finoana

21. ari.malala ( 15/07/2005 12:16)
22. ndrena ( 16/07/2005 05:24)
Ny atao hoe finoana dia fanehoana ny zavatra tsy hita ary tsy ary fahatokiana ny @ zavatra antenaina.Ny baiboly no manambara izany.Samy manana izay inoany izany ny olona fa izay tena manana ny finoana an'A/tra no lsa lavitra kokoa satria hoy koa ny baiboly hoe:[u]Izay rehetra manantona an'A/tra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady mpamaly soa izay rehetra mazoto mitady Azy[/u].Koa izay mbola manana finoana hafa dia afaka mandroso lalindalina kokoa ho ao @ finoana an'A/tra.
23. marozevo ( 17/08/2005 20:18)
Misy ekeko ny hevitr'i pitchou, amin'ny fisian'ny fikambanan'ny Dadarabe, saingy aoka isika ho mailo fa misy Dadarabe manararaotra sy manambaka. Aoka anefa tsy hafangaro ny finoana sy ny fitsaboana. Raha mitsabo tena amin'ny Dadarabe tena izy aho, ohatra, dia tsy midika izany fa mino an'i Dadarabe aho. Ny fanafody ampiasainy no manasitrana fa tsy ny finoan'izay tsaboina akory. Anisan'ireny mpitsabo mahay mampiasa ny zava-maniry malagasy ireny ny Pr RATSIMAMANGA, ary tena nahomby sy mbola mahomby. Izy anefa dia Kristianina Anglikana hatramin'ny farany.
Tsy ekeko kosa ilay hoe Sarlatan > Satan, satria tsy Sarlatan no izy fa Charlatan.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.947