Babakoto hono no niandohan'ny olom-belona??????

1. STONG ( 19/07/2005 16:11)
Babakoto hono no niandohan'ny olom-belona,dia izany lucie zany koa hono toa karazan'io babakoto io ihany koa?
Za aloha tsy manaiky izany fa mba manotany ny hevitrareo e!
Miala tsiny ho an'izay siantifika aloha fa,amiko izany fanaovana tsinotsinona an'ilay ao ambony e!:-$
novalian'i Mifenty ny 26/07/2005 10:12
2. booboo ( 19/07/2005 16:34)
Lucie tsy karazana babakoto (anarana gidro ny babakoto). Zà koa klou tsy mino oe avy @ karazan-gidro(?) ny olombelona e.
3. fijo ( 20/07/2005 04:40)
ka io na mino nareo na tsy mino izay no izy ara tsiantifika ko.
minoa fotsiny sisa e
4. bimanoa ( 20/07/2005 05:45)
avy amin' i adama sy eva
5. sonwin ( 20/07/2005 08:09)
:roll:
6. bichette ( 20/07/2005 08:21)
raha nandinika ianareo, ny etape ny evolution scientifique sy ny fiforonan'izao tontolo izao ao amin'ny baiboly dia mitovy dia raha nieritreritra aho dia hoy aho hoe satria ny 1 andro amintsika tsy mitovy amin'ny iray andron'Andriamanitra dia amiko aloha dia noraisiko hoe Andriamanitra ihany no namorona izao tontolo izao fa EN SON TEMPS. raha miteny Andriamanitra hoe iray andro, tsy midika hoe iray andro aminy olombelona izany fa des milliers d'année. ka amiko tsy problema amiko ny hoe avy amin'ny adama sy eva ve sa i lucie
7. lilbon ( 20/07/2005 10:04)
ny fihaviavian'ny olom-belona
tena manitikitika ahy ity adi-hevitra iray ity!
i lucie dia tsy karazana babakoto tsy akory!fa olona izay nisy volo betsaka raha ny fijerin'ny manam-pahaizana !
izaho aloha tsy DARWIN ka hitompo teny fantatra fa hoe evolution avy amin'ny gidro ny olom-belona !na koa we avy amin'andriamanitra !:idea:
8. lilbon ( 20/07/2005 10:09)
aoka aloha ity hevitra ity tsy hafangaro amin'ny finoana an'andriamanitra !

raha ny hevitro sciantifika de izao !
ny gidro dia manana gènes maro itovizany amin'ny gène ny olona ,anefa dia misy gènes maro ihany koa mahasamihafa azy ireo!

ny soavaly dia manana gènes maro itovizany @ampondra
anefa dia misy genes maro tsy itovizany ihany koa !

zany we iza no afaka hiteny fa ny soavaly dia ampondra ihany no nivoatra kokoa ka lasa soavaly milliards d'années taty aoriana ?
9. lilbon ( 20/07/2005 10:17)
tohiny!
na koa we ny gisa dia ganagana ihany no nivoatra rehefa taona maro be taty aoriana ?

ny Theoreme sur l'évolution de l'homme zay nataon'i darwin aloha hatr@izao dia mijanona ho théoreme non vérifiée!

hanampiko azy de izao :raha gidro ihany ny olona no nivoatra de naninona kosa ireo gidro hitantsika amy zao fotoana no tsy mba nivoatra fa nijanona ho gidro?

fa ny gidro sy ny olona aloha hatra@izao desamy famille na mammiferes bipedes fa 2 éspèces differents sahala amin'ny hoe CYGNES sy ny OIES.
MISAOTRA TOMPOKO!
10. bichette ( 20/07/2005 12:29)
lilbon > zay mitsy
11. booboo ( 20/07/2005 13:29)
ny antony tsy nivoaran'ny gidro hafa oun dé oe noho ny antony booooooooobaka beeeeeeeee dia nisy karazan-gidro iraika nanomboka nidina t@ tany fa tsy nijanona teny @ hazo tahaka ny hafa (nanome ilay homo machin truc tsy tadidiko dia nivoatra araka izay), fa ny ambiny kosa tsy nanao izay ary avy @ ireo ireo karazan-gidro @ zao.
12. STONG ( 20/07/2005 16:48)
Mahagaga:-$,dia misaotra @ dinika tompoko,^:^
13. Mifenty ( 21/07/2005 12:29)

>>STONG mijery télé loatra kle

teneno ndray ary oe homo erectus de aveo lasa homo sapiens hihihi.
14. booboo ( 21/07/2005 13:02)
hihihihihi. i habilis hadinon'ingahy
15. Rabossa ( 21/07/2005 13:11)
hihihihihi tsy hotran'ny cloon be ve zany ko tsy ragidro daholy ny ol a!:-D:-D:-D:-D
16. xxx ( 21/07/2005 13:34)
ka na ragidro ange, tsy ilay ragidro be hitantsika ireny ilay izy e
17. STONG ( 21/07/2005 17:25)
d lazaina fa mijery tele ndray moa ny olona ko;
mba manotany an'i Mifenty ary za e! Raha tsy nametraka an'io dinika io ary izaho,mino v Mifenty fa tsy hisy olona hieritreritra an'io any ho any?:?:
Izaho raha manao io dinika io,tsy mino an'io velively fa mba manotany hoe hatraiza ny finohan'ny olona sasany.
Misaotra tompoko
18. STONG ( 21/07/2005 17:29)
fa inona kay??
Ary nareo v ry xxx mino???
19. booboo ( 22/07/2005 12:54)
ny razam-ben'ireo gidro fahita @ zao ireo kah. Samy nivoatra fa tsy nitovy ny fivoharan-dreo.
20. Mifenty ( 26/07/2005 10:10)


aleo ary ato oe tsy mijery télé fa atao oe manana anle dvd oe

l'odyssée de l'espèce e hihihihi, ilay notontosain'i Jacques Malaterre iny e.

efa nandé tao am france 3 le izy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.376