Anaram-piangonana

1. johns ( 19/07/2005 15:49)
Aminareo rehefa mivavaka iza no arahana voalohany.
Jesosy Kristy sa ny Fiangonana?
novalian'i booboo ny 28/09/2005 10:58
2. STONG ( 19/07/2005 16:02)
Ka ny valiny d tsotra r'ise a!Jesosy aloha vao anaran'izay fiangonana.
Misy mantsy ny fiangonana sasany tsy mino an'izany Jesosy zany,tsy haiko hoe inona no hinoany(??)
(otran'ny hafahafa kou l fanotaniana,loll)
3. booboo ( 19/07/2005 16:28)
iza no arahana vôlohany aôna refa mivavaka ?
4. miarina ( 19/07/2005 20:14)
quelle question ? sady tsy ny fiangonana no tsy jesosy kristy fa Jehovah
5. velonantoandro ( 19/07/2005 21:52)
iza no arahana voalohany
Ny anay aloha dia ny sipa kou-lé!:lol:
tsy jesosy kristy fa Jehovah
Nareo izany ve ry miarina tsy temoinan'i Jehova?Tandremo fa sekta io an!Mbola ratsy noho ilay zokibeny vavimatoa aza!:cry:
6. ari.malala ( 20/07/2005 05:27)
johns:

Aminareo rehefa mivavaka iza no arahana voalohany.
Jesosy Kristy sa ny Fiangonana?



Mazava loatra, I Jesoa Kristy ilay nasandrat'Andriamanitra ho Filoha ambony indrindra @ Eglizy no arahina rehefa mivavaka. Fanontaniana tsy tokony hipetraka akory io! :)
7. xxx ( 20/07/2005 08:26)
=))=))=))
8. cocorie ( 20/07/2005 08:59)
Tsy hitako mitsy ze mampivanitika be @izany eo ry XXX. enao koa'ty toa :evil:
9. pika ( 20/07/2005 09:23)
jesosy kristy no arahina nefa na izany aza mba jerena ihany sao dia ireny fiangonana tsy manaja ny an'ny hafa ireny fa dia faly manaratsy sy manenjika fotsiny anarany fotsiny ny hoe ... nefa i kristy tsy nanao toy izany
tapahana an-tenantenanny ny fzt ao anaty baiboly atao izay hifanarahany @ tombotsoany, ao koa ny manao dika vilana sns
10. johns ( 20/07/2005 11:35)
ari.malala:

johns:

Aminareo rehefa mivavaka iza no arahana voalohany.
Jesosy Kristy sa ny Fiangonana?



Mazava loatra, I Jesoa Kristy ilay nasandrat'Andriamanitra ho Filoha ambony indrindra @ Eglizy no arahina rehefa mivavaka. Fanontaniana tsy tokony hipetraka akory io! :)

Diso ianao,
tena tokony hipetraka tsara ny fanontaniana satria amzao fotoana dia betsaka ny olona no mivavaka amin'ny fiangonana fa tsy amin'Andriamanitra. Raisiko ohatra fotsiny hoe raha FJKM ilay olona ka tonga any amin'ny toerana tsy misy FJKM dia tsy mivavaka. Ao koa ohatra ny manaraka ny fomban'ny fiangonana sns...
11. booboo ( 20/07/2005 11:58)
zé tsapany fa ahazoany aim-panahy ihany io. Zà zô tsy raisiko fa mivavaka @ anaram-pg zany fa tsy mety miangona any fg (protestanta FPMA zà) lavitry ny trano fa zay hitako akaiky eo dé hidirako aby (na catho na loterana na evangéliste).
12. fijo ( 20/07/2005 22:43)
tsy misy arahako,fa ny lohako ihany no arahako
13. johns ( 21/07/2005 04:39)
booboo:

zé tsapany fa ahazoany aim-panahy ihany io. Zà zô tsy raisiko fa mivavaka @ anaram-pg zany fa tsy mety miangona any fg (protestanta FPMA zà) lavitry ny trano fa zay hitako akaiky eo dé hidirako aby (na catho na loterana na evangéliste).

Se rery zao no vao hitako ho namaly an'izay ary vitsy ny olona toa izay. Tena hainareo moa ilay hiran'ny Antsa an'i Kristy hoe voafitaky ny anaram-piangonana
tena bobaka be mihitsy io. Raha anontaniana aza ny olona iray hoe inona no finoanao dia ny anaram-piangonany no teneniny oh: hoe FJKM, EKAR... fa tsy i Kristy. Izay anie no mahatonga ahy hoe ny Fiangonana daholo no lasa aloha fa tsy Kristy izany eh.
14. ttittie ( 22/07/2005 09:02)
naika mba hanotany aho hoe aiza ho aiza eto paris no misy fiangonana katolika gasy azafady
15. sonwin ( 23/07/2005 18:07)
any amin'ny Porte d'Orleans...isaky ny Alahady hariva.
16. scorpion ( 24/07/2005 08:37)
ie marina zany
17. moi ( 02/08/2005 06:14)
...dia raha vao mandre hoe Secte dia efa hafahafa ny sasany. Asa raha mba tany koa booboo fa tsy notononiny fa izaho aloha mba efa nivavaka tany amin'ireny e !
Raha hoe tany amin'ny FJKM, EKAR, Advantista, Anglikana, Loterana, fotsiny dia mbola tsy mahatafintohina ny maro ... Misy hiran'ny NY FANILO izay mampieritreritra mihitsy momba ity anaram-piangonana ity.
18. zozefa ( 02/08/2005 10:31)
raha ny hevitro indray de arakaraky ny but tianao hatao ihany no andehanana, raha ny aimpanahiko no ho tsinjoviko de izay tena manaraka ny voalaza ao @ Baiboly no arahiko, fa raha ohatra hoe misy namana manasa, tsy mampaninona ahy ny mandeha any @ fiangonana hafa, nefa tsy hadinoina fa ny hitaona ny olona ho any @ fibebahana ihany no tanjona,
fa ny anarampiangonana indraindray toa terme administratif ihany:lol:
19. booboo ( 02/08/2005 11:00)
moi > zà anisan'ilay tsy mpiditra mitsy vô tafiditra ao @ lé antsoin'ny fanjakana hoe "secte" ilay fg. Refa mbola tsy zay sy tsy lavitra ilay fg tsy raharahiko lôtra na inn no anarany na inn fombafombany.
20. zozefa ( 02/08/2005 12:13)
raha azoko tsara izany ny an'i booboo de avelany ho ny fanjakana no hijery izay tsara na ratsy ho an'ny fiainany ara-panahy,
Diniho tsara ry fanjakana ny tenin'Andriamanitra fa i booboo anie ka mahatoky ny conclusion nareo e!:D:D:D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0991