Ny fivavahana sy ny sciences...

1. jhouhlambout ( 10/07/2005 09:58)
Matoha ny olona mbola mivavaka dia misy ny zavatra tsy voafehiny, ohatra: ny aretina, ny fahafatesana...etc. Inona ary ny mety hanjo raha voavahan'ny science ireny zavatra ireny? Mbola hisy mpino ihany ve ety an-tany?
novalian'i pitchou ny 29/08/2005 18:25
2. xxx ( 10/07/2005 10:21)
Izaho miteny aminao fa na hisy fanafodiny daholo aza ny aretina rehetra dia tsy ho foana ny fivavahana,ny atony hivavahana amiko tsy dia voatery hoe ny tombotsohako ihany fa ny hanome voninahitra an'ilay Nahary.
Ny fivavahana ko anie tsy voatery ho fitalahona fa fisaorana ko e!
Valiny:tsy ho foana zany ny fivavahana,mbola hisy foana ny mpino!
3. xxx ( 10/07/2005 11:57)
xxx hafa indray ity. Tsy resaka fotsiny hoe zavatra tsy voafehy ny antony ivavahana fa ny fahasoavana azonao dia tsy hoe vokatry ny herinao fotsiny fa noho ny fanampian'A\tra. Ny hery, ny tanjaka, ny saina, ny fahalalana dia avy amin'ilay Nahary daholo. Ka tokony isaorana azy. Ao koa ny fifonana aminy, ny fiankinana aminy. Noho izany dia misy foana ny mpino fa tsy ho lasa materialista daholo akory ny olona.
4. dadabe ( 10/07/2005 12:58)
oadray le !! resaka xxx indray ity nefa zah aza saika hamaly tsss:^)
5. xxx ( 10/07/2005 15:18)

resaka 666 ndray ty le
fa le fanontaniana anie oe mbola hisy ve ny mpino fa tsy hoe mbola hisy mpivavaka ve eh.
ny hevitro dia mila faritana aloa ny atao hoe mino izay midika amiko fa fanekena ny fisian'ny zavatra tsy misy ary tsy mila azavaina. noho izany dia voavaly ho azy ny fanontaniana. resaka jiolahim-boto ty ato ity ah.
6. mpanakiana ( 10/07/2005 15:53)
xxx isany kanosa laisany zany avy v d anafenako ny psko grrrrr
7. zefalah ( 11/07/2005 00:33)
namboarinan'Andriamanitra ny olombelona mba anopo azy
ary zay no antony nahatonga asika ety antany.
8. bichette ( 11/07/2005 06:28)
ie mbola hisy ny hino ka ! za aloha hino fona e na dia hisy porofo ara tsiantsifika daholo aza izao rehetr izao
9. jhouhlambout ( 11/07/2005 09:22)
Ary raha lasa tsy mety maty daholo ny olona rehetra eto a-tany?
10. booboo ( 11/07/2005 09:41)
ka tsy possible zany fa efa zay ny lalàn'ny natiora : mitsaika, teraka, mihalehibe, miha-antitra dié tsy maintsy gli avy teo.
11. mandrindra ( 11/07/2005 13:33)
marina izany ry booboo. jhoulambout, raha vao teraka ny zaza iray dia ny fahafatesana no zo azony voalohany.
12. routa ( 11/07/2005 14:12)
mazava tsara
13. dadabe ( 11/07/2005 15:03)
ka ny fanotanian'i jhoul anie de hoe ary raha tsy misy maty avokoa ny ol ety antany noho ny fandrosoan'ny siansa???hummm
mahaliana satria zah sady siantifika no kristianina
14. bichette ( 12/07/2005 06:22)
ra tsy mety maty dia supposer na koa hoe azo hiainana any am planeta mars dia any ny sasany no mipetraka
15. Mifenty ( 12/07/2005 11:20)


asio jhoul kely ary lou eh. dissipé par efé joule ???hihihi


oro sizé ndray le.
16. jhouhlambout ( 12/07/2005 12:56)
booboo:

ka tsy possible zany fa efa zay ny lalàn'ny natiora : mitsaika, teraka, mihalehibe, miha-antitra dié tsy maintsy gli avy teo.



Ka efa hoe: supposons hoe tsy mety maty.
Noho izany dia inona indray ny mbola itodian'ny olona @ finoana?
17. kally ( 12/07/2005 13:40)
jhioul>Supposons hoe tsy mety maty ny olombelona saingy ny hany mitazona azy tsy ho faty dia ny finoany, nahoana moa izy no tsy hitodika any @ finoana?:-P
18. jhouhlambout ( 12/07/2005 21:37)
satria lasa voafehiny daholo ny zava-drehetra
19. pitchou ( 13/07/2005 09:07)
rehefa tena mandeha lavitra be ao anatin'ny siansa dia midona @ postulat foana! ary izany angamba ny olona tena mahay sy mandalina siansa ho mino ny fisian'Andriamanitra! satria mety ho voavahan'ny olombelona daholo ny rehetra saingy ilay singa fototra niandohan'ny zava-drehetra ... tsy hisy hahavahy io!
20. kally ( 13/07/2005 10:01)
jhouhlambout:

satria lasa voafehiny daholo ny zava-drehetra

Ka efa hoe ny finoany no hany mitazona azy tsy ho faty ka inona no voafehiny eo?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1826