aretin'aty

1. aliotsy ( 20/07/2005 09:01)
aona avy no fisehony dia ny fanafodiny ? ny voasary makirana ve no tokony hohanina betsaka sa ny tantely
novalian'i fijo ny 01/08/2005 22:32
2. pika ( 20/07/2005 09:15)
ny tsaratsara dia ny manatona dokotera na izany aza dia mba milaza izay fantatro
betsaka ny fisehony oh misy mangamangana eny @ hoditra tasitasy oh be panda, mony, ny tarehy betsaka angadrano, misy toy tasy feriferena ny tongotra sns ..
akoatran'ny fanafody mety ho tenenin'ny dokotera dia ny rano aloha ataovy mahalany 1,5 l farafahakeliny, ny sakafo be lipide sy épice ahenao, ny tantely tsy maninona ho hanina
na izany aza manatona dokotera e
3. aliotsy ( 20/07/2005 09:18)
pika > misaotra
4. aviavy ( 20/07/2005 09:24)
Mba fanontaniana fotsiny ihany ny ahy: prouver scientifiquement ve ireo voalazan'i Pika ireo hoe be mony be tandra be angadrano sns rehefa marary aty ? ary raha toa ka prouver scientifiquement inona no nahatonga ireo tandra , ny fahalalako ny mony mantsy dia excés de sebum ary ny angadrano dia cellules mortes ka inona marina ny fifandraisan'ilay aretin'aty sy ireo voalaza ireo ? mba mila fanazavana aho
5. bichette ( 20/07/2005 09:30)
eny wa
6. kally ( 20/07/2005 09:50)
Matetika ny olona marary aty dia mibontsina ny kibo, maloiloy lava, somary mavomavo ny maso, manjepizepy ny maso indraindray. Raha voan'ny hépatite C kosa anefa dia matetika tsy misy ahafantarana azy ankoatry ny fijerena ny rà.
7. aliotsy ( 20/07/2005 09:51)
c koi manjepizepy
8. watafon ( 20/07/2005 13:47)
ny olona marary aty koa zany d mangidihidy lava e ! fa ny tena ahafantarana hoe maray aty moa zany d ny fitiliana @ rà ihany e! ny olona marary aty zany d tsy mahalevona ireo sakafo mavesatra satria tsy ampy ireo enzyma mpandevona azy ka sahirana ilay taona ! izany no mahatonga ny dr hilaza hoe tsy mahazo mihinana zavatra be lipida loatra ozizy pika etsy ambony !
ny toaka zany no tena tsy tian'ny aretin'aty e! mahafaty mantsy le atao hoe cirrhose hepatique !
9. tivinah ( 20/07/2005 14:20)
Tena misaotra anao fa ilaiko tokoa izy io fa izao ny ahy dia misy ireo voalazanao ireo avokoa dia inona no tokony hataoko izany.
10. booboo ( 20/07/2005 14:26)
manao fitiliana rà sy manatona dokotera
11. isrine ( 20/07/2005 14:50)
hay ve ny aretin'aty ka fantatra à alalan'ny fitialiana ny rà e. inoako fa vitsy no mahalala izay, fa dia tonga dia tambavy izay atorotoro'ny olona etsy sy eroa no atao.
ka tsy mifampiankina ve zany ny aretim-bavony sy ny aretin'aty ry reto?
12. fijo ( 20/07/2005 21:50)
sirine an hita amin'ny ra aby ny zavatra rehetra.
13. pika ( 21/07/2005 09:21)
aviavy tsy misy resaka tandra teo fa vakio tsara
ary ireo dia an'isan'ny fisehony ety ivelany fa sao dia ny mony kosa hoe mitohona hono .... na tsy .... no tianao ambara?
na izany aza dia namporisika aho ny ho any @ dokotera ok
14. watafon ( 21/07/2005 11:39)
isrine: tsy hoe mifampiakina akory ny aretim-bavony sy aretin'aty k !ny mampitovy azy fotsiny d oe samy vovadrastin'ny fisotroana alikaola be loatra izy reo !
araka ny voalazan'i kally etsy ambony dia misy aretin'aty avy @na VIRUS d le atao hoe HEPATITE A-B-C ...izay misy vakisiny !
le tambavy ndray alou d tsy tsara loatra e! raha tsy irony efa nahavitana fikarohana ka misy fatrany ara-dalàna ! raha tsy izany d mety hanimba ny aty ary indrindra indrindrany voa !
rehefa tena marary tokoa ilay aty dia mitombo ny habeny : HEPATOMEGALIEka tsapa eo @ ilakibo ankavanana ambanin'ny côte farany !
15. isrine ( 21/07/2005 14:28)
fijo: de tena tara indray re anay e,
watafon: za efa narary vavony nefa tsy mpisotro toaka , de ahoana izany? ny fahalalako ny mahatonga ny aretinmbavony dia vokatry ny sakafo hanina, mety ho tsy mitsako tsara, na mihinana be loatra foana, na tara lava vao misakafo.... de vizana ny vavony ka marary.
16. bichette ( 21/07/2005 15:46)
isrine > za koa efa narary vavony be taloha, mandrezatra be foana no marary foana tena :snif::snif::snif: foana dia nanezaka nisakafo à la meme heure , tsy mihinana voamaina fa mazevatra ireny, tsy misotro eau gazeuse dia zao tsy maninona intsony
17. fijo ( 21/07/2005 21:43)
ny vavony mora sitranina ka.za efa voa,fa izao aho efa mamely toaka indray.
fa ny hepatite b io ve azo sitranina?
18. isrine ( 22/07/2005 12:34)
fijo: ny aretina rehetra azo sitranina, sa?
ny resaka hepatite indray na c na b de tsy haiko loatra.
ny toaka anie tsara hoa n'ny vatana raha toa ka atao kely2 na dia hoe misotro isan'nadro aza e
.
19. fasaly ( 22/07/2005 15:49)
hono wa! ny mony koa ve aretin'aty?? satria vao mihintsakay aho de injao fa mipotrapotraka manerana ny mony, afaka adiny iray mintsy an après ny fihinana sakay.
20. kally ( 22/07/2005 17:14)
fijo:

ny vavony mora sitranina ka.za efa voa,fa izao aho efa mamely toaka indray.
fa ny hepatite b io ve azo sitranina?



Tsy mbola misy fanafody manasitrana ny hépatite B aloha hatramin'izao.Ny vaksiny no misy sy fanafody hiarovana azy tsy hihanaka loatra fa ny tena mahasitrana tsy misy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1264