MATOATOA

1. rdjr ( 06/08/2005 07:38)
Tena misy hono izy io.
Arakaraky ny toetran'ilay olona fahavelony no mety hampitombona izany: izany hoe raha masiaka ilay olona ary mpanao vava be ary nanao zavatra tsy zakan'ny fiaraha-monina dia miteraka lonilony sy fahasosorana ho azy izany ka manjary halany ny fiarahamonina sy ny manodidina azy dia mitohy mandra-maty izany, ka izay no mahotonga io hoe manangatra na misy matoatoa io araka ny fandinihana.
Izay no mba fantatro fa ansa ianao raha mino na tsia.
Io koa arakaraka ny toe-tsaina sy ny finoana ihany.
Ka ahoana no mba hevitrao ny amin'izany???
novalian'i fijo ny 15/08/2005 21:17
2. fasaly ( 06/08/2005 09:23)
mbola tsy tojo alony zà ka tsy dia mino e!
fa henoko hoe mi existe izy io k'asa!!!!!
3. zefalah ( 06/08/2005 09:38)
rdjr> tsisy io. zay no valiny.
fanazavana.
Andriamanitra nanamboatra zava-boary afa akotran'ny olombelona,tsy inona zany fa ny "Jin" na ny tromba.
izy reo dia miaina toa-sika eto an-tany..fa sika tsy maita azy reo,fa ry zareo no afaka maita asika.
namboarinan'Andriamanitra t@ tany, ny zanak'olombelona
fa izy reo kosa dia namboariny t@ afo.
Nomen'Andriamanitra fahefana afaka maka endrika zavatra maro izy reo..toiny saka mainty..bibilava..
sy ny karazana biby afa koa..
Toizany koa ny afahany maka ny endrik'olona efa maty.
de zay no ataon' ny gasy hoe matotoa..io misy fa tsy le olona maty ,no mijangana,fa tromba no maka ny endrik'lay olona efa maty..
Andriamanitra niteny fa tsisy fahavelomana intsony akotrany fahafatesana eto ambonin'ny tany..ra tsy @ andro farany.na lay andro hitsarana azy
Ka boriboriko zany le Izy.
TSISY MATOTOA FA FINOANA VILANA ZANY>>ZAVATRA AFA NO MAKA ENDRIKA HO LASA TOY LAY OLONA MATY>:)
4. ainaheri ( 06/08/2005 14:51)
zefalah> in lay"jin" sy tromba azonao azavaina kely
v ra azo atao:?::roll:
5. sipagasy ( 06/08/2005 15:29)
tena mbola fanina be mitady & mamadibadika ny baiboliny mitady izay voasoratra ao mikasika izany famolavolana nataon'Androiamanitra t@ afo izany????? tena mba nahita injay aloha i zefalahy e!!!! mmhhhh sao de tena mba z.... oups tokoa??? efa taonjato faha firy ve izao dia mbola misy mino izany tromba & tsy haiko izany ihany?????


Miala tsiny fa izaho aloha tena tsy mino e!!!!!
6. ollie ( 06/08/2005 17:33)
:twisted: :?: Ny tromba no tena misy satria zaho nahita fony mbola nipetraka tany Tuléar zahay mbola kely aho tamin'izany,dia manana fomba ireo olona miantso ilay tromba fa tsy dia tsara jerena :twisted::twisted: loatra.Ny lolovokatra koa no tena misy ary ireo masoko ireo no nahita tany ,zany hoe ilay olona efa maty no nitsangana satria olona tao ambadikin'ny tranonay mihitsy no maty,dia nalevina tany ampasana mihitsy fa après une semaine mahery dia nirongatra tao dia nangataka rano teo @ vavahadinay izy dia ny mpanampinay no nanome rano azy t@ kopy,dia avy eo,kay izy efa noenjehan'olona tany,dia nisaute tamboho dia hita mihitsy ny nofony mihitsana.Torana ilay vadin'ny deputé teo aminay vao nahita azy satria izy anisany nandevina tany.Tena marina io fa tsy tantara fa ny matotoa aloha sarotra ny mandainga fa tsy fantatro na misy na tsia fa ireo ny zavatra hitako ary tena misy any @ Faritra Atsimon'ny Madagascar.
7. zefalah ( 06/08/2005 18:07)
sipagasy>> tsy mino enao raha tsy maita a?
zao e: aloany nanamboaran"Andriamanitra ny olombelona dia,nanamboatra zava-boary afa izy,vita taminy Afo..reo no atao hoe tromba.
refa nanota izy reo dia nalevon'Andriamanitra ho foana daholo,akotran'i Losifera..satana zany.
dia nanambara ndray Andriamanitra fa anamboatra olombelona,ary refa vitany io dia asainy miakohoka amin'io olombelona io avokoa ny anjely sy i Losifera
tsy nanaiky niakohoko T@ olombelona i Losifera..dia voaroaka t@ fahasambara..nefa moa izy nangataka mba hiaina mandrak'izay.. dia neken'Andriam,anitra ny fangatahany..taty aorina dia lasa mizara ho roa ny zava-boary..misy reo tsy ita maso,tromba de misy reo ita maso..olombelona..nataon"Andriamanitra tsy ita maso izy reo satria afa ra samy zava-boary.
8. routa ( 07/08/2005 10:25)
zefalah>aiza ny toko sy andininy milaza fa efa nanaozava-boary afa Izy tsy hitako zany fa isika olombelona no haiko ny fisiny losifera de hitako ao @ baiboly anjely nivadika de voaroaka fa ny voalazanao sisa reo tsy haiko mba lazao hoe azafady
9. fasaly ( 07/08/2005 14:40)
olie:
inona le lolovokatra???

izaho koa aloha efa nahita ireny tromba ireny e!
fa lay matotoa no tsy mbola tena mino fa asa....!
10. majesty ( 08/08/2005 04:58)
zefalah:tena ôtran'ny tsy midy anio zavatra lazain'ise io ny baiboliko sa ny ahy ve no hafa de tsy mitovy an'le any @ ise :D
Amiko refa maty ny maty de tena maty tokoa fa ny akoatr'izay toy ny matotoa ,angatra,...dia inoako fa misy herin'ny maizina avokoa ao ambadik'ireny.Fa raha sendra misy lasa matotoa ato amintsika ato indray andro any de mba miverena ato @ forum dia mba afaka manazava misimisy kokoa :lol:
11. ari.malala ( 08/08/2005 07:21)
zefalah, mahita zavatra!!! aiza ho aiza ao anaty baibooly no misy we nanao zavaboahary t@ afo Andriamanitra? raha ny fahalalako za tsy d mahay ity aloha d tsy misy an'zany ê! :) sa v........; zefalah koa moa kay tena tapipahaizana ko! zay rehetra miteny manko toa tsy misy saina @nao ko sao sanatria tratran"zay fitenenana izay eo ko ah!!!

momba anle ersaka matoatoa aloha ry zareo dia za tsy mino a! amiko refa maty d maty fa tsy misy manangatra izany ê! imagination anao ngamba fa tsy misy anzany!! asa aloha ê! za tsy mino anzany!
12. eh ( 08/08/2005 12:06)
za aloha mino fa misy ny angatra ê! ny hitako no lazaiko, misy trano b io Andafiavaratra io izahay no mipetraka teo anilany teo. Aty ambany ny compteur ny jiro rehetra d mipika tanteraka kanefa amin'ny alina d io fa mirehitra soa amantsara ny jiro ary misy manakisaka ny latabatra satria re b rehefa alina mangina!
13. Veloo ( 08/08/2005 18:04)
o ry reto tssssss zavatra i SATANA no miseho eo mba ampirebireby ny olombelona.. asany doly irey angatra eeee matoatoa eeeee.... Bien sur misy io satria Satana io...:wink:
14. fijo ( 08/08/2005 21:17)
o ry zareo an,mba aiza ny siansy amin'izany rehetra izany,toa resaka hono hono daholo ny anareo e.
15. ari.malala ( 09/08/2005 06:18)
za wa tsy mino!
16. cocorie ( 09/08/2005 08:43)
:twisted::evil:
17. ravatorano ( 09/08/2005 13:28)
matoatoa ilay olona mitsanga v sa inn no tianareo antaniana sy lazaina eh
ny finoana aloah iny dia hoe ny aza mahita iany.
Za aloha tsy mino fa rehefa maty ny olona dia lasa matotoa satria za mbola tsy nahita endrik izany latoatoa izany fa ny zavatra tsapako fotsiny dia misy hery izay tsy haiko aty tsy voazavan nybsiansa efa hitako ary omeko santionany ianareo.
Nanao SN tany antsimon ny Betafo antsirabe tokony miala telopolo km mandeha tongotra tamin izanyny tenako ary tamin izany no nahitako ireo fomba fanaon ny olona tamin io toerana io.Mahaiza ny anran ilay toerana ary manatantara eo amin ny faritr('i Vakinakaratra io toerana io satria anisan ny tanana niorina volohany talohan Betafo sy Antsirabe fony mbpola fanjakana Andriana.Be dahalo taloha tany tamin ny fotoana nanaovanay SN ka izao misy toerana mangadihady b izay tanimena io ah rehefa misy olona mitondra hen ondry dia mandalo manodidina ilay toerana dia misy afo mirehitra eo tsisy kitay tsisy bozaka ssady misy feo mùierona.
Ny aza mahita izany ihnay.Efa matetika izahay mpinamana manao fanahinianana fa d izay foana no mseho fa raha hena hafa tsis koi fa milamina tsara ary raha jerenao sy andehananao aza ilay toerana d tsis innnn mihitsy fa d mahagaga.Aiza ny siansa amizay sy ny fivavahana sy ny fiasan ny demony ?
18. ravatorano ( 09/08/2005 13:37)
ity koa resaka faharoa
iza no tsy mahalala ny camp Mandala amin iny lalana mankany Fianarantsoa iny ? Iza no tsy mahay fa ny antony nanaovana ny tafotranon i Andrainjato cité U ao Fianarantsoa dian nohon ny fitrangan javatra nitarainan ny mpianatra tao fahiny satria misy "matotoa mampijakly" tao dia voalaza moa fa toerana nandevenana ny mpanjaka taloah b teny d ananovana joro sy novana ny tafo d nilamina.
Fa izao ny tenako ni niaran izao raha nipetraka tao amin io CUR fianarana io ny tena nanovo fianrana tany dia izao no niseho raha mikorontana b ny efitranoko miala ao aho dia gaga aho rehefa miverina fa d milamina b ary tsy za irertyy no tratran izany fa mùisy namana maro ihna&y koaI
Indray mandeha ary dia natao nisavoritaka ny trano d nihainohaino tao ambadika satria cloison parapin ireny no manasaraka ny efitro amin ilay namako izay , dia niheno nanongilan tsofina nandritry ny adiny roa fa tsy nahare zavatra nitsaika akory tao.Nony novahaina anefa trano d saika torana wa za fa ny trano nilamina b hatrany amin ny vilany sy ny vilia voasasa ary ny lamba nadio teo nisy nipasoka.
Iza ary ilay tao ? matoatoa houzy ny ankizy fa sendra ilay tsara fanahy elah
Tsy andriko izay hahitana namana afaka mifamadika trano amikio.Hatramin izao mbola midsy trangan javatra toy izany fooana ao fa tsy d matetika intsony asa efa lefy angaha.
Ka asa ry zareo na matoatoa izany na tsia ?
19. fijo ( 09/08/2005 21:15)
za aloha tsy mino le izy e,rehefa mahita aho mety hino ihnay ngamba
20. Veloo ( 10/08/2005 18:23)
Fijo a i Satana no hitanao eo mi imiten'ny na feo na ilay olona mihitsy fa tsy ilay olona efa maty akory:wink:... rehefa maty reny dia tena maty...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1801