Anaram-piangonana

21. booboo ( 02/08/2005 12:32)
Booboo tsy mihanona fotsiny @ zay conclusions any fa mamakafaka ny @ iny raha iny klou vô manapaka-kevitra @ zay hasiany ny tongony kah. Zay lé ilaina ny saina zay
22. zozefa ( 02/08/2005 13:01)
de niaraka nandinika t@ rafanjakana izany i boobooo matoa izay nolazainy ho secte de tsy hidiranao mihitsy an!:roll: tsy maninona anefa fa ny famakafakana anie tsy vita indraimandeha fa ilana averiberina aza izy, misy zao fiangonana sasany t@ voalohany ohatran'ny hoe tsy "secte" nefa niova izy taty aoriana, tsara aloha le mamakafaka, fa ny olana fotsiny de hoe sao de lany andro teo ampamakafakana isika nefa ny Tompo miha tomotra ihany,
23. booboo ( 02/08/2005 13:45)
Zozefa angaha niara-niasa t@ mpandinika t@ namoahan-dreo hoe ny parasim-boalavo anisan'ny mitondra pesta ? Novakianao na hitanao na henonao tany an'anona tany izany dé zé anaovano iny infos azonao iny fa efa nampahafantarina klou enao oe zay ny zava-misy, misafidy fotsiny enao zay anaovanao an'iny avy teo (tsy noterena fa safidy malalaka).
Ny fiainana tsy vitan'ny "sujet iraika" mila fandinihana mba tsy hanaovana taotao foana, anjaran'ny tsi-1-1 no mandamina ny fotoany sy misafidy zay ataony avy teo.
24. zozefa ( 02/08/2005 18:06)
tsy ratsy indray aloha ilay ohatra noraisin'i booboo iny e, fa ny naha samy hafa fotsiny azy de izao, raha ohatra hoe ny institut pasteur no nilaza ilay information de mety tsy hisalasala aho, fa raha ohatra hoe hevitra nivoaka avy andrefatsena no hilaza fa mitondra pesta ny parasy de voatery za handinika tsara aloha;
tsy any @ mpamboly salady mihitsy aho no haka renseignement momba ny fiompiana trondro na de manana hevitra ihany aza izy,
mety hiteny angamba ianao hoe misy oll manana ny maha izy anie ao @ fanjakana aho mahalala ny momba ny secte, eny mety mahalala izy fa tsy izay akory no handraisako fanapahakevitra ny tsy andehanako mihitsy any @ fiangonana lazaina fa "secte"
fa tiako fotsiny ny milaza fa tsy ny fiangonana akory no mamonjy fa Kristy ihany:D soa ihany,
25. booboo ( 03/08/2005 06:00)
mitovy hevitra tanteraka @ io lazainao farany io zà :D. Ny anà fotsiny lé tsy fandehanako any @ secte no hitako mampadroso ahy kokoa @ fiainam-panahy dé zay no ataoko e
26. routa ( 03/08/2005 10:15)
Ny anarampiangonana tsy mahavonjy
27. marozevo ( 16/08/2005 15:41)

Johns
Iza no tianao ny DADANAO sa ny MAMANAO ?
Mitovy amin'izany ny fanontanianao ka asa na hainao ny mamaly azy. Amiko dia tsy azo sarahina i Kristy sy ny Fiangonana. Tsy ilaiko ny Fiangonana raha tsy hanambara amiko an'i Kristy, ary zary angano mampatory mitsangana ny evanjelin'i Kristy raha tsy eo ny Fiangonana naoriny hampaharitra azy.
28. johns ( 01/09/2005 10:51)
Ovaiko ny fanontanian'i Marozevo tonga dia ataoko direct. Kristy sa ny FIANGONANA?
Dia valiako hoe "KRISTY ILAY TSY MIOVA OMALY SY ANIO ARY MANDRAKIZAY".
Satria
"routa":
Ny anarampiangonana tsy mahavonjy

sady ny fiangonana mety ho foana (oh: EURD)
Ny fiangonana mety ho rava ny hisaraka dia ho aiza aho avy eo (oh: FPM, izay fiangonana Protestanta Malagasy voalohany)
29. deghany ( 02/09/2005 12:17)
marozevo:


Johns
Iza no tianao ny DADANAO sa ny MAMANAO ?
Mitovy amin'izany ny fanontanianao ka asa na hainao ny mamaly azy. Amiko dia tsy azo sarahina i Kristy sy ny Fiangonana. Tsy ilaiko ny Fiangonana raha tsy hanambara amiko an'i Kristy, ary zary angano mampatory mitsangana ny evanjelin'i Kristy raha tsy eo ny Fiangonana naoriny hampaharitra azy.



de aiza ary @zao le Fiangonana naoriny r'se???
30. marozevo ( 02/09/2005 15:04)
Za anefa dia milaza aminao ry Johns fa tsy ny mpitory teny eny an-dalam-be no hahazoanao ny famonjena, fa ny Fiangonana irery ihany.
Dia manontany i Deghany hoe :"Aiza ary @zao le Fiangonana naoriny ?". Dia gaga aho fa jamba angaha i Deghany no tsy mahita ireny Fiangonana manerana ny tanana sy ny vohitra ireny ? Mody tsy mahita ve i Deghany sa manapi-maso rehefa mandalo irony mpivavaka mitondra Baiboly sy fihirana handeha hivavaka irony ? Ilay Fiangonana naorin'i Kristy dia ilay mitory ny fitiavan'Andriamanitra sy mitantana izay tsara sitra-po ho any amin'ny famonjena mandrakizay.
31. pitchou ( 04/09/2005 18:50)
marozevo> raha zay no fandehany zany d ze fiangonana rehetra hita eny d izy avokoa!!!! tandremo ihany r'se!
ary aza adino koa, ho anao fatra-pandala ny fiangonana fa tsy natao hokobonina anaty trano ny finoana fa natao hahely! ary tsy ny efa mpino angamba no tokony hitoriana ny finoana fa indrindra ireo tsy mbola mino, fa raha tsy izany finona tsy arahina asa, finoana tsy mizara fa finaritra ny te-hamantana sy handray fotsiny! tsy voatery hisy rafitra vao atao hoe fiangonana fa na ao an-tranonao aza ianao afaka manana fiangonana tsara mihitsy, ary na enao tenanao io aza d efa tempoly!
diniho tsara io lazain'i johns io, fa tena marina io! ary ampotomoty be ny fanoharanao sy fametrahanao le fanontaniana hoe dadanao sa mamanao! raha tsy hoe ny endrika ivelany iohany no handehananao any am-piangonana angaha ka tsy mifàka zà
32. johns ( 05/09/2005 08:16)
marozevo:

Za anefa dia milaza aminao ry Johns fa tsy ny mpitory teny eny an-dalam-be no hahazoanao ny famonjena, fa ny Fiangonana irery ihany.

Tena mampalahelo ahy i Marozevo, mba te hizara kely am'se aho.
Raha manoloana ny fitsaran'ny lanitra ise dia tsy hahatafiditra an'ise ao amin'ny Fanjakan'ny lanitra mihitsy ny hoe, izaho mivavaka amin'ny FJKM, ECAR, FLM, MRE, RHEMA, AN-DALAMBE..., na dia hiteny aza ise hoe Mpitandrina amin'ireo fiangonana ireo.
Tokana ihany no azahoan'ise miditra ny Fanjakan'ny lanitra (Famonjena Kristiana) dia ny hoe :
IZAHO MANANA AN'I JESOSY KRISTY ATO ANATIKO.
Fa hoy ny baiboly:

Jaona.3: 16 Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.

Asa 4: 12 Ary tsy misy famonjena @ hafa, fa tsy misy anarana hafa ambanin'ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika ny famonjena
Marka 16:16 Izay mino sy atao batisa no hovonjena

Asa 16:31 Minoa an'i Jesosy Tompo, dia hovonjena hianao sy ny ankohonanao

Romana 10:9 satria raha manaiky an'i Jesosy ho Tompo amin'ny vavanao hianao ary mino amin'ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin'ny maty, dia hovonjena hianao.


marozevo:

Ilay Fiangonana naorin'i Kristy dia ilay mitory ny fitiavan'Andriamanitra sy mitantana izay tsara sitra-po ho any amin'ny famonjena mandrakizay.

Amiko Kristy dia tsy nanorina trano fiangonana na tsy haiko raha misy dia mba lazao ahy hoe inona io fiangonana io. Ary raha ny resaka fitoriana an-dalambe indray dia Kristy no nanao an'io voalohany, dia avy eo tany an-tranon'olona no nanohizan'ny apostoly azy. Vakio ny baiboly

33. pitchou ( 06/09/2005 09:01)
johns> afaka tsy mamaky ny baiboly d efa mahay an'izany ka!:lol:
fa raha mandeha mankany am-piangonana sao tsy mahazo strapontin kely any an-danitra dia betsaka ny chance hijanonana eny ambaravaran'ny lanitra, fa raha miaina ny finona ka mizara izany @ hafa angamba no mety hahita tombon-tsoa! tsy haiko aloha fa zà tsy mbola tany, fa manjary lasa otran'ny finoan par intérêt fotsiny ilay finona ndraindray fa tsy fitsipi-piainana kou
34. Rajim ( 27/09/2005 05:17)
Hoy ny tenin'ny SM hoe: "Voazarazara ho samy hafa ny ny fanimpoana fa ny Tompo dia iray ihany"
Amiko alou dia i Jesosy Kristy no Tompoko sy Mpamonjy ahy raha tsy izany aho dia very e!,ary izy ihany koa no antom-pisian'ny Fiangonana,koa raha Fiangonana tsy misy ny fanatrehany dia mampiahiahy ihany ,oht izy no nampianatra nivavaka sy hanaiky sy ho tia an'Atra ,koa tsy misy mahay manaiky an'Atra koa raha tsy tarihin'ny Fanahy, dia ny Fanahy izay nomen'ny izay rehetra mino azy izany,ny tena Fiangonana dia tenan'i Jesosy Kristy ety an-tany,koa ny ankoatrany dia tokony ho zavatra hafa no fiantsoana azy.
35. LazaRandri ( 27/09/2005 05:22)
johns:

Aminareo rehefa mivavaka iza no arahana voalohany.
Jesosy Kristy sa ny Fiangonana?

Miala tsiny aho raha hiteny fa adaladala ilay fanontaniana.

36. booboo ( 27/09/2005 13:34)
fa maninn ?
37. LazaRandri ( 28/09/2005 07:21)
Booboo,
Ny teny hoe Kristianina dia avy amin'ny anaran'i Kristy, ary midika ho mpanara-dia an'i Kristy
38. booboo ( 28/09/2005 09:43)
dé zay ny valin'ilay sujet araka ny hevitrao. hitanao fa tsy adaladala, ny hevitrao fotsiny no nangatahiny dé zay.
39. LazaRandri ( 28/09/2005 10:43)
izay no maha adaladala an'ilay fanontaniana, satria tsy hevitro io. hahaha
40. booboo ( 28/09/2005 10:58)
inn aza no antony nanomezanao io définition n'ny atao oe kristiana io e ? misy ifandraisany io raha io sy ilay sujet aminao sa miteniteny foana enao ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6755