MBA FETSI2 DIA MBA MAILOMAILO KOA EEE!!!!!

1. ainaheri ( 25/07/2005 23:24)
Mpivady vita mariazy izy roa,noho ny asa anefa dia voatery tsy maintsy mandeha lava ingahy rainy mankany @ faritany,hany ka @ alalan'ny tel sy ny
internet sisa no ifampiresahana ka tsy nahatandrina ary ity ramatoa kely ka nampiasa ny dress mailny retra2 izay miisa 5 kanefa ny anankiray ihany no fantatr'ilay vadiny,d nony tonga tany antrano ary ilay rangahy dia nanontaniany ny vadiny fa ataonao
inona daholo ireto dress mail be dia be ireto;
d novaliandramatoa tsotra fa misy ireny pub ireny d
zay no anokasokafako an'io,tsotra ny ahy hoy ilay rangahy omeo ahy ary ny mots des passen'ireo ijereko
an'zany!!dia raikitra teo ny fifamaliana fa tsy nety nanome rakalakely!Ary mety hiteraka fisarahany izany satria tsy hanampitokisana an'ny vadiny intsony ilay rangahy .
Ka raha aminareo mananjo ve ilay bandy hangataka
ilay mots de passe??????
novalian'i fijo ny 09/08/2005 20:03
2. Liltax ( 26/07/2005 03:51)
raha amiko aloha de manana zo le ranga haka ny mots de passe satria izy roa efa mpivady zany hoe mandra maty hiaramipetraka foana nefa raha tsy manome ramatoa de mety hiteraka korotana eo a@ izy zany !
satria ny mpivady dia tokony tsy hifanafina zavatra atao zany !
3. tivinah ( 26/07/2005 06:02)
Amiko dia manana dia manana jo mihintsy ralehilahy satria inona ary no maha-pivady ny mpivady raha tsy hifampizara izay misy eo @ fiainana. Ny mpivady amiko dia tsy mifanafina izay rehetra miseho na @lahy izany na @ny vavy, fa ataoko fa tsy misy dikany ny fanambadiana raha toa ka samy mbola manana ny azy sy ny ahy ihany fa tsy iray intsony, araka ny soratra masina dia tsy roa intsony izy ireo fa ho nofo iray ihany ka tsy tokony ho hisy intsony ny hoe havan' ny lahy na havan' ny vavy.
Tsy tokony mbola hiditra amin' izany fitiavana sy fanambadiana izany ny olona iray raha ka mbola tsy mahafehy ny tenany fa manjary miteraka savorovora sy tsy filaminana eo @ fiainan-tokantranony.
Tsy marina ve izany hoy nareo?:arrow:
4. mpanakiana ( 26/07/2005 06:32)
Misy zvtr tsy madiodio ao matoa izy tsy manome
ary za matoky fa minamiafina lay sipa!
5. fasaly ( 26/07/2005 07:22)
amy maha-mpivady azy de tena manana zo rangahy hangataka ny mots de passe, matoa mpivady de mifampizàra ny rehetra ka matoa marina ramatoa tsy manome de ao raha....ity resaka net ity alony de betsaka ny fisarahampanambadiana aterany e!
ka misy lafiny nahatsara azy ihany ny teknolia nefa nisy naharatsy azy ihany fa miteraka olna be amin'ny couple, satria manome fankamapanhy maro.
6. xxx ( 26/07/2005 08:11)
Marina fa tokony hifampizara ny fiainana ny mpivady kanefa hoy aho dia tokony hananana ny liberté individuelle-ny ny tsirairay (maha olombelona io) ka raha sitraky ny iray ny hi-dévoiler ny mot de passe-ny na secret haf amain'ny anankiray dia azony atao izany fa tsy tokony ho droit absolu an'ny iray ny mangataka izany.Amiko ny fahatokisana no tokony atao be. Tsy ny mot de passe ihany eto no tokony ho privé fa na ny répertoire sy ny appels reçus/envoyés.Hita aloha fa be ny tsy mahatanty izany nefa diniho tsara ihany ny long terme.
7. ainaheri ( 26/07/2005 08:26)
ianao aza zao niafina ko?? d aona zao zany:?::roll:
8. sipagasy ( 26/07/2005 08:28)
wadray fa angaha raha vita mariazy dia midika koa fa VOAVILY?????? wadray fa mba mivoatra ry zareo annnnnn tsy izay rehetra izao akory dia ifampizarana daholo fa mba samia manana ny jardin secret ny avy daholo e!!, araka io ps io dia vehivavy aho nefa tsy izay rehetra ataoko akory dia lazaiko ny vadiko avokoa tsy novidiany ambongadiny akory aho ka hanome izay mot de passen'ny mail ko rehetra izao, raha tsy mahatanty izy dia miala e!!! tsy ifanerena ny fifampitokisana, na misy na tsy misy dia izay e!!!!
Avadiko kely koa ny resaka, marina raha izao no hitohy ka raha hivoaka hiantsena koa aza ilay ramatoa dia hanontany koa ilay rangahy hoe taiza & taiza avy enao ary iza avy ny oul hitanao teny an-dalana ary naninona no ela tsssss wadray kleeee oups saika nahateniteny fôna za hihihihi, efa toetra nilaozan'ny toetr'andro izany e!!!!!! asio fivoarana kely e!!!!!:-*
9. chipie1 ( 26/07/2005 08:38)
resaka fifampitokisana le izy , fa amiko tsy oe refa mpivady dia tokony tsy hifanafina ! misy ny tokony tenenina fa misy kosa tsy tokony !
10. mandrindra ( 26/07/2005 08:43)
fa inn no olana e, resak mail izany anie zavatra virtoaly io e. Rehefa tsy mahatoky dia manakarama mpitsongo dia fa tsy izay adiresy imailaka no ametrahana olana. Aoka tsy hamorona blema tsy misy.
11. kally ( 26/07/2005 09:10)
Tena mitsetra aho raha olona efa manambady daholo marina ianareo mitaky mot de passe ireo. Ny fangatahanao zavatra ohatr'izany dia midika fa tsy matoky ny vadinao ianao, ianao no niandohan'ny olana.Mpanao koa matoa tsy matoky.Ny mpivady anie tsy hoe mifampijery fa miara-mijery ny lalan-kizorana e! tsy hoe ianao manao an'ity ary ianao toa manao an'itsy fa hoe ny tanjontsika dia iry dia miara-mijery an'iny tanjona iny mba hiara-ho tonga eny fa raha mifampitsikilo sy mifampijerijery lava izao dia miomàna fa dimy taona raha haharitra an'izay aza.
12. pika ( 26/07/2005 09:37)
amiko mitory tsy fahalalampomba ny fangatahana mot de passe eny na efa mpivady aza toy ny hoe na dia mpivady aza dia tsy tokony hifampisava poketra na paosipataloha ....
matoa rakalakely manao toy izany tsy matoky matoa koa ralehilahy mitaky tsy matoky fehiny tsy hanjary izany, izay no lafiratsin'ny fisarahantoeran'ny mpivady
13. mananja ( 26/07/2005 09:42)
Marina ny teninilay namana teo aloha teo, satria rehefa mifampatoky d tsy tokony hisy blem nefa tokony ho mailo ihany na izany aza, fa ny vehivavy anie indraindray izay ihany eh!
14. sonwin ( 26/07/2005 09:45)
kozio ilay ramatoa hanome mot de pass mba hilamina ny tantara dia manokatra email vaovao indray refa lasa ranga e, dia alefa any indray ny akama virtoaly...ary misy io matoa gidraka be ny maka ilay mot de passs
15. booboo ( 26/07/2005 10:02)
pika sy kally > bien dit !
16. Mifenty ( 26/07/2005 10:15)


ka lé resaka mot de passe io aza anie ka azo jerena fa lery kou zany no pondrona kou.
17. eh ( 26/07/2005 11:13)
raha miserasera izany no mahafinaritra an-dramatoa inona no tokony hidiran'ilay vadiny amin'izany ê! mot de passe v no hanaovana olana ê! tsy natao ho zaraina daholo ny zavadrehetra ê! aleo izy mba handehandeha fa tsy tokony hanotanitany izany ! izay no mahafinaritra d avelao izy hirevy ê! ny ahy aloha tsy omeko ê! angaha manao inona fa tsy manoratra fotsiny!
18. isrine ( 26/07/2005 14:12)
na ilay rangahy na ilay rtoa samy nandra daholo e. mety efa leon'ny fiainana koa reo ka mitady motif hisarahana.
19. ainaheri ( 26/07/2005 14:15)
avy @ alalan'ny inona moa no mampirongatra ny pedophiles izao sy ny mahatonga ny ankizy
tsy ampy taona ho voavetaveta ,ka noho itony
ihany satria ampiresahany eo d azony refa avy eo!!
20. fijo ( 26/07/2005 21:16)
za koa aloha na dia lehilahy aza dia tsy mankasitraka izany fangatahana mot de passe izany.ny sipa nio hitako be tsy mankasitraka,fa ny bandy dia momba daholo.
amiko tsy fahatokisana azy izany,ka aleo avy dia miala.manaova koa ianao dia tehirizo ny anao dia vita fa tsy mila vaniny amin'izany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.5704