Ahoana no fomba hanadinoiko ilay "amour de jeunesse-ko"

1. xxx ( 01/08/2005 15:38)
30taona aho izao, ary miara-mipetraka amin'olona mifampizara fiainana amiko efa ho valo taona, sady tiko no tia ahy koa!
Hivady izahay ato ho ato, kanefa ao ambadika ny fahasambaranay dia misy zavatra miafina ary mampijaly ahy fatratra.
tamin'izaho 15 ans dia nanana namana zazalahy tena tiko tsy nisy hoatra izany, tsy nisaraka mihintsy izahay fa nifanjohy foana, kanefa ny fomba firesan'io zazalahy io tamiko dia noraisiny toy ny meilleure amie foana aho, kanefa tamiko izy dia hoy aho hoe ho vadiko izy indray andro any.
Diso fanantenàna foana aho matetika satria nampahafantariko azy tamin'izany fa afaka alefa lavitra ny fiarahana fa tsy mijanona ho mpinamana satria tia azy aho.
Izy anefa tsy nety mihintsy fa ny hinamana ihany.
indray mandeha fotsiny izaho no naharesy lahatra azy ary mba afaka nanoroka azy, nandeha ny fotoana dia samy naka ho azy izahay samy nanana ny lalany , dia farany moa tsy hitako intsony izy.
taona maromaro taty aoriana nifanena izahay, ary tsy indray mandeha fa in-telo mihintsy, dia otran'ny tsy fantany aho "ignorée". Narary be ny foko sy ny fanahiko nahita ilay fihetsiny satria izaho dia tsy nanadino azy mihintsy hatramin'izao.
Marina fa sambatra aho amizao fotoana izao kanefa mi souffre, malheureuse satria ny saiko sy ny fitiavako mbola miantefa any aminy foana tsy haiko hoe ahoana.
isak'alina aho dia mifoha dia mitomany noho izany. Manofy aza aho indrayindray hoe izy no hizaràko ny fitiavako sy ny fiainako ankehitriny. Manana ny sariny tamin'izany fotoana aho no mbola mitahiry ny soratanany , fa ireo dia tahiriziko any amin'ny ray amandreniko anaty vata kely izay. isaky ny manokatra io izaho dia mitomany foana malahelo azy foana...
tiako ho hadinoina tanteraka ny aminy tia hanasa ny atidohako zà amizay voafafa ny aminy fa tsy mety, kanefa etsy andaniny tiko koa lay olona ho vadiko atsy ho atsy, tena mafy amiko ny mitantana ny fitiavako amin'izao, izaho tena mbola lasa adala amin'io namako taloha io foana. Raha mba misy toro-hevitra azonareo hatoro ahy dia tena mahafaly ahy no mety hahavonjy ahy, inona no tokony hatako????
misaotra mialoha! kab
novalian'i fijo ny 22/08/2005 22:04
2. mainty ( 01/08/2005 17:16)
Salut! marina fa mety sarotra ho anao ny hanadino azy nefa ny sainao ihany no mitondra anio, raha tena tianao hohadinona izy dia aza eritreretina fotsiny sady efa hitanao zao ignoré-ny ianao ka dia mba ignoréo koa izy e!
3. mainty ( 01/08/2005 17:18)
Salut! marina fa mety sarotra ho anao ny hanadino azy nefa ny sainao ihany no mitondra anio, raha tena tianao hohadinona izy dia aza eritreretina fotsiny sady efa hitanao zao ignoré-ny ianao ka dia mba ignoréo koa izy e!
4. ollie ( 01/08/2005 17:32)
Io dia betsaka ny voan'io ,fa ny fanafodiny dia amboary ny fo sy ny saina satria fantatrao fa tsy ho anao izy,ary ianao efa hanambady atsy ho atsy,ka ny manadino aloha zava-tsarotra fa ny fo no toneo,aza avela hiantefa any aminy intsony koa ny sainao.Zay fa dia mahereza,dia maharena tokan-trano sambatra.
5. fasaly ( 01/08/2005 18:07)
amiko aloha angamba dia sy tsara intsony ny fitehirizana raki-tsary sy ilay tts-ny taloha satria iny no manome souvenir anao dia vao maika tsy voafafa ao am-ponao ilay olona, ka adinoy ny lasa banjino ny ho avy, raha sambatra enao izao amilay ho vadinao de mifalia fa aza manao jery miverin-dalana izany....
6. Veloo ( 01/08/2005 19:08)
o ry xxx a tratran'io doly ny rehetra. Mahareta e aza mieritreritra azy intsony marina nolazain'ireo etsy aloha fa aza asiana na inn na inn momban'zay intsony ao an-tranonao... fa ho hafaka fona io e mbola vo 15 ans ny elan'elany. Mazoto fa afaka io (je parle en connaissance de cause) Tena mazana aloha e :wink::wink: Aza sombana @ an'azy intsony ny fiainanao. :-*
7. ndrena ( 01/08/2005 20:54)
Ny tantara tsy fanadino nefa azo anatsoahana lesona tsara.Miteraka fahotana ihany koa raha manao hoe mamy ny atsy sady fy ny aroa.Izay anjaranao @ izao fotoana izao atrehina tsara sy izarao ny tena fitiavana dia ho tsapanao fa hohadinonaoihany ilay taloha ary tena fahasambarana no ao an-tokatranonao @ izao fotoana izao.
8. cocorie ( 02/08/2005 06:35)
raha ny mifanohitra amin\'ireo voalazan\'ireo ankizy ny hevitro de saino hoe ho sambatra ve ianao! tsy andrakandrana ny fiainana fa feno sampan-dalana ka mahaiza misafidy.
9. Riffeur ( 02/08/2005 07:03)
omeo rdv izy @ fone na mail dia resaho direct rehefa tonga zay fotoana zay fa tsy hainao zay fandehan'ny fiainana. mety hi-soulager anao ny hanaovanao io rdv na ho hety na tsy hety :-)
10. lanto ( 02/08/2005 08:22)
Ka xxx aza izany efa nahatsapa fa "ignorée" ; aleo tsy mitady aretina vaovao amin'ny fihaonana aminy intsony. Ny fitia fahazaza angaha moa dia tsy maintsy hadinoina ? Fongarina aza indraindray koa :) Aza gaga amin'izany tsy fanadinoana izany, izaho mino fa ny tsirairay dia manana tantara kely mitovitovy amin'izany mipirina ao am-po ao. Dia mizara miaina miaraka amin'izay mandra-pahalefilefiny e! Fa izany akory aza atao mahasakana ny dianao tsy handroso.
11. mandrindra ( 02/08/2005 09:05)
io lazain'i fasaly io no ataovy voalohany, poteho, dory arya rio daholo izay zavatra rehetra notahirizinao momba azy. Amin'izay dia tapaka tanteraka aloha izay mampanembona. Avy eo ny saina no amboarina, ataovy toy ny fichier tsy ilaina ao amin'ny ordi, avy hatrany dia fafao ary aza avela hijanona ao anaty corbeille akory.
12. booboo ( 02/08/2005 09:41)
mitovy hevitra @ Riffeur. Refa hitanao ve fa nidona mafy t@ rindrina ianao refa avy niresaka taminy tsy hitony @ zay ny fitiavanao azy na ny mifanohitra dieny mbola tsy vita ny voady. Dé dory aby aby ny raha momba azy fa marina io lazain'i Fasaly io.
13. princesse ( 02/08/2005 10:59)
O ry xxx, mba manakambo!refa ignoré-ny dé ignoré-o kou izy!aleo izy ho any!sady fakapanahy hoanao ra wé misarika b aminao izy @zao nefa tsy fatatrao akoury wé in ny ao atsainy!tatara efa nivalona dé avelao ho any,sady énao zany efa manana olona tinao sady tia anao kou in dray!?
14. bbn ( 02/08/2005 11:48)
Ny lasa tsy mba fanadino ary tsy mba fampatsiahy amiko fa fakana lesona hanarenana ny ho avy
15. majakely ( 02/08/2005 12:59)
Na ahoana hataonao na ahoana no hataonao dia, tsy ho hadinonao izy! Aza mahatsiaro tena hoe diso raha mahatsiaro azy,, fa raiso ho toy ny sovenira fotsiny!!!! Satria efa tantara efa nisy io! Betsaka ny olona voan'io mahazo anao io fa tsy ianao irery !!Hiainana fotsiny miaraka amin'ny zaridaina ao am-po io!!!Normale ! H,ho hitanao moa ,de dory ireo sary ireo ary aoka izay satria ny taloha dia taloha !! Efa vita !!
16. Veloo ( 02/08/2005 16:08)
bbn a marina ny an'i se....:wink:
17. fasaly ( 02/08/2005 17:27)
izaho koa aloha tsy mba nanadino ny lasa e! izay lasako rehetra tsy nisy adinoko na ny iray aza, na nisy fiarahana tsara na ratsy, marary ny fo ndraindray hoe tokony iny mintsy no vadiko, fa efa tsy nety aza kou !in indray, matoa tsy tanteraka dia tsy anjara zany....
18. lilbon ( 03/08/2005 11:56)
xxx> azo lazaina fa mampalahelo enao nefa io de ny olona rehetra no voan'io ,tena rehetra mintss tsy ankanavaka
fa io de arakaraky ny olona io.misy karazany 2 ny olona tia :de ny olona tena tia ary maty an-kazo tokana, io le fitiavana tadiavin'ny maro.
ary io le afo mandoro koa anefa .io no tsara indrindra raha tanteraka ary io no dangereux indrindra koa @ fitiavana.ny aza tratrany hoatry ny sida io fa tsy afaka intsony.io no fitiavana mampanao hadalana ny oll rehetra.o^oo^oo^oo^o

KA ny conseil ze omeko anao de we aiza no tsy hanenenanao fa aza manontany oll



19. lilbon ( 03/08/2005 12:02)
tsy te hanao resabe za fa
psycho:
zao atao vadio le oll sur fa tia anao.
fa refa tonga ny fotoana izay we tsy maintsy hifoha le fitiavana eo amianao sy le iray de aza ratena le occasion
mahatonga anahy miteny aminao an'izany de zao:
tsy ho hadinonao mintss io oll io mandrakizay de hitomany foana ve ianao amin'ny androm-piainanao?
hijaly am-po? izany no atao we enfer interne ary tena potika enao an!
fa ataovy izay mba hifaliana eto amin'ity tany mandalo ity ary aza mi-raty occasion zany mintss raha azo atao!
20. tia2005 ( 03/08/2005 12:06)
tsara ilay lasa kanefa izany tsy midika hoe hijanona eo fa tsy maintsy mandeha foana manaraka toetr'andro ê! raha tena tsy haritra dia tediavo izy fa tsy midika hoe lazao aminy daholo fa ataovy namana fotsiny mba mahatsiaro fotsiny hoe fa aza lazaina aminy daholo fa lasa ampifilainy enao. eo no hijerenao izay ratsy sisa jerena aminy!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094