy fady ny kisoa?
de teneno anazy koa ny antony tsy hinanany advantista kisoa? inona no antony tsy hinanan'ny advantista kisoa? nefa samy kristianina iany.
jesosy ray no araina? nefa nareo mihinana ry zareo tsy mihinana..
tena zefalah alo za e..fa mila fanorona avy aminareo
9. tsondjo ( 07/08/2005 14:03)
RockyMaivia:

Tiana ny manamarika fa fady kisoa, tsy azo anaovana kiraro sy fitafy tsy mifanaraka amin’ny fomban-drazana ary koa misy faritra tsy azo idiran’ny vahiny eo amin’ny manodidina ny Jiny.




de eto izany dia mitokana ery izay mihinana kisoa, ary izay tsy mihinana mandehana ery é!!!!
10. fasaly ( 07/08/2005 15:01)
rockyMaivia:
inona aloha lay hatao hoe Jiny e!
de inona koa ny idiran'ny ilay fanaovana kiraro sy fitafy amilay kisoa? fa tena tsy azoko mihintsy azafady!
11. hery ( 07/08/2005 18:41)
zefalah> Raha resaka hoe Testamenta taloha sy vaovao aloha dia tsy resaka sakafo fotsiny tokoa (ka tokony hipetraka any amin'ny Fivavahana sy finoana ny dinika) fa raha mba mpamaky Baiboly ihany ianao dia jereo ao amin'ny Matio Toko faha 5 ao...

Ah ny momba ilay hoe mamela hihinana ny henankisoa ve ny testamenta vaovao... Azonao jerena ity http://baiboly.org/toko.asp?boky=Asa&Toko=10 misy an'ilay tantara nahazoan'i Petera fahitana. Ao amin'ny And. 15 amin'io toko faha 10 io misy hoe "Izay efa nodiovin'Andriamanitra dia aza ataonao ho fady" satria tsy nanaiky nihinana ny biby fady i Petera...

Jereo ihany sao maty antoka amin'ny henakisoa sy ravitoto
12. jajaf401 ( 07/08/2005 19:28)
:-D zahay aloha hihinana mandra-paha kle:P
13. fasaly ( 07/08/2005 19:50)
hery zany tsy mihinana henakisoa sy ravitoto ve????
14. zefalah ( 07/08/2005 20:16)
hery> mbola misy fantanina tsy voavaly.
marina fa hoe nahazo alalana i petera hihinana kisoa
nefa inona ary no antony tsy hinanan'ny advantista kisoa? mantany tena aho ato hoe: mba karazana baiboly manao aona ary ny an'reny advantista reny?
ka zay le izy e..inona no antony tsy hinanan'ny advantista kisoa nefa samy kristianina?
mialatsiny aloa satria niditra finoana sika nefa tokony ho sakafo no resahina ato.
miandry ze valiny aho dia amly tanteraka ny fantaninareo..sy anazava arak'izay tratrako @io kisoa io.
15. ainaheri ( 07/08/2005 20:53)
Tiako tena tiako ny kisoa fa ilay kisoa anankiray zay tsy tiako(controleur):lol::roll:
16. routa ( 08/08/2005 04:02)
zefalah>tsy mihinana kisoa ny adventista satria manaraka ny soratra masina izy ,hihhhi hono hoaho ry zefalah fa iza no niteny taminao fa nihinana kisoa i petera aiza ny toko sy andininy vakio tsara ny toko rahatra fa aza tsiponina houa!.Zao raha le petera nona teo antafotrano iny no nilazanao satria nahita fahitana izy lamba nivelatra nidina avy any an-danitra de feno biby de hoe hano reo ,nihinana ve izy?avaliko anao tsia dikany hafa io fa tsy hoe mahazo mihinana biby fady @ zay ny jiosy fady @ jiosy ni kisoa fa ny hevitr'io de zao :fady @ jiosy ny mifampiraharaha @ hafa firenena fa ny hafa firenena taloha de noharina ho tahaka ny biby maloto de vakio tsra @ farany ,raha hoe ny mihinana aza mitsarany tsy mihinana ndray de resaka olona tsy mihinakena sy mihinana io ka vakio tsara hoaho ny teny manontolo fa tsy nisy fahafahana nihinakiso zany ao atramin'ny farany eny mandrakizay aza
17. bichette ( 08/08/2005 07:03)
ny tsy hihinanan'ny advantista kisoa dia tsy hoe fady fa maloto ny kisoa, tsy tsara ho an'ny fahasalamana. ary raha tena mandinika ianareo dia matsiro ny kisoa kanefa mihinankinampoana no mitondra aretina maro;;; toy izany koa ny fruit de mer, matsiro fa diniho anie ny zavatra hohaniny e
18. booboo ( 08/08/2005 09:47)
Bichette > aaa, aleo tsy dinihana zay hohaniny any kah ! hihihihihihih. Refa voadio tsara sy masaka tsara/mendy tsara sy matsiro dé zay ihany. hihihihiihihihi
19. zefalah ( 08/08/2005 11:51)
:( zefalah marina zany za ra hiteny aminareo hoe tsy mihinana kisoa aho?
satria arakiny voalazanareo etsy ambony dia matsiro ny enakisoa!! de faty antoka tokoa ve zefalah ra tsy mihinana kisoa e?>
:-D
mbola miandry zay tena valiny mahafapo aho..fa ra misy profo mazava be..hoe azo hoanina ny enakisoa dia mihinana aho..fa ra mbola tsisy kosa de ee..avelao za faty antoka eto..tsy hihinana aho.
tena tsy hihinana oa!!:-D
20. bichette ( 08/08/2005 13:06)
zefalah > ka io anie na omena anao daholo ny antony tsy tokoony hihinana na antony tokony hihinanana dia ny safidy dia anao manokana e . Hozizy za hoe, maloto ny kisoa , misy kankana indrindra raha tsy masaka tsara, mihinakinapoana no mitondra aretina maro be ary voaporofo scientifikement dia hiteny koa za hoe mihinàna fa matsiro indrindra ky cotelette mendy tsara dia inn no ataonao ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4149