tantara : hadino ve sa tsy misy miraharaha intsony ?

1. booboo ( 03/08/2005 13:31)
ny t@ 31/07 hifoha 1/08 1985 ohatra fotsiny. Mba nitady t@ gazety aho fa tsy nahita na article iray aza ...
novalian'i fijo ny 15/08/2005 21:18
2. fasaly ( 03/08/2005 13:45)
inona aza izany tantara izany????:-w:-w
3. ari.malala ( 03/08/2005 14:13)
tena 10 taona ky za t@ zany booboo! :) in no nitanga t@ zany?
4. jentilisa ( 03/08/2005 14:23)
zah koa mba gaga hoe efa adinoina ve ny tantaran'ny kung-fu naripaka tamin'izany? jereo fa samy gaga mbamin'isika ato!
5. Veloo ( 03/08/2005 16:23)
o ry booboo a mba detayeo kely oe inn zany tantara zany? aiza ko daty fotsiny no apetrakao eto...no sady amin'izay efa ela be tssssss:twisted::twisted:
6. booboo ( 03/08/2005 16:31)
Ka zay indridnra no tsy azoko hoe maninn no betsaka no tsy mahalala ny zava-nitranga teo @ fireneny ! Raha hiteny oe 29 mars 1947 dia be mpahafantatra nefa ny 31 juillet 1985 niet ! ny 10 août 1991 koa tsy asiana resa-be firy, ny tany atsimo t@ andron'i Monja ..... Santionany fotsiny ireo.

Io efa nambaran'i Jentilisa io ny nisy t@ zany.
7. fasaly ( 03/08/2005 16:46)
tena fanina be mintsy aho e!
inona moa ny tamin'ny monja e????:roll::roll:
aleo aloha hieritreritra
8. chipie1 ( 03/08/2005 18:31)
le 10 août 1991 zao no aiko
fasaly > i Monja jaona ngambany :roll:
9. fijo ( 03/08/2005 20:20)
le daty tsy tsaroako fa ny zavanisy tsaroako.
10. ainaheri ( 04/08/2005 05:49)
za ko otrany fijo
11. ari.malala ( 04/08/2005 06:22)
raha ny 10/08 aloha dia haiko tsara mintsy satria efa mba nahatsiaro saina aho t@ zany sady nisy zavatra nahakasika anay mianakavy manoka a t@ io daty io, fa raha ilay 31/07 tena ialako tsiny fa mbola zàmadinika tsy nahalala zay ambonin'ny tany ah t@ zny! :) ampahatsiahivo oe azafady!!
12. jentilisa ( 04/08/2005 08:44)
Efa tao anaty fahasahiranana lalina ny vahoaka tamin\'izany. Tsy afa-nikofoka anefa satria heverina ho fahavalon\'ny tolom-piavotana na mpanoha-riana raha nitaraina. Nisy ihany ny nanao izany fa nanirahan\'ny fanjakana ny andian-jiolahiny nitoby tao @ toby pochard antsiona hoe TTS. Isaky izay mitady hitroatra ny vahoaka dia ny vetmad sy ny namany ao analakely hatrany no vaky voalohany. Niainga tao amin\'ny toby pochard izay efa tsena ankehitriny hatrany izany fanafihana izany.
Nirehareha aok\'izany ireo andian-jiolahy antsoina hoe TTS ireo satria na dia ny fiaran\'ny polisy aza dia azony \"confisquer\"-na hanafihana trano.
Tsy nisy hery mitambatra afaka ny hanohitra ny TTS intsony satria ny mpitandro ny filaminana tamin\'izany fotoana izany aza tsy mahazo mikasika azy ireo. Tsy henatra intsony fa izay tovovavy mahafinaritra azy dia kidnapper-ny ary aolany; ary tsy izay ihany fa tsy avelany mody intsony fa lasa \"vadiny\" tao @ toby pochard tao; vadin\'izy rehetra fa tsy hoe vadin\'ny anankiray ihany, dia iterahany ao e!
Tetsy akilan\'izany kosa tsy nahazo alalana hijoro ny kung-fu (wisa ankehitriny) satria tsy nanaiky ny hanofana ny mpiandrin\'ny prezidà (\"resep\") ny maitre pierre be. Lasa endri-panoherana vaovao nirohotan\'ny maro ny kung-fu. Feno azy rehefa elakelan-trano sy ny vaza-mototra rehetra io.
Napetraka ny fitsipika tao anatiny fa izay manjo ny iray amin\'ny mpikambana dia toy ny manjo ny fikambanana iray manontolo.
Tonga ary ny faraparan\'ny taona 1984, notafihan\'ny TTS ny mpivaro-kena iray tao Anosibe; nirehareha ny mpanafika fa rehefa tsy faly manatona ny toby pochard. Ny tsy fantatr\'ireo TTS ireo dia kung-fu ranamana notafihiny. Niharihary tamin\'izany fotoana izany, tsy miafina intsony fa tena tao @ toby Pochard no niaingan\'ny fanafihan-jiolahy rehetra teto Antananarivo sy ny manodidina.
04 desambra 1984, nivondrona avokoa ny kung-fu rehetra hanafika ny toby pochard. Nandriaka ny ra, \"saiky\" maty tao anatin\'ny fanafihana avokoa ireo TTS ireo. Ny sary nanamarika izany fanafihana izany dia ilay lehiben\'ny TTS saiky hihoatra ny fefin\'ny gara saingy voasaringotry ny vy ny akanjony; notrobaran\'ny kongona iray ny sabatra izany lehilahy izany ary teo no maty. Resy tanteraka ny kung-fu.
Vokatr\'izay na nifanindran-dalana tamin\'izay, nifanolana hatrany ny polisy sy ny kung-fu. Raha nisy ny kung-fu nosamborin\'ny polisy dia takian\'ny fikambanana ny famotsorana azy. Efa lasa endri-panoherana fanjakana tanteraka ny kung-fu. Natahotra tanteraka ny fanjakana satria nisy ny hery afaka nihaika azy.
31 jolay 1985, nantsoina hanatanteraka iraka ara-miaramila ny 2°RFI Antsiranana. Toerana hotafihina, tanàna iray tao Amboditsiry. Vokany anjatony ny kung-fu maty tamin\'izany fanafihana izany. Marihina fa tank mihitsy no nanafika ny kung-fu tamin\'izany fotoana izany. Andro manaraka izany, nosavaina avokoa ny kibon\'ny olona rehetra sao misy fehikibo misy tavoahangy kely nampiavaka ny kung-fu. nosamborina sy nogadraina izay tratra. Ny miaramila mihitsy no nandray an-tanana ny raharaha.
Marihina fa toy ny mahazatra rehefa misy ny zavatra toy izao dia tsy teto an-toerana ny filoha hajaina Didier Ratsiraka.
Ahoana, mbola ampiana ve?
34 taona aho izay manoratra an!
13. jentilisa ( 04/08/2005 08:54)
Marihina fa ny fanalavana ny TTS tamin'izany fotoana izany dia hoe Tary Tonga Saina. Tamin'ny taona 2002 kosa asa na politika entina hanindriana an'Antananarivo fa nisy indray ny TTS izay nantsoina hoe Toamasina Tonga Saina, nisy koa ny hoe Toliary Tonga Saina. Anjaran-tsika tsirairay ny mieritreritra hoe nahoana no natsangan'i Rolland Ratsiraka indray izany hoe TTS izany?
14. ari.malala ( 04/08/2005 13:48)
jentilisa, misaotra anao fa mazava tsara! hay v nisy zavatra toy izany ê!
15. fijo ( 04/08/2005 21:34)
jentilisa,misaotra fa dia efa lehibe ihany aza aho tamin'izany,dia izay vao nahafantatara io tantara io,satria tany mahajanga moa ,ka tsaho foanano heno.
16. mandrindra ( 05/08/2005 10:24)
fanampiny kely monja, ireo tank nolazain'i jentilisa ireo dia ny EB2 (escadron blindé) avy any Arivonimamo no no nampiakarina. Tsy teny Amboditsiry ihany no nisian'ny fisamborana fa tao Behoririka ihany koa. Nampihatra ny couvre feu ny fanjakana tamin'ireny fotoana ireny.
17. fasaly ( 05/08/2005 17:05)
kay! izay vao mitamberina ao antsaiko zany reska tts ,koung fu sns....zany ny tadidiko koa satria mbola kely mintsy tamin'izany dia ny olona eo akaikinay dia anisan'ireo mpanararaotra an'ireny magasin karàna na magasin novakiana ireny ka namoaka adidas daholo ry zareo tamzany!!!!! tena marina io an! hihihi
18. fijo ( 08/08/2005 21:46)
avelao kosa izy hanararaotra ry fasaly an.
ka izany ve no mbola misy tia hamerina?
19. booboo ( 10/08/2005 12:25)
10 aogositra ndray androany dé mahatsiaro reo gli sy naratra t@ 1991 eeeeeeee
20. chipie1 ( 10/08/2005 14:43)
ié zay saika gli tany kou ^:^^:^
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1156